DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Rakitra! no hotatazana!

harilova | 20 Mey, 2008 00:18

Mamaky ity Vaovao eto an-toerana ity aho dia tonga saina mandinika ny hoe : atao RAKITRA!

Inona tokoa moa ny hevitry ny teny hoe RAKITRA? Noraisiko ny Rakibolana dia kokarohiko tao ny mety ho dikany : "Vola angonina tsikelikely atao tahiry; harena na zava-tsoa sarobidy voatahiry; toerana misy ny vola angonina.... vola tatazana amin'ny vory vahoaka, indrindra ao am-piangonan..."

Dia vao mainka lasa ny saiko amin'ny fahazarana hatry ny fony kely handeha "hanakalo vola hatao rakitra". Raha tahiry aloha no hilazaana ny rakitra dia ambimbava izany no angonina... Asa na ohatrinona izay no voahangona tao am-piangonana!!!

Dia lasa ihany ny saiko hoe, naninona no nolosoina vilia fisaka ny fitatazan-drakitry ny sasany? Mba hahitana izay arotsaky ny hafa ve sa mba hisehoan'ny manan-katao hoe mahavita be? Ny fisehoana ho mahavita be manko dia efa nisy hatrizay. Dia lasa ny saiko mandinika ilay Mpananon-tena noderain'i Kristy ho nahavita be indrindra (vakio eto) satria tsy nandrotraka ny ambim-bava fa izay mety ho nilainy amin'ny hivelomany.

Fa mba azon'ny olona anefa ve, atomboka amin'ny pastera sy mompera ny tena dikan'ity rakitra atao ity? Ny Mpitondra fivavahana matahotra ny ho voampanga ho mpihinam-bolam-piangonana sy mpitady vola fotsiny dia tsy mahasahy miteny loatra ny resa-bola. Ny Mpiangona rahateo etsy an-kilany enti-mpahazarana amin'ny tehirizo atao rakitra ny vola madinika!

Oviana re vao mba hodinihina ao an-tokantrano kristianina ny teti-bola hoenti-mandray anjara amin'ny fiainam-piangonana sy ho fitsinjovana ny mahantra e! Dia amin'izay mba  hifanontany hoe : ohatrinona no atolotsika ny fiangonana ho fandraisana anjara amin'ny kitapom-bola?

Asa angamba rehefa hiova ny feon-dakolosin-dry Mopoera ka tsy hanao "Izay tonga lany intsony"! Amin'izay manko vao misy rakitra araka ny raki-bolana!!!!

Sa asiana vidim-pidirana koa ny Fiangonana kelikely???? 

 

Lanitra! Miakatra sa midina?

harilova | 01 Mey, 2008 01:20

Mandinika ny fetin'ny ascension (Fiakarana) ity aho dia mandinika ihany hoe inona moa no dikan'izany? fialan-tsasatra tsy hiasana handraisam-bola ihany ve sa mba misy heviny manokana? (Amin'ny firenena hafa moa dia tsy ankalazaina amin'ny andro faha-efapolo io fa amin'ny alahady manaraka!!)
Dia lasa koa ny saiko hoe aiza ho aiza no misy ity lanitra ity! Raha niakatra i Jesoa, tany Jerosalema no niakarany, asa tamin'ny ora fahafiry! tolak'andro hoe! Fa niakatra nankaiza? nankany amin'ny Ray ve?
Fa angaha tsy amin'ny toerana rehetra andriamanitra! Ka nahoana no mila miakatra?
Dia lasa ny saiko hoe : ny olona hoe mody any amin'ny Ray rehefa maty (amin'ny alahelo lehibe ny ilazana izany fodiana any amin'ny Ray izany!) Toa zavatra mifanohitra raha amin'ny foto-pisainana kristianina no hamakiana azy!
Ka raha nody any amin'ny Ray ny maty, ngaha any am-pasana no misy ny Ray? Toa lasa nidina fa tsy lasa niakatra! Sa izany angaha no voatery hilazana azy amin'alahelo lehibe!
tsy manamaivana ny fisarahana sy ny alahelo vokatry ny fahafatesana aho tsy akory. Mba manana traikefam-pisarahana ihany aho ka mahatsapa ny hangirifiriny... saingy kosa mandinika ihany ny amin'ny fety ankalazaina toy itony!
 
Ny valin-teny hany hitako dia hoe azo adika hoe "tsy taka-maso ny lanitra" Tonga tsy hitan'ny masony intsony hoy Lioka . Dia amin'ny toerana rehetra tokoa Andriamanitra saingy tsy hitan'ny maso! Tsy renesin'ny sofina!Tsy tsapain'ny tanana! satria Fitiavana Izy!
Dia lasa ny saiko hoe : azo lazaina ho fitiavana ve ny asa soa efa hahazoana dera sahady ety an-tany?
Mba hahafahana miakatra any amin'ny "tsy takatry ny maso", dia mila mahazo ny lazain'i Kristy hoe : "Raha manao soa ianao, manao asa fiantrana (fitiavana) dia aoka ny tananao havia tsy hahalana izay ataon'ny havanana", sy ny hoe "raha mivavaka ianao, dia midira ao an-tranonao, ary mivavaha amin'ny Rainao izay mahita ny "tsy takatry ny maso"!!!
Ny maso mamaky, ny fo mieritreritra e! 
 
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb