"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 10 Desambra, 2006 13:54
Injao misy feo miantso any an'efitra : "amboary ny lalan'ny Tompo" (Lk 3,4). Hira maredona ataon'ny Katolika amin'ny andro fiaviana ireo, ary hira mifono zava-dalina tokoa :
Injao misy feo miantso mafy any an'efitra :
Fa nahoana no any an'efitra no miantsoantso i Jaona Mpanao Batisa? Ataoko fa ny antony itanisan'i Lioka ireo mpitondra sy mpanapaka fahizany mialoha ny hilazany an'i Jaona (vakio) dia mba hanamafisany ny hasarobidian'ny tany efitra : tsy ny fahefan'olombelona no entin'Andriamanitra mitory ny filazan-tsarany fa ny fahatsoran'i Jaona. Manampy antsika hanatsara ny toe-po enti-mivavaka izany, tsy ny rentirenty loatra fa ny fahatsoram-po. Toy izany koa ny toeram-pivavahana hivondronantsika, amin'ny fahatsapana ny hasarobidin'ny "fahanginana".
Amboary ny lalan'ny Tompo!
Tsy hoe anamboary lalana ny Tompo, fa hoe : Amboary ny Lalan'ny Tompo. Lalana efa voasoritry ny Tompo io araka izany, fa isika kosa no antsoiny hanatsara azy, hamerina azy amin'ny laoniny : izay no fibebahana. Matetika manko, tsy isika no mizotra ny lalan'ny Tompo, fa Izy no terentsika hanaraka ny sitrapontsika...
Tsy fiandrasana loatra araka izany ny Fiaviana fa Lalana hizorana mandeha hitsena ny Tompo.
Efa eny an-dalana ve ianao?
(tohiny)
harilova | 08 Desambra, 2006 00:15
Masina Maria tsy azon-keloka : 8 desambra 1854 nambara mazava ho anisan'ny foto-pinoana katolika. Tsy hoe didy jadona tsy maintsy hinoana tsy akory no anton'ny DOGME (foto-pinoana) fa kosa mba hisorohana ny resa-be tsy misy farany, izay mazana vokatry ny tsy fahampianan'ny fandalinana, na dia eo amin'ny samy mpino katolika aza.
Ny Fankalazana an'i Masina Maria tsy azon-keloka (immaculée conception) dia ho an'ny Katolika, fa fety hitambaran'ny rehetra, indrindra any Eoropa, satria tsy hiasana fa handraisan-karama sy hahafahana mahazo kely amin'ny varotra sarimasina... Tsy ady hevitra amin'ny resaka Masina Maria na resaka fahotana tamin'ny fototra no holazaiko aminao eto, azo resahana amin'ny manaraka ireo, fa kosa, ny maha-zava-dehibe ity fety ity ho antsika...
Raha tsy voakasiky ny fahotana i Maria satria nofidiana ho renin'ny Mpahary azy dia mazava loatra fa fahasoavan'Andriamanitra izany, Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ... Ny fety androany dia tokony ho fanavaozana koa ny hadiovam-pon'ny Zanak'i Masina Maria rehetra, izay nahazo koa ny fahasoavan'ny batemy, manala ny fahotana rehetra... ary mbola afaka manararaotra ny famelan-keloky ny Fampihavanana...
Ny lalana tokana hahafahana mitandrina izany hadiovana izany anefa dia tsy misy afa-tsy ny "lalan'ny TENY TONGA NOFO", nosantarin'i Maria tamin'ny fiarahaban'ny anjely (Lk 1,28), fa kosa notohizany mandrakariva tamin'ny fandinihana izany rehetra nitranga momba an'i Jesoa tao am-pony (Lk 2,51)...
Raha tsy tonga nofo eo amin'ny fiainantsika ny teny, tsy ho afaka ny hiombona amin'ny hafalian'i Maria isika, tsy izy no hivavahana, fa modely sy mpitari-dalana izy, tsy ho azontsika atao tsinontsikona ny anjara toeran'i Maria satria na ny hilaza aza isika fa i Jesoa irery no modely, nandray anjara tamin'ny fanabeazana an'i Jesoa i Maria, mazava ny Soratra Masina milaza fa nanaiky an'i Josefa sy Maria i Jesoa (Lk 2,51).
Ankoatry ny fanampian'ny fahasoavana dia lalana lavitr'ezaka no tsy maintsy hizorana mba hahatonga nofo ny Teny... Mila ny vavaka, fa indrindra ny fahatsiarovan-tena fa nivavaka, izany hoe : afaka mametraka mandrakariva ny fanontaniana hoe : inona no nolazain'Andriamanitra tamiko teo amin'ny fiainako? Inona no sitraky ny fony hataoko? Izay no vavaka...
Arahaba ry Maria... Feno hasoavana, dia ho sanatria ho adalana ve? Sanatria anie izany...
(tohiny)harilova | 02 Desambra, 2006 10:07
Fotoana maha-advantista ny katolika ireto herinandro telon’ny fiaviana ireto. Amin’ity taona ity(2006) no fohy indrindra io fotoana io. Maha- advantista ny katolika satria mandritra ireto fotoana ireto no iandrasany ny “fiavian’ilay efa tonga sady miara-monina mandrakariva amin’izy ireo.
Izay no misterin’ny Fiaviana, mampisy fotony ny finoan’ny Kristianina. Tsy hoe sanatria toy ny foto-pisainana grika tsy akory ka ny omaly tsy miova (cyclique) fa kosa finoana tonga tantaram-piainana ka ny tsirairay afaka manavao mandrakariva ny finoany mifandraika amin’ny zava-baobao entin’ny Tantara (linéaire).
Ny foto-pisainana kristianina izay mizotra manaraka ny tantara (linéaire) araka izany dia hitrangana fiovana, mariky ny fandrosoana. Tsy ny foto-pinoana sanatria no miova, fa ny fahafahan’ny olona mandalina sy maneho izany finoana izany no mivoatra araka ny tantara. Izay no maha-mistery[1] an’Andriamanitra : tsy hoe tsy azo sainina, fa kosa tsy mety ho takatry ny saina ho amin’ny hafenoany...
Izay fiainam-pinoana nifandimbiasan’ny taona maro izay no mampisy hasiny ny lovam-panahy (tradition), tsy ho amin’ny fanoroan-dalana fotsiny fa indrindra indrindra harena mitondra amin’ny fivoarana. Fivoarana manao ahoana anefa no ho lazaina amin’ny sehatry ny finoana?
Fivoaran’ny taona litorjika miverimberina isan-taona ve? Tsy izany sanatria, fa fivoaran’ny fiainam-panahin’ny tsirairay. Izany no nahatonga ny Fiangonana katolika handrafitra ny atao hoe : taona litorjika, tsy famerimberenana ny mahazatra tsy akory fa mba hahafahan’ny Kristianina mandinika sy mankalaza amin’ny hafenoany ny fiainan’i Kristy, fa indrindra ireo heverina ho manan-danja indrindra : ny fahatongavany ho nofo (noely) sy ny nahafatesany ka nitsanganany ho velona (paska).
Ankoatra izay fahafahana mandinika ny fiainan’i Kristy izay dia mba hahafahana mitsinjara koa ny hamakiana ny baiboly manontolo araka izay azo atao mandritra ny telo taona (dia izany no mampisy ny taona A-B-D).
Ny Fiaviana (adventus) dia ny fotoana mialoha ny noely, hanomanana ny krismasy. Nanjary nifangaro amin’ny busness isan-karazany moa izany, ka mazàna ny ara-panahy mandefitra amin’ny fanomanana ny fety hahazoana fahafinaretana sy tombontsoa.
Araka ny lovam-panahy izay tsy dia fampiasa firy intsony amin’ny fiangonana maro, misy ny labozia efatra miaraka amin’ny fehezam-boninkazon’ny fiaviana (couronne de l’avent), manambara ny fifandraisan’ny tantara (azo jerena eto).
Mankalaza ny Fiaviana ny katolika, fa na izay tsy katolika aza afaka misintona lesona hanatsarana ny fiainana lalandava, mba tsy ho ny omaly tsy miova ny fiainana fa na zavatra mitovy aza no atao, ny fomba sy ny toe-tsaina hanaovana azy, azo hatsaraina mandrakariva...
Tsy adalana tsy akory ny mamerimberina fa fanamafisana mba ho “antitra” (“mamerina indroa manana ny antitra”), izany hoe manana ny fahamatorana izay tsy azo indray maka fa ezaka tsikelikely. Aza matahotra fa hiverina Janoary isika aorian’ity volana desambra ity, saingy mandiniha tena ny amin’ny fiovana tsapanao ao anatinao, sao mba misy ezaka azo atao ihany ho entina miandry ny Tompo...
harilova | 23 Novambra, 2006 21:46
Mankalaza an'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao ny katolika amin'ny alahady faran'ny taona litorjika (1). Zavatra roa no tiako hozaraina aminao eto : ny momba an'i Kristy Mpanjaka sy ny vokatr'izay eo amin'ny fiainan'ny Vahoakany...
1- Kristy Mpanjaka :
Tamin'ny alahady teo dia novakiana tao am-piangona amin'ny fanompoam-pivavahana Katolika ny Evanjely nosoratan'i Marka (13, 23-32). Efa fanomanana ny fety io Vaovao Mahafaly io satria milaza ilay Zanak'olona tsy mahalala ny farandro... Andriamanitra voafetra ve izany ilay Jesoa Mpanjaka? Tsy dia izay loatra angamba fa kosa mampianatra antsika ny fahalalana sy ny fiaikena ny fetran'ny tena... Tsy anisan'izao tontolo izao ny Fanjakany... (Jn 18,33-37) marina izany satria raha jerena ny tantaram-piainan'ity Mpanjaka ity dia tsy araka ny heverin'ny kristianina loatra indraindray ka matetika mahamenatra azy ny haneho izany toe-piainana izany araka ny tokony ho izy : teraka tao an-tranon'ondry na omby, dia mazavaloatra fa ny lalitra sy ny fofon-tain'omby no nitsena azy tonga tety an-tany ; avy eo tsy afa-pana akory dia nandositra sesitany tany Ejipta ; vao lehibebe dia nadi-doha nilentika tany an-Tempoly ; avy eo nanomboka nandrafitra nanampy an-dRazozefa rainy ; avy eo niezaka ny hanabe ireo roambinin'ny folo lahy, saingy "tsy nahavita" nanova hevitra an'i Jodasy akory ; noendrikendrehana ho mpanongam-panjakana ka voaheloka ho faty, ny tena marina moa dia nanembatsembana ny tombotsoan'ny lehiben'ny Mpisorona noho ny teny nolazainy... dia maty tamin'ny fahafatesana mahafa-baraka. Rehefa nitsangana inday dia tsy mba niseho tamin'ny vahoaka fa "ankinafinafina" tamin'ny Mpianatra ihany... hita dia tsy hita indray, avy eo dia nipoitra indray afaka havaloana dia avy eo laza any "an-danitra"... Fa Mpanjaka manao ahoana izany?
Rehefa mankalaza ny fetin'ny Mpanjaka anefa ny Kristianina, ny tranon'omby ovany ho tranokely mahafatifaty, mahasarika ny maso, mirentirenty fatratra eny fa na dia ezahana hajaina aza ny endriny ...
2- Fa inona no fiantraikan'izany?
Ny fiantraikan'izany fanovana izany eo amin'ny fiainanan'ny Kristianina dia maro... Hadino ihany koa fe ny mpanjakany dia efa nanaiky hiombona anjara amin'ireo mpitsoam-ponenana matetika voatositosika... ny Mpanjakany nanaiky hifampizara ny ozon'ny hatsembohana hihinana hanina... ny mpanjakany tsy mba nanery na oviana na oviana amin'ny fibebahana sy ny finoana : na i Jodasy na ny vahoaka Jody namono azy, azony natao ny nampiasa ny fahefany hahamenatra azy ireo, saingy Mpanjakan'ny Fahafahana Izy, ka nanome ohatra ho amin'ny fandeferana, ny fahalalana ny fetra...izay fototry ny fahafahana marina... Loza ho anao raha an-tery no entinao mampita ny finoana satria na ny Mpanjakanao aza tsy nanao izany...
Ny mety hanaitra anao ary mila hotandremana fatratra, efa nolazaiko taminao ihany dia ity : tsy ny firesahanao azy na ny firesahanao aminy (2) no hahavonjy anao fa ny fitiavanao azy ao amin’ireo endrika tiany hisehoana ireo : ny mahantra, ny mijaly tsy manan-kianteherana, ny marary, ny any an-tranomaizina… noho ny fitiavana… Mpanjakan’ny Fitiavana io Mpanjaka io… Tandremo fa mety hialoha anao any amin’ny Fanjakan’ny lanitra ny vehivavy janga sy ny hafa heverina ho mpanota…
3- Kristianina o! Indro ny Mpanjakanao...
Tsy mora ny mahay mahita an’i Kristy ao amin’ny mahantra raha toa ka beazina hitondra tena toy ny eo anatrehan’ny "mpanjaka araka an'izao tontolo izao" isika (3)… Fa nahoana no tsy hekena ho tonga any ampiangoanan ny fahazarana eny anivon'ny fiaraha-monina? Satria ve ratsy? Rehefa mahita ny olona miresaka am-piangonana aho dia faly na dia ho fanafintohinana ho an’ny Mpitondra fiangonana maro aza izany. Nahoana? Satria hoy aho hoe sahy maneho ny fifankatiavany eo anatrehan’ny mpanjakany ny Kristianina. Fa firifiry moa ny ao am-piangonana, milaza ho vahoakan’ny Mpanjakan’izao tontolo izao, no tsy mifampiteny akory, mifanao an-dolom-po… dia hodiana tsy hita fotsiny. Ankoatra izany anefa, tsy ny tsy hiresahan'izy ireo no mety hanekeko ny hampanginana azy ireo fa kosa hanampy azy ireo bebe kokoa hiresaka amin'ny Mpanjakany, tsy azo hanadinoina manko ny hiresaka amin’ny mpanjaka ao anatin'ny Fivavahana (4) fa izany no hanampy antsika hahita Azy ao amin'ny mahantra sy ny kamboty.
(1) Momba ity faran'ny taona ity dia samia manao fandinihan-tena ny niainany ny Evanjely nosoratran'i Marka : I Jesoa Kristy, Zanak'Andriamanitra. Ny fahamatoran'ny finoana nitondran'i Marka antsika dia ireto :Fa ianao, rehefa manoloana ny fahasahiranana, manoloana ny fahoriana, manoloana ny fijaliana, iza i Kristy ho anao? io no lalana natoron'i Marka nandritra ny taona litorjika...
(2) Hafa ny miresaka aminy, afa ny miresaka azy ( jereo ny momba ny vavaka)… maro no mahay miresaka Azy sy ny momba Azy fa vitsy no mahay miresaka aminy…
(3) Mpanjakan'izao tontolo izao i Kristy fa tsy niseho na oviana na oviana ho toy ny Mpanjaka heverintsika amin'ny fisainan'izao tontolo izao
(4) Rehefa avy mivoaka ny fiangonana ianao, milaza fa avy nivavaka dia mba manontania moa tena hoe inona no noresahako taminy (mety efa noheritreretina mialoha iny) fa indrindra ny hoe : " Dia inona no mba nolazainy tamiko?". Raha tsy misy valiny ireo roa ireo, tsy niresaka taminy ianao, noho izany "tsy" nivavaka... asa naninona?
harilova | 15 Novambra, 2006 22:53
Aza gaga ianao raha toa ka maro no tsy miditra am-Piangonana intsony, noho ny ataon'ny namany mpivavaka, na ny mpitondra fivavahana... tafintohina izy ireny. Mety hanome tsiny azy ireny ianao hanao hoe : ny adalany ny azy fa angaha mompera na Pastera no ivavahana?
Tsy ny rehetra no nianatra sy nandalina katesizy sy sekoly alahady ka afaka hahatakatra ny atao hoe : Ny olona no fiangonana... Tsy ny silamo rehetra no hamaky ny Coran ka hahita ny Soraty [37,42 sns] milaza fa izay manao asa soa no ho any am-paradisa, tsy ho tratry ny fahafatesana faharoa amin'ny andro fitsarana...
Ny fifampitsikerana, na amin'ny samy mpino (mety ho mitovy antokom-pinoana aza) na amin'ny mpino sy ny tsy mpino dia tsy mba nanova ny andaniny sy ny an-kilany ho amin'ny tsaratsara kokoa fa nampisy ady sy fifandirana, lonilony sy valifaty tsy mbola levon'ny taranaka arivo taona aty aoriana...
Ny fivavahana kristianina, nararaotin'ny Mpanjaka sy ny Mpanao politika hanitarana ny fanjakany, sady hanampy azy ireo amin'ny fifehezana ny vahoaka... raha toa ka ny fiadiana amin'ny hevi-diso isan-karazany momba ny foto-pinoana no nimasoana talohan'izany...
Nisy ihany ireo nahatsiaro tena fa efa tafahoatra loatra ny fanararaotam-pahefana sy ny fahalovana, indrindra tao anivon'ny fitantanana, dia nanapa-kevitra ny hisintaka... tsy nanova zavatra firy fa vao mainka aza nanitatra indray ny fery...
Misaotra an'Andriamanitra isika fa mahay miara-monina ny mpino... tsy azo adinoina ny ady an-trano nisy tany Eoropa (nifanaovan'ny Katolika sy ny Protestanta)....Lava be raha hotohizana e
Nahoana no miady ny mpino samy mpino? na kristianina na silamo?... Mpitory fiadanana hoe no dikan'ny islam (Fiadanana) nefa rehefa lazaina ho "masina" ny ady (Djihad) dia tsy haiko intsony ny hamaritana ny atao hoe Fiadanana... paix...pax...fandriam-pahalemana sa mandry an-driran'antsy? satria ny fiadiana enti-matory ary mody "tsy miady tsy miady fa ny kobay an-kelika ihany!"...
Tsy milaza aho hoe tsy mahasoa ny tsikera na hoe tsy ilaina sanatria, fa kosa mialoha (fa raha tsy nahavita, tsy tara na atao aoriana aza) ny hitsikerana ny hafa, mba jereo koa ny nataonao...
Sao sanatrian'izany isika miambo ho kristianina, ho voaheloka, fa ireo nanao soa tamin'ny mahantra (nefa tsy nahalala an'i Kristy akory hoy ny Evanjely) no ho voavonjy?... Evanjely amaranan'ny Katolika ny Taona litorjika io ka mampandinika ahy fatratra hoe : miverina ihany isan-taona, fa misy vokany amin'ny toe-piainana ve? Amin'ity taona ity izao dia hoy ny Evanjely hoe "Tsy anisan'izao tontolo izao ny Fanjakan'i Kristy"... dia tohizan'ny zava-misy hoe "na izany aza dia miady ny oloko mba ho anisan'izay matanjaka indrindra amin'izao tontolo izao"... dia samy mihambo ho mpanara-dia azy...
Sao ireo milaza hoe "oviana no mba nahita anao izahay ry Jesoa..." no ho voavonjy? Mampandinika ihany amin'ny toe-tsaina hoenti-mifandray amin'ny hafa finoana, na amin'ny tsara sitra-po tsy mino akory...
Fa matoa izy ireny tsy mino... misy antony...
(tohiny)
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||