DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Minoa fotsiny ihany

harilova | 04 Jolay, 2006 02:38

Nahoana ary no tsy tafavoaka ny Firenena sa tsy nino? Zavatra mba tsikaritro ao amin'ny Lalam-panorenantsika anefa fa "mino an'Andriamanitra Andriananahary isika malagasy" na dia "repoblika laika" aza ka malalaka ny resaka ara-pinoana!!!

> Inona marina izy ity? Ny resaka finoana efa manjavozavo na any amin'ny tany mandroso aza. Ny "moines amin'ny endriny vaovao" lazain'i Hery ireny ve izao mivavaka am-pinoana sa amin'ny hakamoana?  Jereo eto  . Avelao any aloha izany fa raha nino isika mety ho nandroso ihany ny fiirenena!

Raha tohizina ny resaka momba ilay vehivavy nositranin'i Jesoa (Tamberina) dia tsy ny zavatra nihatra tamin'ny tenany, fa ny henony nolazaina momba an'ity Mpaminanin'i Nazareta ity no atao hoe : finoana.

Nino izy satria naheno fa nanao soa tamin'ny hafa i Jesoa. Araka izany dia tsy hiandry ny soa azontsika isika vao ho afaka hino.

Mety hilaza ianao hoe : ngah moa tsy mandroso ity firenentsika ity no lazaiko hoe tsy mbola mino? Tsy te ho mpitsara izany aho sao lazain'ny sasany ho manao fampielezan-kevitra eto. Fa izao kosa...
Angamba hoy aho, na misavoritaka aza ny fomba filazako azy, (fa sady ara-pinoana no ara-politika ): "mila mijery ny soa nataon'i Jesoa tamin'ny Firenena mandroso isika mba hinoantsika ihany koa ny atao hoe : FANDROSOANA".

Dia asa na oviana vao tena hisy "angaredona" ny fifidianana ataontsika, ka hahita fa amin'ireo firenena heveriko ho nino ny fandrosoana mazàna dia mivondrona ho antoko roa ny mpifaninana rehetra (ny hery ankavanana sy ny hery ankavia).

 Kanefa mampalahelo fa na ny ankavanana sy ankavia aza tsy mbola haintsika manavaka! na mba tsy hamely mafy kokoa satria mba nianatra ihany izy ireo, tsy hain'ny mpanao politika eto amintsika mifidy...

Dia minoa fotsiny ihany! an-dRa-Politika... fa izaho aloha zavatra efatra no inoako :

  1.  Mino ny fahefan'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra aho.
  2. Mino ny mamha-zava-boahary voafetra an-dRa-Olombelona aho.
  3. Mino ny kobaka am-bavan-dRa-Mpanao politika aho
  4. Mino ny baranahina ataon-dRa-Vahoaka tsy mandady harona aho...

Fa mbola mangataka amin'i Jeso toy ilay Raim-pianakaviana niangavy Azy aho hoe : "mino aho fa mba vonjeo re ity tsy finoako", mba hinoako koa fa "tsy hisy risoriso amin'ny fifidianana ho avy"

Minoa fotsiny ihany

harilova | 02 Jolay, 2006 01:42

Tsy zoviana amintsika ny lazan'izany teny izany, dimy taona lasa izay. Dia tena marina tokoa ve fa ampy ny mino fotsiny ihany?

Tsy resaka politika no hozaraiko aminao eto na dia tao amin'ny rivotra politika aza no nivoizana izany "slogan", nefa tenin'ny Evanjely izany fa kosa fihezahana hifampizara hoe inona tokoa ny Finoana?

Raha fakafakaintsika ireto Vakiteny ireto : Fahendrena (1, 13-24), 2Korintiana (8, 7-15) ary ny Filazantsara araka an'i Marka (5, 21-43), dia ahitantsika ny votoatin'ny atao hoe Finoana.

Ny Bokin'ny fahendrena dia manohy ny fandinihana momba ny Misterin'ny olombelona : nohariana ho sambatra sy nitovy endrika amin'Andriamanitra ny  olombelona ka nahoana no mijaly? Mafimafy kokoa moa no ilazan'ny Bokin'i Joba an'io hoe : nahoana no tra-pahoriana ny olo-marina?

Mametraka olana momba ny fahamarinan'Andriamanitra izany fijalian'ny olomarina izany, ary toa mampieritreritra hoe : "Faly mahita antsika mijaly Andriamanitra"... Tsy izany anefa...

Ny fijaliana dia manjary misy heviny hoy i Paoly fa hahafahantsika miombona amin'i Kristy sy maka tahaka azy izay nanaiky hijaly mba hamonjy antsika... Dia Izy Kristy rahateo no niezaka hanafaka ny rofy rehetra sy nanao soa tamin'izay nandalovany.

Eo am-pamakiana io Evanjely io (Mk 5, 21-43) dia niheritreritra aho hoe : dia tsy maintsy hiandry roa ambin'ny folo taona ve aho vao ho henoim-bavaka tahaka ny zanaka vavin'i Jaira na tahaka ilay vehivavy nitsi-drà?

Tsy dia izay loatra fa ireo no mampiseho amintsika fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Finoana fa tsy ezaka avy amintsika olombelona, hany ka sitrany ny manome antsika izany finoana izany, rehefa lany ny fahaizantsika olombelona, tahaka an-drazazavavy nandany vola tany amin'ny mpanao fanafody, tahaka an'i Jaira efa niandry ny  zanany vavy ho ambahoana...

Dia mino fotsiny ihany...

Amin'izay ilay finoana tsy hoe fiandrasana fotsiny izay mitranga fa kosa fitokisana amin'ny Fitiavan'Andriamanitra, manome mihoatra ny herintsika. Izay no manova ny fomba fihevitra sy ny fiainantsika, hanova ny fomba fivavahantsika satria i Kristy tsy nanao fahagagana mba hinoantsika fa mitaky ny Finoana mba hanao fahagagana.

Raha mahatsapa izany isika dia tsy hangataka intsony ny fahagagana ho tanteraka fa hangataka kosa ny Finoana hahafahany manao fahagagana eo amin'ny Fiainantsika...

Amin'izay dia ny vavaka ataontsika dia ho fisaorana zy, ho fametsovetsoana ireo soa nomeny, na ho antsika na ho an'ny hafa, ary izay fitanisana ny zava-tsoa vitany izany no hampitombo ny fitokisantsika Azy, tahaka an'ilay vehivavy nino Azy satria naheno ny lazany, ka hahatonga antsika koa hanana ilay finoana manery antsika hikasika ny rambon'akanjony : izany no fahagagana hahafahantsika milaza hoe "ampy ny mino fotsiny ihany".

 

Fahaiza-miaina (tohiny)

harilova | 28 Jiona, 2006 03:05

Resaka baolina no tantaraiko aminao eto kanefa mampandinika ihany  ka mety hanampy antsika amin'ny fanatsarana ny fahaizana miara-miaina.

Tamin'ny match Italia vs Australie no nahitako ity : rahefa avy nanome karatra mena an'i Materassi ilay mpitsara dia nimenomenona ny italiana hoe : miangatra ny mpitsara ary tena tsy mahay n'inon'inona.

Fa rehefa ho tapitra ny lalao ka nanome ilay penalty ho an'ny italiana ilay mpitsara na dia tsy ho tokony ho mbola ho penalty aza izany raha oharina amin'ireo hadisoana nataon'ny italiana koa, dia niova indray ny endrik'ilay mpitsara : "tena mahay io, tena tsara ilay mpitsara".

Dia izany no fiainantsika matetika : tsy mitsara araka ny zava-misy fa araka ny tombontsoan'ny tena sy ny mahafalifaly ny fo ihany koa.

asa lahy, mety ho manonofinofy ve i Harilova raha toa ka milaza aminao hoe tsy tokony ho izany no izy.

Mba diniho ihany....

Natory tao an-tsambokely ny Tompo

harilova | 25 Jiona, 2006 01:12

Ny Fanontaniana napetraky ny Tompo manoloana ny fisalasalan'ny Mpianatra no  zaraiko aminao : "tsy manam-pinoana ihany ve ianareo?" (Mk) na ny hoe "Ry kely finoana" (Mt) na ny an'i Lioka hoe "aiza ny finoanareo?"

Fa inona ny finoana, ary raha amiko no apetraka ireo fanontaniana ireo dia inona no avaliko Azy?

Ny Evanjely araka an'i Marka (Mc 4,35-41) no niaingako hanaovana ity fifampizarana ity aminao. Tsy nolazain'i Marka ao ny famaritan'i Jesoa ny Finoana, izay "hery" ahafahana manao zava-mahagaga hatramin'ny mahafindra tendrombohitra (Mt 17,20 na Lk 17,6).

Raha lazaina ambangovangony dia toa zavatra mandeha fatrany ny finoana ao amin'i Matio (kely na lehibe) ary misy na tsy misy ao amin'i Lioka. Tsy ny habehany anefa no inona fa ny fananana azy.

Ao amin'ny laharana faha-37-39 amin'ny taratasy ansiklika nosoratany dia manazava ny toe-po tokony hananantsika ao anatin'ny adim-piainana ny Papa. Ny taraina mety hataontsika toy ny nataon'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana hoy izy dia tsy hoe sanatria fanomezantsiny an'Andriamanitra hamela antsika ho irery fa kosa fanamafisana ny finoantsika ny Fitiavany izay tsy handao antsika na oviana na oviana.

Araka izany ary, ny Finoana dia ny fitokisana io Fitiavana izay Mahefa ny zavatra rehetra io.

Manana izany ve aho?

Ny azoko zaraina aminao dia hoe : Tsy indray andro no handalinana ny finoana, fa amin'ny fizotran'ny fiainana isan'andro vaky, ka hijerena mandrakariva hoe : "Inona no anjara toerana mba omeko an'Andriamanitra eo amin'ny Fiainako?"

Indraindray manko, efa tsy afaka manohitra ny tafiotra isika, efa nanao izay tratry ny hery, dia izay vao mahatsiaro fa "toa matory izany Tompo ka mamela antsika ho irery".

Tsy aleo ve manontany azy, mamoha azy aloha nanontany hoe : inona no tokony hataoko? izany hoe : manome Azy ny toerana... voalohany!!!


 

Ny Eokaristia Masina

harilova | 19 Jiona, 2006 01:05

Fetin'ny Sakramenta Masina omaly, ankoatra ireo fanajana fanaon'ny Fiangonana toy ny procession sy ny vavaka fitsaohana dia  nampandinika ahy fatratra ny Evanjely nosoratan'i Marka momba ny Eokaristia : Marka 14, 12-31 izay novakiana tamin'ny Sorona Masina omaly. ka zaraiko aminareo :

Misy hevitra telo notsoahiko avy amin'ny votoatin'io andalan-tSoratra Masina io :

  • and. 12-16 : ny fanomanana ny Paka
  • and. 17-21/27-31 : ny famadihan'i Jodasy sy ny fandavan'i Piera
  • ny Fankalazana ny Eokaristia

Avy amin'izay no nisintonako ireto fandinihana ireo izay heveriko mety hahasoa anao:

  1. Mila fanomanana ny fankalazana ny Eokaristia
  2. Didy avy amin'i Jesoa ny fankalazana ny Eokaristia
  3. Miantraika amin'ny fiainana ny fankalazana.
  • Ny Fanomanana ny Eokaristia :

Mila fanomanana ny fankalazana ny Eokaristia. Mba hahafahana milazany fanomanana ilaina amin'izany dia tsara ny mamaritra aloha hoe inona no tiana holazaina amin'izany Eokaristia izany. Tsy mivaona amin'ny hevitra ara-bakiteny isika mamaritra hoe : "ilay fisaorana tsara indrindra", vavaka fisaorana...

Raha vavaka fisaorana ary ny Eokaristia dia ilaina ny manomana ny fo amam-panahy amin'izany fisaorana izany. Ankoatra ny Prefasy, vavaka ataon'ny pretra manokana hisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny Lamesa, dia tokony hanana ny "prefasy" azy tsirairay koa ny mpino, hanana ny antony mahavelom-pisaorana Azy...

Indraindray anefa tsy hita loatra izay endri-pisaorana izay fa saron'ny fangatahana sy ny "ampio (omeo) ihany"...

Ny hasarobidin'izany fanomanana izany dia azontsika fintinina amin'ny lazain'ny evanjely fa efa efitrano voaomana no natolotra ny apostoly kanefa mbola mila fandaminana mba ho mendrika ny fankalazana ny Paka : ho fankalazana ny zava-mahagaga nataon'ny Tompo tamin'ny Razana...

  • Ny fankalazana ny Eokaristia :

Tsy fombafomba vokatry ny fisainana fa didy avy amin'i Kristy ny Fankalazana : tsy tompony isika fa mpamerin-doha...

Ireo lalàna sy fitsipika mifehy ny fankalazana dia tsy mamefy akory fa vao maika aza manampy antsika hifantoka amin'ny didin'i Kristy hoe : "Ataovy izao ho fahatsiarovana ahy".

Tsy didy vao noforonina omaly manko ireny fa vokatry ny Fiainam-panahy nifandovana tao amin'ny Fiangonana ka natao indrindra haneho ny fiombonana sy ny fifankatiavana...

Ny fitandrovana ny rafitra litorjika dia fitandrovana ny maha-tsimialonjafy ny Fiangonana... na aiza na aiza ianao hamonjy lamesa dia tsy hahatsiaro ho vahiny fa zanaka an-trano mandrakariva...

  • Ny Fiainana ny Eokaristia :

Tsy misy heviny ny Eokaristia, raha tsy nahafoy ny rany ho antsika i Kristy... ny fahatsiarovana ny nataony araka izany dia tsy mijanona amin'ny fankalazana fotsiny fa mitohy amin'ny fanekena ho sorona ho an'ny hafa...

Tsy mora anefa izany, rehefa miray aminy amin'ny komonio isika dia miredareda fitiavana ka mirehareha toa an'i Piera hoe tsy handao azy intsony...

Noho ny avonavona dia adino fa "raha tsy Izy, tsy mahefa na inona na inona isika". Ny nataon'i Piera dia manampy antsika tsy hahatoky tena be loatra fa hiantehitra amin'ny fitiavany sy ny famindram-pony, ka na inona na inona fandavana nataontsika azy, taorinan'ny nandraisantsika azy (toa an'i Piera, avy nandray Komonio dia nilaza ho tsy nahalala azy), mbola omeny fahasoavana mandrakariva isika hanavaozantsika ny Fitiavana Azy, ka hahatonga ny famindrampony ho loharanom-pisaorana tsy mety ritra ho antsika... 

Rehefa handeha hamonjy lamesa ary isika dia mba ataovy an-tsaina izay antony hisaorantsika an'Andriamanitra ary rahefa avy namonjy lamesa isika dia italahoy ny famindram-pony mba hahitantsika ny tavany, toy ny nitodihany tamin'i Piera taorian'ny maneno akoho fahatelo, ka hahafahantsika manavao mandrakariva ny fitiavantsika Azy.

«Mialoha   1 2 3 ... 17 18 19 20 21 22 23 24 25 26 27 25 26 27  Manaraka»
 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb