"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 16 Mey, 2006 14:28
Tsy haiko loatra ny handikana amin'ny teny malagasy ity "méthodologie" ity, misy anefa mangataka azy io matetika, indrindra rehefa akaiky ny fanadinana...
Tantaraiko anareo ny zava-nitranga indray mandeha tany Antanàna tany :
Nisy mpampianatra iray izay nilaza fa tsy maintsy afaka fanadinana izay manaraka ny "methodologie" omeny, fomba fianatra angaha no hilazantsika azy!
Dia notangosany enina arivo isan'olona izahay mba hahazo izany methodologie izany, te ho afaka fanadianna moa ny tena...
Inona hoy ianareo no nampianariny tao? zavatra vaovao hono hoy izy...
Dia nasainy namaky indray mandeha ny lesona izahay... nasainy namerina namaky... dia naverina hatramin'ny in-dimy ny famakiana...
Tsy fanaovana tsianjery anefa izany fa fidirana amin'ny antsipirihan-javatra kosa... asa lahy.
Dia lany ny enina arivo fa izahay kosa nahazo méthodologie : ny adalanareo no handoavanareo vola mba haneren'ny olona anareo hianatra...
Sahalahala amin'izany ihany no nadoavanay dimy alina mba haneren'ny mpampianatra anay hianatra hitendry masinina tsy an-kijery...
Raha tsy ao ny sitra-po hianatra dia hararaotin'ny hafa fotsiny isika...
Ny sitrapo hianatra anefa tsy ho azontsika rsha tsy mazava ao an-tsaina ny zavatra atao, ny tiana atao sy ny mety ho vita...
io no ilana olona hitantana mba tsy ho voafitaky ny nofinofy fotsiny ihany...
harilova | 13 Mey, 2006 09:19
Lazain'ny Kristianina matetika ny hoe : andeha hivavaka aho, ny sasany mampiasa ny hoe : andeha hiangona ny alahady...
Fa inona no atao hoe : mivavaka?
Raha ny teny hoe vavaka, raha vao lazaina dia adika avy hatrany hoe hataka atao amin'andriamanitra. dia hoy isika matetika hoe : mba mangata-bavaka aminareo aho fa ...
Fa tsy voafetr'izay fangatahana izay ihany ny vavaka ...
Ny vavaka dia ny traikefam-piainana miaraka amin'Andriamanitra, ny fahaizantsika miresaka amin'Andriamanitra. Tsy hoe teny atao amin'Andriamanitra araka izany fa teny hifanaovana amin'Andriamanitra.
Tokony hatao an-tsaina fa izay mino an'Andriamanitra dia tsy izay mahay miteny momba an'Andriamanitra fa izay mahay miteny (miresaka) amin'Andriamanitra.
Ny resaka, araka ny fantatsika dia hifamaliana, ka raha tsy mahafeno izay fepetran'ny fifamaliana izay izany ny vavaka ataontsika dia tsy mbola resaka...
Fifamaliana (tsy amin'ny hevitra hoe fifandirana tsy akory): izany hoe tsy teny (fangatahana) ataontsika amin'Andriamanitra fotsiny, fa koa fahaiza-mihaino koa izay lazain'Andriamanitra amintsika koa.
Izay no hahafahantsika manatanteraka ny didy hoe : mivavaha mandrakariva...
Afaka miresaka amin'Andriamanitra mandrakariva isika, amin'ny fanolorana aminy ny fiainantsika fa koa amin'ny fitadiavantsika mandrakariva ny sitra-pony manoloana ny zava-mitranga.
Misy fepetra sy toe-po tsy maintsy kolokolointsika anefa mba hahafahantsika miaina izany fivavahana izany...
Iray amin'izany ohatra ny Fahanginana...
harilova | 12 Mey, 2006 06:44
Ilain'ny sain'ny olombelona ny mahay mangina, ary mety fanafody hahasitrana ny aretina sasany mihitsy aza...
Mba hahafahana milaza ny soa azo avy amin'ny fahanginana dia tsara ny mamariparitra mialoha ny tiana holazaina amin'ny teny hoe Fahanginana. Mety sty hitovy manko ny fomba filazana na fahazoana azy ka hiteraka adihevitra tsy hamokatra afa-tsy tabataba ihany.
Ny fahanginana dia tsy hoe tsy fitenenana, fa raha izany dia ho mahay mangina ny moana, nefa izy ireny no tena manao tabataba indraindray...
Tsy tahaka ny fahanginan'ny latabatra na ny vato ny fahanginan'ny olona : izany hoe : tsy hoe fandeferana tsy hanelingelina ny hafa, heno matetika manko ny hoe : "aleoko mangina" rehefa misy ady hevitra ka misy anankiray tsy azo toherin-kevitra (nefa mazàna tsy anankiray fa ny andaniny sy ny an-kilany samy miziriziry amin'ny heviny, tsy mahay manazava izay tiana ho lazaina).
Ny fahanginana dia fahaizana mihaino :
Ny fahanginana no hahafahantsika mihaino ireo zavatra na hevitra na mety ho fisainana mihoatra ny herintsika, ny fahanginana no hahafahantsika mihaino ilay "Teny" izay tonga nofo, araka ny lazain'ny Filazan-tsara...
Ny fahanginana, izay fahaiza-mihaino no hahafahantsika mihaona amin'ilay "Andriamanitra" izay tsy azontsika fehezina araka ny fahalalantsika...
Io no atao hoe : vavaka
harilova | 09 Mey, 2006 06:46
Mba mametraka fanontaniana amin'ny tenako aho hoe : mbamihaino vavaka va re izao Andriamanitra izao? Dia ahoana no fomba fivavahana aminy araka ny sitrapony?
Dia nanaitra ahy fatratra ilay vakiteny indray alahady izay milazalaza ny hafatr'i Jeso ho an'izay mino azy manao hoe : "Tsy maintsy toriana eran-tany ny Fibebahana sy ny famelan-keloka, manomboka eto Jerosalema..." (Lk 24, 34-48)
Dia nandinika aho ... manomboka eto Jerosalema... izany hoe : manomboka eo amin'ny toerana nisy ny Mpianatr'i Jeso, ho ahy izany dia manomboka ao amin'ny fianakaviako sy izay mifanolo-bodirindrina amiko no hitoriako ny Fibebahana sy ny famelan-keloka... fa indrindra indrindra, manomboka ao am-poko...
Dia nahatsiaro ny tantaran'ity Manamboninahitry ny tafika iray ity aho. Mpivavaka be izy io ka mandany ora maro isan'andro hivavahana.
Vao tanora izy dia efa manam-boninahitra ka nivavaka mafy mba hanana ny hery haharetany, hampiasany ny fahefana nomen'Andriamanitra azy mba hitondrany fiovana ho an'izao tontolo izao...
Dia nandeha ny andro, nandeha ny volana, ka nony efa nahazohazo taona izy dia nahatsapa fa toa tsy nisy zava-bita akory amin'izay fanovana tiana hatao...
Dia nahatsapa izy fa ao an-tokantranony aloha no tokony hovana mialoha, ka nivavaka mafy izy mba hiova ho soa ny tokatranony ho tonga tokantrano sambatra sy matahotra an'Andriamanitra...
Fa efa nanomboka nandindona ny fahafatesana noho ny fahanterana, nandinika ny zava-bitany tao an-tokantrano izy ka nahita fa toa tsy misy fiovana akory...
ka nahatsapa fa tsy izay no tokony ho laharam-pahamehana nimasohany fa ny hanova ny ao am-pony aloha. Dia vaky vava izy nivavaka tamin'Andriamanitra hoe : Hay aho lany andro niezaka hanova ny tontolo, nefa ny foko no tokony ho novàko mialoha.
Dia nivavaka izy mba homen'Andriamanitra azy ny fahasoavana hanova ny fony ho tonga mahalefitra sy matahotra azy...
Soa fa tsy tara loatra izy nahita fa hay afaka manova ny fahitana izao tontolo izao ny famindrampon'Andriamanitra.
Dia hoy aho hoe : tsy mbola tara aho fa ndeha hivavaka mba hiovan'ny foko...
Dia nanjary misy heviny ho ahy ny hafatr'i Jeso hoe : manomboka ao Jerosalema no hitoriako ny famindram-pony... Hainy ny manitsy ny diako raha sanatria mitady hanao dingan-davitra any ivelany...
Mazàna manko isika mivavaka ho an'ny hafa fa tsy mahatsiaro fa isika no tokony ho vonton'ny fivavahana voalohany...
harilova | 07 Mey, 2006 08:53
Tohin'ny ho an'ny mpiandry ondry
Ny ondry kosa hoe tokony hahafantatra ka hihaino ny feon'ny Mpiandry... Hihaino ny feon'i Kristy.
Dia mandinika aho hoe iza no tena henoin'ny olona kokoa : ny dokam-barotry ny fahitalavitra sa ny fampianaran'i Kristy?
Dia tsy afaka manao safidy matotra indraindray ka ny lamaody natao hahatarika ny maso sy tsy maotina hita amin'ny dokam-barotra dia tonga hatrany am-piangonana...
Mila mandalina ny finoana isika satria indraindray ny fihetsika tsy voatandrina ataon'ny ondry kely iray no hamongoran'ny sasany ny ondry iray vala...
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||