"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 13 Jiona, 2006 04:00
Mora ny miteny hoe : "Mandefera" fa sarotra ny miaina ny "Fandeferana".
Valan-dresaka anankiray momba ny maha-tsy azo ravana ny mariazy nataona pretra iray izay no nisintonako ity famakafakana zaraiko aminao ity :
"Mandalo 'crise' ny fiainam-panambadiana ankehitriny" hoy ity pretra iray. Marina izany, ary iarahantsika mahalala fa mihamaro ankehitriny ny faharavan'ny tokantrano, noho ny antony maro samihafa.
Ny filazana amin'ireo iharan'ny fisarahana anefa hoe : mifanaraha, mandefera dia somary sarotsarotra ihany...
"izay natambatr'Andriamanitra, aoka tsy hosarahin'olombelona" hoy Mompera... fa vitan'izay ve izy ity?
Lasa manko ny resaka hoe : nahona ry Mompera sy masera no miala rehefa tsy zakany ny fiainana, na ny tena mahavaka dia hoe : nahoana no alefa mody ny mpiofana rehefa tsy nahatàna intsony ilay hafanam-po nananany tamin'ny vao nandraisana azy ho mpikambana, kanefa tsy azo alefa mody ny vady rehefa tsy ao intsony ny fitiavana ka ady kitrana no hany sisa tavela?
Tsy manome vahana ny fisarahana aho sanatria satria ankoatra ny tsy fitandremana ny teny nifanomezana hoe "tsy hanary anao aho, na ho boka na ho kilemaina!!!" dia iaraha-malala ny fiantraikan'ny fisarahana eo amin'ny fanabeazana ny taranaka...
Ny tiako hisarihana ny saintsika dia hoe : samia mandinika hoe : ahoana no hiarahana monina amin'ny olona ankahalaina na mankahala ny tena? ahoana no hihainana ny Fahendren-dRazana izay toa adinodino hoe :
"Ny Fihavanana toy ny landy ka raha tapaka, mora atohy!"...
Asa lahy fa raha efa mba efa niaina izany atao hoe : Fandeferana izany ianao, dia mba zarao aminay... Tsy ilay fandeferana mandra-paha... anefa, fa ilay fandeferana "na inon-kidona na inon-kihatra...".
Ny hany azoko lazaina dia ilay fampianarana malaza hoe : rehefa tsy misy V ny mpivady, rehefa tsy misy Vavaka, tsy misy toerana ho an'Andriamanitra, ilay hany fitiavana, dia mpi.ady no sisa tavela...
Kanefa atao ahoana no hamerina an'Andriamanitra eo anivon'ireo toa nilaozany, na sanatria nandao Azy?
harilova | 09 Jiona, 2006 01:25
Inona no fepetra tsy maintsy harahina amin'ny fifanakalozan-kevitra?
(jereo ny http://harilova.blaogy.com/post/182/1067 )
Araka ny traikefam-piainako, fa koa araka ny fandinihan'ireo mpahany momba ny fifandraisan'ny olombelona dia mila fahamatorana ny fahaiza-miady hevitra.
Mandritra ny fitomboan'ny maha-olona (vatana/saina/fanahy) dia misy dingana ataony. Tsy mitovy anefa ny fomba hiatrehana ireo dingana ireo fa arakaraka ny toetra sy ny tontolo iainana misy ny tsirairay. Dia araka izany ihany koa ny faharetany.
Amin'ny resaka ataony ary dia miezaka mitady valiny amin'ny fanontaniana mifaningotra amin'ny fiainany ("ontologique") ny olona iray.
Akaka ny mpandinika (ohatra hoe Erik Erikson ao amin'ny bokiny Childhood and society, NY 1950) dia misy efatra ny fanontaniana miandry valiny mivantana na ankolaka ka mandrafitra ny fifandraisan'ny olona :
Izany dingam-piainana izay no tsy maintsy jerentsika rehefa miresaka amin'ny olona iray ka te hifankahazo resaka aminy...
...ny olana anefa dia na isika na ny hafa mety tsy nahavaly ny iray amin'ireo fanontaniana ireo tamin'ny fotoanany ka mety mampandringa ny fahamatoran'ny maha-olona izay hany hahafahana mifanakalo hevitra tsara...
(tohiny)
harilova | 05 Jiona, 2006 01:04
Anisan'ny mahavaka ny saintsika ny mandinika sy mihevitra hoe inona ny sitrapon'Andriamanitra amiko ! Izany no nahatonga ahy hizara aminao momba ny Soratra Masina nankalazaina tamin'ny fetin'ny Pantekoty izay manampy antsika amin'izany.
Ny Vaovao Mahafaly araka an'i Joany moa no novakiana tao am-piangonana : "ny Fanahy Masina no hanoro anareo nylalana mankamin'ny marina, dia ny marina ao amin'ny hafenoany"...[Jn 15,26-27;16,12-15], miampy ny Taratasin'i Paoly ho an'ny Galata ( 5, 16-25) izay milaza fa "ny vokatry ny Fanahy dia Fitiavana, hafaliana, fiadanam-po..."
Raha ireo no fakafakaintsika tsara dia azo ambara mazava izany fa tsy vokatry ny fahaizantsika na ny hakingan-tsaintsika no hahalalantsika ny sitrapon'Andriamanitra fa Fanomezana maimaim-poana avy amin'ny Fanahy Masina.
Tsy hilaza aminao aho hoe ahoana ary ho hahalalana fa bitsiky ny fanahy izany... izao no azoko lazaina avy amin'ireo Vakiteny masina ireo :
Tsy afaka manapa-kevitra araka ny Fanahy isika raha ao anatin'ny fifandirana (mifanohitra amin'ny Fitiavana), na ao anatin'ny hatezerana (mifanohitra amin'ny fifaliana) na ao anatin'ny fahasahiranan-tsaina sy ny olana (mifanohitra amin'ny fiadanam-po)...
Ny olana anefa dia saika mazàna ao anatin'ireo no handraisantsika fanapahan-kevitra, na miaraka na samirery...
Aza adino fa indraindray isika manosi-bohontanana ny Fanahy, miantso azy mialoha ny fivoriana nefa ny zavatra holazaina efa voasoratra an-taratasy na efa voavolavola mialoha ka tsy tiana hovana intsony na ny marimarina kokoa tiana hoeken'ny rehetra...
Anjarantsika ny mampanjaka ny Fanahy ao anatin'ny Fitiavana, ny Hafaliana, ny Fiadanam-po.
harilova | 31 Mey, 2006 13:21
Dia atao ahoana ary ny hangina rehefa fantatrao izao fa anao ny rariny?
Ny rariny itompoana mody heloka hoy ny Ntaolo, nefa kosa miankina amin'ny toetran'ny tsirairay ny fahaiza-mangina sy ny fahaizana mandefitra.
Tsy misy raiki-pohy azo ampiarina amin'ny fahaiza-miaina satria "mistery" ny olombelona. Ny zavatra niainako tsy afaka hiainan'ny hafa koa, tsy hoe tsy azo ianaran aho na hoe izaho no mahavita azy, fa ianao koa tsy azo ianarana fa azo koa hakana lesona...
Ny traikefam-piainana no hahafahantsika miaina miaraka amin'ny hafa. Ny hany azoko lazaina anao fa hanampy anao amin'ny fifandraisanao amin'ny hafa dia ireto zavatra manaraka ireto :
==> Miainga avy amin'ny fanetren-tena izany no hahafahana mahafantatra ny tena misimisy kokoa ka hahafahana mandray ny hafa amin'ny maha-hafa azy.
==> Tandremana koa ny atao hoe "orgueil déguisé", na hoe ny avonavona izay miseho amin'ny fanetren-tena sandoka... lazaintsika hoe "complexe".
Io complexe io no mahatonga antsika handà rehefa angatahana manao zavatra : "Tsy mahay an'izany aho!"... mba hiandrasana ny hafa hilaza hoe "ataovy fa vitanao io", izany hoe fakàna toky ...
Ny Fanetren-tena tena izy dia ny fahalalana fa misy fetra ny tena fa manana ny talenta ihany koa... fa etsy an-kilany dia manaiky koa fa ny hafa dia manana ny maha-izy azy sy ny fetrany...
Amin'izay dia afaka miara-miaina tsara...
Mety hilaza ianao hoe : "tsy nofinofy ve izany?"...
Misy lalana amin'ny ambaratongany hahafahana manatanteraka izany :
Ny Fahanginana (http://harilova.blaogy.com/post/182/906)
Ny Fifanakalozan-kevitra ...
mbola hitohy
harilova | 27 Mey, 2006 14:36
Ny olona efa nanana traik'efa momba ny fiaraha-miaina dia mahatsapa ny fahasarotan'ny atao hoe fiaraha-miaina... indrindra rehefa miaraka amin'ny olona tsy afaka ny hifankahazo noho ny fomba fiainana samy manana ny azy...
Ilazako traikefa nahazo ahy ianareo...
Niaraka nipetraka tamina zokiolona iray izay aho, nanampy ahy tokoa izy amin'ny fampitaovana sy ny kojakoja isan-karazany fa nianatra moa aho tamin'izany ka nanaiky izy ny hiantoka ahy...tany am-pitan-dranomasina.
Nanana solosaina iray izay izy ka azoko ampiasaina tsara io, fa izy kosa ireo mpiasa ao aminy no ampanaoviny ny asa ao... milina fanoratana no iantsoany ny solosaina...
Indray andro, voatery niasa alina aho fa misy asa nasain'ny mpampianatra enjehina maika... dia voatery mangataka aminy mba hamela ny biraony mivoha hahafahako mianatra ao amin'ny solosaina...
Ianareo Tanora hoy izy tsy mamaky boky intsony fa miaingitraingitra amin'itony milina fanoratana itony...
Dia tsaroanareo angamba ilay blaogy momba ny asan'olona sy asan'ny omby iny...
Tsy afaka namaly intsony aho satria fantatro fa ny famaliako tsy hanova ny heviny raha tsy ampianarina azy angaha ny mahasamihafa ny milina fanoratana sy ny solosaina...
Dia inona ary no nataoko?
(mbola hitohy)
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||