DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

misy olona afaka ve?

harilova | 17 Novambra, 2008 19:35

Mandinika momba ny fanafahana (libération) aho, dia mandinika ny tena hevitry ny hoe olon'afaka! Hay arakaraka ny maha-olon'afaka no maha-olon-tsy afaka.Tsy resaka babo sy andevo na zavatra hafa tsy mbola levon'ny sasany na mandratra ny fon'ny hafa  no lazaiko, fa ny fahafahana  hananan'ny tsirairay!

Ny olona afaka manao zavatra iray, fahafaha-manao sy fahaizanana izany, saingy arakaraka ny hahaizana no hahatsapana fa sombiny ihany no hay! dia miafara amin'ny nolazain'i Socrate momba ny fahendren-drazany ihany hoe : ny hany fantatro dia tsy mahalala n'inon'inona aho!

Ny olona afaka manao izay tiany atao, saingy voararan'ny lalàna sy ny fiaraha-monina ny ankamaroany! Dia voatery mandefitra ihany satria manahirana ny miara-miaina.

Mandika azy amin'ny teny malagasy aho dia tena sahirana hoe atao ahoana ary !

Inona ary ny tena fahafahana?

jereo eto  ho an'izay tsy manan-katao be loatra

ara-bakiteny ny teny hoe libertas sy ny libito (hafinaterana, libido) dia iray fihaviana ihany, izay afaka izany dia ara-teorika izay afaka manao ny danin'ny kibony, saingy izany marina ve? Tsy misy olona afaka manao izay rehetra tiany!

Lazain'ny Kristianina fa zavatra dimy no mamaritra ny tena fahafahana marina : 1- voafetra!(fetran'ny tena sy ny tontolo manodidina) 2- safidim-piainana matotra! (nefa rehefa misafidy, mazàva loatra fa itsy horaisina, iroa havela!) 3- fanajàna ny hafa! (samy mananan ny tiany!) 4- azo tsikelikely! (ezaka isan'andro) 5- mandroso ho amin'ny tsara! (! cours arcade// tsy ny namanao no hifaninananao fa ny tsara vitanao omaly).

Dia mandinika aho hoe : mba afaka ve izaho ity?

Fantatro ve ny fetrako? ary ekeko ve ireo izay fanatro fa tsy ho vitako? izay ihany manko no hahafahako mila vonjy amin'ny hafa, tsy noho ny fitiavan-tena fa araka ny lalan'ny fiaraha-monina!

Mba efa nanao safidim-piainana e aho ka namela ireo izay tsy mifanaraka amin'ny safidiko? Na mba farafahakeliny ahay miezaka hahamatotra ny safidy??? Dia tsy ho afaka ny hanao ny tiako intsony aho fa hanao izay tokony hataoko!

sns sns

Ny niafarany dia hoy aho hoe: mba misy olona afaka ve eto an-tany? sa dia ho nofinofy ihany no atao hoe fahafahana?

 

 

Fanasana!

harilova | 11 Oktobra, 2008 22:42

Tsy ny olona rehetra no mino ny lanitra, tsy ny rehetra no mino ny fiainana any an-koatra! Saingy ho an'izay tsy mino izany dia tsy misy dikany akory ny hiaina sy ny hiezaka hanao ny soa main'ny fiainana! Raha tsy misy ireo fanahy mitsinjo antsika eny ho eny! Na isika koa aza tsy mba ho afaka mifaly amin'izay hahitantsika ny soa apetratsika ho an'ny taranaka amam-para. Izany Fiainanana mandrakizay izany no fanasana homanin'i Kristy Ho antsika.

Rahefa miresaka fanasana isika dia mazava loatra fa tsy maintsy misy fifidianana izany. Iza no hantsoina? Sao adino ny manasa an’i…! Mazàna dia ny manan-kaja sy ny manan-katao no voalohan-disitra, inona no antony? Adino ary toa odiana tsy hita ny hafatr’i Kristy manao hoe : “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva hianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain'ireo koa hianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy.” (Lk 14,12)

Na izany aza anefa, mba hanoharan’i Kristy ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny fanasana azon’ny saintsika takarina dia nolazainy fa voaasa ho amin’ny Fanjakan’ny Mpanjaka ireo mihevi-tena ho lohalisitra amin’ny fanasana, saingy noho ny avonavona dia niala tsiny ho manan-draharaha atao avokoa. (Evanjely Mt 22, 1-14). Tsy ho voninahitry ny Mpanjaka mpanasa anefa ny famaliana ny fanasany fa ho reharehan’izay notsongoim-bolo ho any amin’ny fanjakana.

Dia toy izany koa ny fiainantsika, “satria na tsy mila fankalazana avy aminay aza ianao dia ekenao ary sitrakao ny ankalazanay anao, tsy mampitombo ny hasinao ny fiderana atona fa manampy anay kosa hahazo ny famonjena, amin’ny alalan’i Kristy[1]. Voaantso ho amin’ny fanasana isika rehetra, tsy zo hiriariavana anefa izany fa adidy mampandinin-tena mandrakariva. Ilay akanjon’ny fampakarana (fanasana) izay noraisintsika tamin’ny batemy manko dia mila tahirizintsika mandrakariva hoenti-miseho eo amin’ny latabatry ny Mpanjaka.

Tsy azo vidiam-bola araka izany ny fanjakan’ny lanitra ary tsy maimaim-poana koa, mety hamoizana izay rehetra hananana aza mba hahazoana azy (alahady 17A). Tsy misy hireharehana na hieboheboana anefa izany. Matoa isika mahefa ny soa dia “miaraka amin’ilay mankahery antsika” (Vak II Fil 4, 12-14.19-20). Tsy azotsika hohadinoina anefa fa ilay mpiandry antsika hoy ny Salamo setriny (Sal 22) dia mitondra tsora-kazo aman-tehina: ny tsorakazo hanitsiana ny dian’izay mania, ny tehina mahafa-tahotra amin’ny fahavalo. [2]

Tsy zava-bita hifampitsarana anefa ny hazakazaka ho amin’ny fanjakan’ny lanitra, ka ho ampy ny manao soa be dia be! Tsy ny zoa vita no hidirana any an-danitra fa ny faharetana amin’ny fanaovan-tsoa! Aza adinontsika ny vakiteny roa alahady lasa izay[3] , na ny Evanjelin’ireo niasa tany an-tanimboaloboka adiny iray monja. “Horovitina eo amin’ny tendrombohitry ny Tompo ny voaly manarona ny olona rehetra” (Vakiteny I Iz 25, 6-10) ka “hihanjahanja sy hiarihary eo imason’Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra” (He 4, 13).

Ny Eokaristia no hisantarantsika sahady ny fanasan’ny zanak’ondry. Alao hery ary ny hitahiry ilay “akanjo fotsin’ny Batemintsika”, mba hahafahantsika mitoetra ao amin’ny fanasany na dia eo aza ny tsy fahamendrehana hibaboantsika ka niantsoany antsika hiombona anjara amin’ny Fanjakany. Hodinihintsika manokana ilay fitalahoan’ilay Tomponjato lazaintsika isaky ny handray komonio hoe : Tompoko, tsy mendrika ny hampiantrano anao aho, fa ny Teninao ihany no hahasitrana ny mpanomponao (Mt 8, 8).

 



[1] Prefasy andavanandro faha IV

[2] Jereo ny alahady fankalazana ny Mpiandry ondry tsara (jereo eto) manazava io ny naoty 4

Nosy Saint Laurent : Madagasikara

harilova | 10 Aogositra, 2008 10:30

Ny andron'ny 10 aogositra no itsingerenan'ny taona nahitan'i Diego Diaz an'i Madagasikara ny taona 1500. Ny anarana hoe Madagasikara dia efa ny faramparan'ny taonjato faha-18, araka ny fikarohana nataon'i Marco Polo, fa nosy Md Laurent no niantsoana azy talohan'izay, satria ny 10 aogositra no ankalazan'ny litorjia katolika ny fetin'ity martiora romana ity (+258).

Tantara ianarana tamin'ny garabola izany saingy rehefa mandeha ny taona dia tsara ihany ny mamerimberina azy satria ny fanadinoana na tsy azontsika iniana aza (satria tsy misy mahavita minia manadino, tsy azo kosehina ny eritreritra) dia tonga ho azy kosa amin'ny lafin-javatra sasany!

Ny fivoaran'ny teknolojia no nahazoantsika ny sarintany izao fa mba saintsaino an-tsaina ny saritany nataon'ny mpiantsambo namaritany ny mety ho endrik'ilay nosy faha-4 lehibe indrindra eran-tany...

 

Fialam-bola! mba hiala voly!

harilova | 06 Aogositra, 2008 10:53

Na dia hoe an-dafy aza no hilazana ny aty amin'ny misy anay aty dia ny fimenomenomana amin'ny hasarotan'ny vidim-piainana misy hatraiza hatraiza...

Ny mahagaga a nefa dia tsy ho sanatria ny tsy fananam-bola no tsy hisintahana kely any an-toeran-kafa mba hiala voly... vacances ! hoe...

Ny mahalasa ny saiko indrindra indrindra dia ny fiantraikan'izany eo amin'ny lafim-piainana rehetra, na amin'ny arak'asa na amin'ny ara-tsaina fa indrindra amin'ny ara-panahy! Ny Fiangonana zara raha misy ora hisokafany, afa-tsy ireo Fiangonana manan-tantara, tsidihin'ny Mpivahiny sy Mpizahatany (pèlerins et touristes)... asa angaha noho ny vola kely mba ampidirin'ny rakitra ao koa! Iza no mahita?

Ny Mpiangona koa moa, na ny alahady aza tsy hita hoe aiza no misy azy!

Fa ny mahatsikaiky, rehefa mifanala eo diamahita hevitra ny Mpitondra fivavahana sasany hoe: 'Ndao hianatra an'i Jesoa hitory teny eny amoron-dranomasina! Dia hoy ny sasany hoe olona miboridana ve no hampivavahana tsy hanahirana!

Ny an'ny Mompera iray dia hevi-dratsy iray ihany no mameno ny sainy raha sanatria izany no ho tanteraka, satria ny mpiangona miboridana! inona ary hoy ianao izany hevi-dratsy mameno ny sainy izany? 

Tsy azonao veroka mihitsy angamba satria zavatra hafa no heverinao! Amin'ny fotoanan'ny rakitra, lasa ny sainy hoe : aiza no hangalany ny vola hataony rakitra!

Aza misy anie izany!

JMJ

harilova | 13 Jolay, 2008 11:15

Manao ahoana daholo!

Saika mba ho any Sidney aho ry 'reto dia nanao kaonty dia hoe ohatrinona ny vola lany amin'io? Fihaonana ve io sa vacances? Asa re! Azon'ny fakam-panahin'i Jodasy aho hoe : raha mba izao no hanasoavana ny mahantra!

jereo eto ny tohiny fa tena tsiss fotoana firy! sao miakatra eto ny fakitiora! Dia veloma be ho an'izay tsy mankany Sidney miaraka amin'ny Papa!

1 2 3 ... 25 26 27  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb