"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 06 Septambra, 2006 14:55
Tena mampioron-koditra ny maheno fa indrindra ny mahita ity ady tsy misy farany ity. Vaovao alefan'ny TV Italiana matetika ny fandehanan'ny miaramilany misatro-manga hampandry tany any Liban.
Fa inona moa ny Fandriampahalemana?
Ara-bakiteny (foto-teny : mandry sy alina) dia ny fahafahana matory tsara amin'ny alina no atao hoe fandriam-pahalemana. Ny mifanohitra aminy dia ny mandry tsy lavo loha...
PAX, PAIX na PACE... Shalom sy Shalam... dia enti-milaza ny fandriam-pahalemana izay manjary mitovy hevitra amin'ny hoe fiadanana ...
Ny tiako hifampizarana aminao fotsiny dia izao : ilay ohabolana anglisy malaza hoe : Charity begins at home, manomboka ao an-trano ny fifampitsinjovana. Tsy afaka ny hanome fiadanana ny hafa ianao raha tsy ianao mihitsy aloha no efa miaina izany fiadanana izany...
Dia ahoana no hahafahana miaina ny fiadanana?
harilova | 11 Aogositra, 2006 16:13
Fotoana hirosoan'ny ankamaroan'ny olona amin'ny dingam-piainana manaraka izao fotoana izao...
Ho an'Antananarivo manokana, eo amin'ny s ehatry ny fivavahana katolika dia mazàna amin'izao fotoana izao no hirosoan'ireo pretra sy relijiozy amin'ny Sakramenta sy ny Voady... tsy vitsy koa anefa ireo miroso ho amin'ny fanambadiana... dingam-piainana izany.
Ny tiako hisarihana ny sainao fotsiny dia izao : na ny voady (farany hoe!) ataon'ny relijiozy, na ny fanomezan-toky ataon'ny mpivady dia samy dingam-piainana nefa koa samy mandrakizay...
Mety ho gaga ianao hoe fa inona moa no olana amin'izany! Dia eo indrindra no olana...
...Dingana ho amin'ny mandrakizay izy io, tsy tanjona fa dingana...
Raha mahatsapa ny Relijiozy sy ny Pretra fa dingana no ataony fa tsy famaranana lalana dia tsy dingana ho amin'ny fihatoana tsy akory fa fanombohana dingana ho amin'ny mandrakizay ka izorana tsy ampisalasalana intsony ho amin'ny lalam-pahamasinana...
Dia toraka izany koa, raha raisin'ny mpivady ho dingam-piainana ny andron'ny mariazy, dia ho zary fanohitra lehibe ny fahatsapana fa hay moa olombelona ilay silaky ny aina nifanolorana fitiavana ka na mitoetra sy miha-mitombo aza ny fahitana ireo toetra mambabo, dia tsy ilaozan'ny tandra vadin-koditra, izay handrefesana ny halalin'ny fitiavana ka hahatonga ny fanambadiana ho sakramentan'ny Fitiavana, dia ilay Fitiavana nahatratra ny fahataperany teo ambony hazofijaliana rehefa nanaiky ho faty ho an'ny mpanota ilay tsy manan-keloka...
Fa na eo amin'ny sehatry ny asa aza, raha heverin'ny tanora nahavita fianarana ho dingam-piainana ny firosoany eo amin'ny tontolon'ny asa, dia minoa ahy ianareo fa ho lasa lavitra ity Firenentsika ity...
Tiako ary ampahatsiahiviko anao, na dia tsy mbola haintsika aza ny miaina azy ilay sombiteny malaza hoe : "sahia manao dingana lehibe"
(tohiny)harilova | 03 Aogositra, 2006 13:35
Entiko hamaritana ny atao hoe : FANABEAZANA, ny hoe "Fikatsahana ny Fanjakan'Andnriamanitra", araka ny Soratra Masina (Mt 13, 44-46ss). Araka ny voasoratra ao manko dia tahaka ny voahangy sarobidy ny Fanjakan'ny Lanitra, ka izay mahita azy dia hivarotra ny voahangy efa voahangony ka hividy io voahangy tsara io;
Araka izany, ny asan'ny mpanabe, indrindra ireo nahazo andraikitra manokana hanabe ara-pinoana (Raiamandreny, Mpampianatra sekoly alahady sy katesizy...) ny manampy ireo olona ankinina aminy hikaroka io voahangy tsara io, hikaroka ilay rakitra nafenina tany an-tsaha.
Marina fa araka ny fomba fitantaran'ny Vaovao Mahafaly dia mety tsy ho natao anton'asa ny fitadiavana na ny rakitra na ny voahangy, fa kosa eo am-piasana ny saha na eny am-pitsangatsanganana, nefa tsy maintsy hanao ezaka hividy ny saha... Mety ho anton'asa koa anefa, toy ilay mpivarotra mitady voahangy lafo vidy!!!
Fa ny tsy azo lavina fa lalana iray tsy maintsy hizoran'ny fiainana dia ny fahafoizana...
Ny fanabeazana rehetra dia fanabeazana hahafoy izay nanana mba hananana tsaratsara kokoa. Ny tena mpanabe araka izany dia tsy sanatria izay manery ny beaziny hanary na hivarotra sahady ny kely ananay mialoha ny hahitana izay tsaratsara kokoa...
Ny fampitana ny soatoavina (valeur) no tena fanabeazana ary marika handrefesana ny fanabeazana mahomby ny fahafohizan'ny beazina izay nananany hilofosany hahazo ny tsaratsara kokoa, mandrapahitany ny tsara indrindra.
Tandremana anefa satria anisan'ny fahosan'ny olombelona ny mety hahadiso ny fiheverana ny atao he tsara (conscience erronée)
harilova | 26 Jolay, 2006 03:51
Tsy nanam-potoana hanoratana Blaogy ho anao aho elaela izay satria tena tsy nanam-potoana firy aho fa vacances ny dabiliom-pianarana fa izaho kosa nitombo ny asa niandraiketana.
Fialan-tsasatra hoy isika, nefa araka ny tsapako, asa raha miombon-kevitra amiko ianao, toa vao maika fotoana tsy misy ialana sasatra.
Tsy hiditra amin'ny famakafakana ny dikan-teny loatra aho fa sao izaho no lasa "vacances" eo, izany hoe ho very toerana, satria toerana banga no tiana holazaina amin'ny hoe "Vacances";
Manampy antsika anefa izany, indrindra izay te hampiasa ny fotoana toy itony ho amin'ny mahasoa, handamina ny tokony hatao.
Araka izany, rehefa vacances ny andro, ny dabilio any an-tsekoly no vacances fa tsy ny Mpianatra, izay no maha- 'pluriel' azy mandrakariva fa maromaro angamba ny dabilio;
Mazana anefa mifamadika ny rasa, ny mpianatra indray no lasa vacances fa tsy ny sekoly, izany hoe tsy mandraharaha ny fianarany intsony ny mpianatra raha tsy amin'ny fidirana indray.
Ny ankamaroan'ny fomba aty an-dafy izay heverina hampidirina koa amin'ny fampianarana ambony any amintsika, amin'ny fanangonana credits (système LMD) dia mahatonga fitohizana sy fifampiankinan'ny taom-pianarana, ka tsy hahafahana manadino izay nianarana satria manko mitohy tanteraka ny fampianarana sady mifampiankina.
Ny antsika any Madagasikara moa, indrindra ho an'ny zanaky ny Mpamboly dia fotoan'ny fiasana tany ny fialan-tsasatry ny sekoly izany hoe fotoana mahabe ny asa. Ho an'ny aty Europa kosa dia amin'ny fotoana mafana be tsy hahafahana miasa no anaovana ny vacances, ary mahagaga ahy fa maro no manemotra ny fanadinana ho amin'ny session faharoa amin'ny septembre, izany hoe manararaotra ny vacances (fahabangan'ny dabilion-tsekoly) ho fotoana fanomanana fanadinana.
Dia irariako tsy ho toa ahy ianareo fa izaho manko tamin'ity vacances ity vao mainka matory tara, mikorana sy milalao miaraka amin’ny namana satria tsy matahotra ny hatory am-pianarana (sady tsy manam-potoana ny atoandro fa samy revo manenjika asa e), dia vao mainka reraka satria na ny fotoana mba natokako ialana voly amin'ilay reraky ny fianarana iny aza lasa fotoana hanenjehana ny tsy vita noho ny fiarahana amin'ny namana na noho ny fitsangatsanganana... fa indrindra noho ny "contre-temps".
Aleo miala sasatra dia mitaona zezika...
Dia izao e...
Raha tianao hitondra fahombiazana ho an'ny taona manaraka ny fialam-boly dia tokana no torohevitro ho anao : aza avela handeha ho azy ny fotoana fa asio fandaharana mazava amin'ny fandaniana azy.
Ny hiezahako manao izao dia ny mianatra manaraka fandaharam-potoana maty paika, azoko atao samirery tsy voafehin'ny Fianarana sy ny asa, fa sady mampitombo ny fahamatorako izay no antoky ny fahasamalako... amin'izay tsy izaho no vacances (banga) fa ny toerana avelako fotoana fohy fa mbola hiverenako.
harilova | 07 Jolay, 2006 13:10
Salamo manambara fitokiana amam-pangatahaha eo anatrehan'ny fanaratsian'ny fahavalo ity Salamo ity, kanefa ihany koa salamo mamintina ny fomba hifandraisan'ny Mpino amin'Andriamanitra.
Ao anatin'ny fitantarana "ilay Mpaminany tsy masina an-taniny" moa no androsoan'ny Litorjia Katolika ny fandinihana ity Salamo ity.
I Ezekiela (2,2-5) dia voahiraka ho eo ampovoan'ny Vahoaka mafy loha sy tsy mety hihova, mba hampahatsiaro mandrakariva fa eo afovoan'ny vahoakany ny Tenin'Andriamanitra (izay no asan'ny Mpaminany).
I Paoly anefa milaza fa na eo aza izany asa sarobidy izany dia mazàna ilay voahiraka mihitsy no tonga malemy mba tsy hirehareha amin'ny fahombiazany fa hifikitra mandrakariva amin'ny fahasoavan'Andriamanitra (2Kor 12,7-10).
Dia tohizan'i Marka (6,1-6) hoe "tsy ho masina an-taniny ny mpaminany".
Lavitra ilay samy masina an-taniny fitenintsika ity. Nahoana tokoa moa no tsy zakan'ireo mpiray tanàna aminy ny maha-Mpaminany an'i Jesoa?
Tsy ho azontsika izany raha tsy verenana jerena manontolo ny fitantaran'i Marka ny atao hoe Finoana fa indrindra ilay Jesoa toa tsy mandraharaha akory ireo mpiara-belona aminy fa variana "matory" fotsiny.
Ity Salamo ity ary, dia azo heverina fa mamintina ny mety ho fifandraisantsika amin'Andriamanitra, indrindra manoloana ny mety ho olana diavina eo amin'ny Fiainana.
Fa ahoana tokoa moa izany Fiandrandràna ny tanan'ny Tompony izany? Inona no andrandraintsika avy amin'ny tanan'ny tompontsika?
Vokatr'ireo foto-pisainana roa ireo dia misy ny mpino manadino ny ezaka tokony hataony satria hoe : Andriamanitra no mandahatra ny zava-drehetra, ka izay "mahasoa ataon'Andriamanitra". Misy kosa ny madino ny Fahasoavana hahafahany miroso ara-panahy ka manao araka ny fahendreny fotsiny.
Ny famintinan'i Ignace de Loyola (mety hanampy anao) izany dia hoe "mivavaha ho toy ny miankina amin'Andriamanitra ny zava-drehetra, ary miasaha ho toy ny miankina aminao ihany koa".
Mandrisika antsika handanjalanja mandrakariva izany mba tsy ho sanatria ny fangatahana ny fahasoavana no hisosoan'ny hakamoana ka hanadinoana ny ezaka tokony hatao, na koa ho sanatria ny filofosana hanao ezaka no hanadinoana fa raha tsy "Izy" tsy mahefa na inona na inona isika.
Miandrandrà ny tanan'ny Tompontsika, matokisa Azy fa sady miaro antsika amin'ny fahavalo izy no manome izay ilaintsika. Aza adino koa anefa fa manondro izay lalana tokony hombantsika koa Izy...
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||