DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Rakitra! no hotatazana!

harilova | 20 Mey, 2008 00:18

Mamaky ity Vaovao eto an-toerana ity aho dia tonga saina mandinika ny hoe : atao RAKITRA!

Inona tokoa moa ny hevitry ny teny hoe RAKITRA? Noraisiko ny Rakibolana dia kokarohiko tao ny mety ho dikany : "Vola angonina tsikelikely atao tahiry; harena na zava-tsoa sarobidy voatahiry; toerana misy ny vola angonina.... vola tatazana amin'ny vory vahoaka, indrindra ao am-piangonan..."

Dia vao mainka lasa ny saiko amin'ny fahazarana hatry ny fony kely handeha "hanakalo vola hatao rakitra". Raha tahiry aloha no hilazaana ny rakitra dia ambimbava izany no angonina... Asa na ohatrinona izay no voahangona tao am-piangonana!!!

Dia lasa ihany ny saiko hoe, naninona no nolosoina vilia fisaka ny fitatazan-drakitry ny sasany? Mba hahitana izay arotsaky ny hafa ve sa mba hisehoan'ny manan-katao hoe mahavita be? Ny fisehoana ho mahavita be manko dia efa nisy hatrizay. Dia lasa ny saiko mandinika ilay Mpananon-tena noderain'i Kristy ho nahavita be indrindra (vakio eto) satria tsy nandrotraka ny ambim-bava fa izay mety ho nilainy amin'ny hivelomany.

Fa mba azon'ny olona anefa ve, atomboka amin'ny pastera sy mompera ny tena dikan'ity rakitra atao ity? Ny Mpitondra fivavahana matahotra ny ho voampanga ho mpihinam-bolam-piangonana sy mpitady vola fotsiny dia tsy mahasahy miteny loatra ny resa-bola. Ny Mpiangona rahateo etsy an-kilany enti-mpahazarana amin'ny tehirizo atao rakitra ny vola madinika!

Oviana re vao mba hodinihina ao an-tokantrano kristianina ny teti-bola hoenti-mandray anjara amin'ny fiainam-piangonana sy ho fitsinjovana ny mahantra e! Dia amin'izay mba  hifanontany hoe : ohatrinona no atolotsika ny fiangonana ho fandraisana anjara amin'ny kitapom-bola?

Asa angamba rehefa hiova ny feon-dakolosin-dry Mopoera ka tsy hanao "Izay tonga lany intsony"! Amin'izay manko vao misy rakitra araka ny raki-bolana!!!!

Sa asiana vidim-pidirana koa ny Fiangonana kelikely???? 

 

Lanitra! Miakatra sa midina?

harilova | 01 Mey, 2008 01:20

Mandinika ny fetin'ny ascension (Fiakarana) ity aho dia mandinika ihany hoe inona moa no dikan'izany? fialan-tsasatra tsy hiasana handraisam-bola ihany ve sa mba misy heviny manokana? (Amin'ny firenena hafa moa dia tsy ankalazaina amin'ny andro faha-efapolo io fa amin'ny alahady manaraka!!)
Dia lasa koa ny saiko hoe aiza ho aiza no misy ity lanitra ity! Raha niakatra i Jesoa, tany Jerosalema no niakarany, asa tamin'ny ora fahafiry! tolak'andro hoe! Fa niakatra nankaiza? nankany amin'ny Ray ve?
Fa angaha tsy amin'ny toerana rehetra andriamanitra! Ka nahoana no mila miakatra?
Dia lasa ny saiko hoe : ny olona hoe mody any amin'ny Ray rehefa maty (amin'ny alahelo lehibe ny ilazana izany fodiana any amin'ny Ray izany!) Toa zavatra mifanohitra raha amin'ny foto-pisainana kristianina no hamakiana azy!
Ka raha nody any amin'ny Ray ny maty, ngaha any am-pasana no misy ny Ray? Toa lasa nidina fa tsy lasa niakatra! Sa izany angaha no voatery hilazana azy amin'alahelo lehibe!
tsy manamaivana ny fisarahana sy ny alahelo vokatry ny fahafatesana aho tsy akory. Mba manana traikefam-pisarahana ihany aho ka mahatsapa ny hangirifiriny... saingy kosa mandinika ihany ny amin'ny fety ankalazaina toy itony!
 
Ny valin-teny hany hitako dia hoe azo adika hoe "tsy taka-maso ny lanitra" Tonga tsy hitan'ny masony intsony hoy Lioka . Dia amin'ny toerana rehetra tokoa Andriamanitra saingy tsy hitan'ny maso! Tsy renesin'ny sofina!Tsy tsapain'ny tanana! satria Fitiavana Izy!
Dia lasa ny saiko hoe : azo lazaina ho fitiavana ve ny asa soa efa hahazoana dera sahady ety an-tany?
Mba hahafahana miakatra any amin'ny "tsy takatry ny maso", dia mila mahazo ny lazain'i Kristy hoe : "Raha manao soa ianao, manao asa fiantrana (fitiavana) dia aoka ny tananao havia tsy hahalana izay ataon'ny havanana", sy ny hoe "raha mivavaka ianao, dia midira ao an-tranonao, ary mivavaha amin'ny Rainao izay mahita ny "tsy takatry ny maso"!!!
Ny maso mamaky, ny fo mieritreritra e! 
 

Benoit XVI : arahabaina ianao

harilova | 15 Aprily, 2008 23:18

Tena milay kosa ny revin'ny Papa fa any Amerika no hankalaza verisera a! Feno 81 taona ny 16 izany izy!

Mba namaky le tantara-piainany am versaire ambony io aho dia nahita hoe izay koa izao no antony nifidiany ilay anarana Benohita io, fa teraka ny Sa botsy mialoha ny Paka ny taona 1927 izy, sady "Le Sabotsy" izany no fetin'i Md Benoit ao amin'ny tetiandro litorjika!!!!

Dia Vive l'Amerika e! Asa koa moa raha nitsoaka ny Tonton'Ikalamako, [ilay arrogant hoe= midingin-drambo], mba tsy hanaovany pub indray hoe: Ny Papa noraisin'i Berlusconi!

Ahoana tokoa moa izany? Tahaka ny hoe : noraisin'ny tantsaha mpamokatra teny anaty bozaka ny filoha Ravalomanana! Sa hoe : noraisin'ny Filoha teny amin'ny Lapam-panjakana ny tantsaha!!!

Amin'ny teny italiana io tena mihavaka fa am teny malagasy toa mety avokoa, sady tsy dia mandratra sofina lohatra na iza na iza mandray!

Amin'ny italiana manko dia "il Papa riceve" na "il Papa rende visita" dia lasa hoe "Berlusconi riceve", izany hoe izay ambony no mandray, ary rehefa raisina dia tsy lazaina hoe raisina fa hoe mamangy!!!!! lol

Toa mankarary an-doha!

 

Fa amin'ny Sabotsy indray dia mahatsiaro ny faha-telo taona nahavoafidy azy ho Papa!! Fety be mifanesisesy izany e!

 

 

 

 

Na izany na tsy izany : Vive le Pape! Toa ea Papì hoy ny sasany! NONNO!!! 

 

 

Berilosikaony!

harilova | 15 Aprily, 2008 10:08

Miarahaba an'Ikalamako izany fa nandresy Tonton e!

Izahay izao misaona fa tsy nandresy intsony ny Avana (Arcobaleno). Atao ahoana moa fa noho ny tsy fahompiazan'ny Maherifo (Prodi) dia manjaka ny Belarosy kony O?

Ny mahagaga ahy dia ny resaky ny olona maheno ny  resaky ny olona manoloana ny vokam-pifidianana : nandritra ny propagandy dia nanohana izay notohanany fa rehefa fantatra ny vokatra dia toa samy manohana an'i Berlusconi avy indray! Mahagaga. Matoa moa izy lany dia nisy nifidy

Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

harilova | 07 Aprily, 2008 17:01

nalaza naneran-tany ny fako taty Naples, ary mbola hanalan-dry 'Kalamako anay eo foana moa izany. Ny tena nahalasa ny saiko anefa rehefa mba mandeha mamangy ireo fianakaviana Napoletana fantatro aty aho ny hakanton'ny ao an-tranony. Fomba fiteny ny hoe Madio ivelany tahaka ny fasana, fa ity fomba fiainan'ny olona aty tsy hitako izay hilazana azy.

Quartieri SanitàRaha lazaina hoe tsy dia miraharaha ny ivelany, fa manome lanja ny ao anaty! Toa tsy marina loatra. toa Tanin'ny herisetra sy ny horohoro koa i Naples amin'ireo Camorrista (karazana Mafia izay fantatry ny maro, na dia tsy mitovy loatra aza). Dia inona ary ny Kolontsaina voizin'izany? Matetika isika no manarasty tena tahaka ny omby hantsika saingy ny Fanabeazana hikolokolo ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miaina no tsy ampy.

Vokatr'izany dia tsy misy miraharaha loatra izay hitambarana amin'ny hafa. Manambara izany ny building (palazzo) hiarahana mipetraka dia saika voretra be daholo ny ivelany, saingy raha villa manokana dia tahaka ny inona ny hatsarany!!! raha tsy hilaza afa-tsy ny fako aparitaka eran'ny arabe saingy tsy hitanao na ny misy ny fanariam-pako aza ao an-trano.

autre version

 

Tsy fanakianana be fahatany no tiako hifampizarana aminareo etoana satria maro koa ny zava-tsoan'i Naples (vedere Napoli e morire) saingy mba hanampy antsika hahatsapa tena amin'ny fibeazan-tena ho olom-banona, tsy andevozin'ny fitiavan-tena fa misokatra ho an'ny soa toavina iombonan'ny rehetra.

 

Izaho aza mba manontany tena amin'ny lesona azoko raisina amin'ny zava-baovao sendra ahy isan'andro.

 

.

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 ... 25 26 27  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb