DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Mpiandry ondry tsara! ho an'ny Mpiandry ondry

harilova | 07 Mey, 2006 08:26

Hafatra ho an'ny mpiandry ondry  ity e

Ankalazain'ny Katolika androany ny fetin'ny Mpiandry ondry tsara, alahady fahaefatra aorian'ny Paska io. Dia nalahatra hovakiana amin'ny fanompoam-pivavahana androany ny Vaovao mahafaly, na Filazan-tsara nosoratan'i Jaona (10, 11-18) mitantara an'i Jeso mpiandry ondry tsara...

Dia lasa ny eritreritro...

Voalaza ao ireto toetran'ny Mpiandry ondry tsara ireto :

  • Mahafoy ny ainy ho an'ny ondriny,
  • Mialoha ny ondriny ho any amin'ny tanimbilona ny mpiandry ondry, izany hoe mijery mialoha ny toerana misy vilona hitondrana ny ondry...
  • Dia mpiandry ondry mamela ny 99 ao am-bala mba handeha hitady ilay tokana nania io...
  • ...

Ireo ihany aloha no entiko mijery ny zava-misy ka lazaiko amin'ny fo tsy miangatra ...

  • misy ireo "mikarama" mba hiandry ny ondrin'ny Tompo, manao ny asa fitoriana ho asa fivelomana ambonin'ny zavatra rehetra ...
  • mazàna ny Mpandry mandroaka ny ondry avy aty aoriana, ka manery azy indraindray any amin'ny tany tsy misy vilona akory... Dia ho sanatria ho toy ireo fariseo lazain'i Jeso hoe mametraka ny lalàna eo an-tsoroky ny olona nefa ny ratsan-tanany aza tsy atehiny eo akory...

Fa ity no tena manaitra ahy :

  • Ny Mpiandry ondry tia bebe kokoa ny ondry tsy mila ambenana loatra.

Ny lazaiko amin'izany dia ireo mpiandry ondry (ray aman-deny, Mpampianatra, mpitondra fiangonana...) izay milaza fa kristianina, izany hoe mpianatra izay ataon'i Kristy, nefa tsy mahafoy ny 99 ao am-bala ka ny ataony aza dia ny mamela ho very any an-tendrombohitra ny tokana nania...

Ampitapitao amin'ireo Mpitantana sekoly kristianina mandroaka mpianatra maditra ny hafatra, satria raha roahany izy ireny mba hiadanan'ny 99 "hendry" (toa tsy mila fanabeazana akory) dia aiza sy aiza no toerana ametrahana ny hafatr'ilay Mpiandry ondry tsara lazaina fa harahina?

Tsy misy vahaolana mora raisina ny amin'izany anefa satria sarotra izany, nefa mampandinika ihany...

 ... mahatsapa ny habibiana mitranga etsy sy eroa isika, mety mba efa nandalo teny amintsika teny ny sasany tamin'ireny olona ireny fa nahilika satria "ratsy" ka tsy nahazo ny fanabeazana tokony ho azony...

Soa fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ka mihaino ny vavaka ataon'ny Talen-tsekoly Kristianina ho an'ny Mpianatra maditra noroahiny... Enga anie 

hitohy http://harilova.blaogy.com/post/182/868

Hevitro... Hevitr'i surdoué

harilova | 06 Mey, 2006 02:27

 "Tena siora ve i harilova fa tsy namaky boky hafa mihitsy raha nanoratra ireo hevitra be dia be ireo ? Raha eny dia miarahaba anao fa tena "surdoué" izany ianao.[Fiffi] "

Io Fanontaniana napetraka tamiko any amin'ny Forum momba ny sarivongana dia niainga ihany amin'ny lazain'ingahy Marozevo hoe: tena hevitrao irery ve ireny?

Tena namaky boky be dia be tokoa aho, ary azoko lazaina fa anisan'ireo "voalavon'ny tranom-boky", kanefa ny mahagaga ahy dia tsy mba hitan'i Marozevo sy Fiffi ny filazako ny hevitr'ireo olona nanaitra ahy ka namolavola ahy hanana ny hevitro.

Hevitro hoy aho satria manko "tsy noho ny filazan'izy ireo intsony no mahatonga ahy hahita ny fahamarinany  fa izaho mihitsy no mahatsapa izany".

mampahatsiaro ahy andalan-tSoratra Masina iray izay io, momba ilay vehivavy tao Samaria nahita fa mpaminany Jeso... dia nitantara tamin'ny iray tanàna...

Rehefa nitoetra telo andro tao i Jeso dia hoy ny olona hoe: "Mino izahay, tsy noho ny filazan-dRavehivavy fa ny Masonay no nahita, ny sofinay no nandre..."

Ivereno vakiana ny sasantsasany amin'ireo site ireo dia hahita ianareo fa misy hevitra mety efa hitanareo tanya n-toeran-kafa ao, saingy kosa tsy lazaiko tsy hoe mangalatra hevitra aho, fa kosa tsy fantatro intsony hoe iza no nahita azy voalohany, satria ny fomba filaza hevitra dia mivoatra araka ny zava-misy, ary ny hevitry tsirairay kosa, mihamatotra amin'ny fifampikasohany amin'ny an'ny hafa...

Raha zavatra siantifika no lazaina fa zavatra misy azo raisina, toy ny nolazain'i marozevo amiko hoe : " > Novakiako ilay site, manaitra fa tsy misy ho raisina satria tsy scientifique fa vetsovetso sy sentiment no betsaka ao.farafaharatsiny mba asiana bibliographie na boky iray ihany aza"

dia diniho ihany satria aoriana kely izy milaza hoe : Zao koa ary fanontaniako : "Tena siora ve i harilova fa tsy namaky boky hafa mihitsy raha nanoratra ireo hevitra be dia be ireo ? Raha eny dia miarahaba anao fa tena "surdoué" izany ianao" , izany hoe: tena misy ho raisina tsara mihitsy ny zavatra nosoratako, fa tsy fantatra hoe aiza no hanovozako hevitra... dia mahavaka ny hevitro hoe : inona no tena hevitr'i marozevo!!!

Ny hevitrao no hanovozako hevitra, ianao dia tsy iza fa ilay hafa fijery noho izaho fa mahita ny lafin-javatra mety tsy hitako, na nahita azy tamin'ny fooana mialoha ny nisiako... tsy ho hary ho voatanisako "ianao" ka aleoko tsy tanisaina ara-tsiantifika...

NB. Miala tsiny fa notanisaiko ao ny nilaza ireo hevitra ireo dia i Fiffi sy marozevo satria matahotra aho sao toriany any amin'ny Omda...nefa ny ara-baiboly aza mazana tsy apetrako ao ny toko sy andininy satria fantatro fa tsy hitory ahy amin'ny OMDA ra-Jeso

 

Inona ny hevitrao?

harilova | 05 Mey, 2006 13:25

Mazàna rehefa anontaniana ny heviny ny olona iray dia milaza ny hevitry ny olona malaza iray hanohanana ny azy...

Fomba ampianarina any ampianarana, indrindra amin'ny sekoly ambony ny manao "référence" amin'ny fanohanan-kevitra. Tsara tokoa ny milaza fa tsy izaho irery no adala manohana ity hevitra ity fa ireto koa efa nilaza izany...

Dia mahatsara ny naoty omen'ny mpampianatra, mahafaly nysofin'ny mpiaino, mambabo ny fon'ny mpamaky raha asiana fehin-kevitr'olo-malaza iray ao anaty lahatsoratra...

Fa fahendrena ampianarina koa ny milaza ny hevitr'olon-kendry mifanohitra amin'ny lazain'ny tena... dia avy eo ra- Mpianatra mazoto manao fehin-kevitra handravonana ny asasoratra ka ny farany, na izy aza tsy mahalala ny tena heviny fa nanao marimaritra iraisana fotsiny...

Raha ny Papa no milaza dia manaiky avy hatrany ny katolika... dia izany no nampamonoana an'i Galilea rehefa nilaza fa tsy anjaran'ny Papa ny mandinika ny momba ny lanitra (habakabaka) fa ny hahatongavana any an-danitra (paradisa) no anjarany, satria nahita i galilea fa ny tany no mihodina fa tsy ny masoandro...

Efajato taona aty aoriana vao mifona ny amin'izany i Joany Paoly II...

Nahalasa saina ahy manko ny nolazain'i Marozevo ao amin'ny [http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m444e6e864eac3] momba ny sarivongana hoe : "Novakiako ny hevitrao... fa tsy misy raisina satria tsy misy sitation na référence..."

Maheno olona miresaka aho matetika dia milaza hoe :"Tena marina izany... satria efa hitako tao anaty boky..."

Fa angaha ny ao anaty boky no marina? tsy izay lazaiko koa anefa ho hiambohoko ho marina, tsy hevitra nipoitra avy amiko manko ny ankamaroan'ny hevitro, fa hevitry ny hafa nampindraminy ahy tamin'ny fampianarana nataony sy ny fianarana nataoko fa narindran'ny fisainako ho tonga "hevitro".

tsy afaka mihambo ho mpamoron-kevitra isika kanefa kosa mila manefy ny hevitra antsika ireny...

Mila tsikeraina mandrakariva anefa ireny hevitra ireny, fa hoy ny ohabolana frantsay hoe "ny adala irery no tsy mety mihova hevitra..." lazain'ny razantsika amin'ny fahendreny hoe "adala nomen-tanan'ondry, na hosoloina hofany aza tsy tia"...

Anjaranao ny mandinika ny antony hanohananao ny hevitrao, sy nya ntony tsy ankasitrahanao ny hevitry ny hafa... tsy noho izy be mpanaraka na noho izy nolazain'ny olomalaza, fa noho izy mifanaraka amin'ny marina sy ny tokony ho izy...

Mbola hitohy

Lahatr'Andriamanitra sa Safidin'olombelona?

harilova | 30 Aprily, 2006 03:49

Fanontaniana mipetraka matetika ny hoe : lahatr'Andriamanitra ve ny zava-mitranga sa safidin'olombelona? Andriamanitra ve no mandahatra ny fiainantsika mialoha sa isika no misafidy izay atao?

Raha Andriamanitra manko no mandahatra ny zava-drehetra, dia tsy misy tokony hataontsika na ezaka hisasarantsika intsony izany satria mahefa ny zavatra rehetra Izy (http://harilova.blaogy.com/post/182/721).

Ny zava-misy andavanandro anefa dia toa milaza fa tsy misy izao Andriamanitra izao, satria raha misy izy dia nahoana no avelany hiady ny olona, nahoana no avelany ho faty mosary ny tany sasany, nahoana no ampitondrainy fijaliana aho...?

mahefa ny zava-drehetra ve izy dia hijery fotsiny ny fahoriako? Ataoko angamba fa ny valin'izay fanontaniana izay dia ny tenin'i Jesoa voahombo teo ambony hazo hoe : "Andriamanitra o! nahoana no dia nilaozana re ity izaho?"

Midika io fa azontsika atao tsara ny mitaraina ny fahoriantsika amin'Andriamanitra, tsy hoe hahazoana valliny eo noho eo, tsy hoe hiandrasana fahagagana sanatria, fa hanamafisana ny fitokisana aminy, ka hamaliany antsika sy hananganany antsika amin'ny fotoana hitany fa mahamety izany.

Diniho tokoa moa raha toa ka mampiasa ny fahefany hamaly ny vavaky ny mpanompony Andriamanitra, kanefa Izy aza mifampizara andraikitra (http://harilova.blaogy.com/post/182/721) na samy mahefa ny zavatra rehetra, raha toa ka mamaly ny vavaka ataontsika eo noho eo Andriamanitra, mbola hatoky azy ve isika sa hampiasa izany fahasoavana azo izany fotsiny hanangonana izay mahasoa ny tena na hamongorana izay mety manelingelina amin'ny fiainana?

Mazava loatra araka izany fa ny fijaliana sy ny fahoriana mahazo antsika tsy azontsika hilazana fa tsy afaka mandahatra ny zavatra rehetra Andriamanitra.

Ka raha izy ary no madahatra, azontsika atao ve ny manihitra izay voalahatr'Andriamanitra?

"Ilay nahary antsika tsy niera tamintsika, hoy i Augustin (mpandinika ny momba an'Andriamanitra tamin'ny taonjato fah-efatra) dia tsy hamonjy antsika tsy miaraka amintsika". Izany hoe miandry ny safidintsika mba hamonjeny antsika.

Raha efa voalahatra avokoa ny zavatra rehetra, dia tsy misy heviny ny vavaka ataon'ny mpino. Kanefa  hita ao amin'ny Baiboly fa ny vavaky ny olomarina manery an'Andriamanitra hiova hevitra (hanenina amin'ny loza nokasainy hafitsoka ny vahoaka, ohatra tany Niniva tamin'ny andron'i Jaonasa Mpaminany).

Ny valin'ny fanontaniana napetratsika araka izany dia miankina indrindra amin'ny fanekentsika  ny fahefan'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.

Azo ampifandraisina amin'ny resaka "lahatra" sy "anjara" araka ny fisainana malagasy io... na koa amin'ny fitenenana frantsay hoe "l'homme propose, Dieu dispose".

Ny olana anefa tsy hoe isika afaka na tsy afaka manao izay tiantsika hatao, satria tsy tompon'ny fotoana sy ny zava-mitranga isika, ary ekentsika marina tokoa fa misy hery hafa noho isika izay tsy azontsika tsinintsinoavina tsy hahafahantsika manatanteraka izay kinasa indraindray...

Ny olana dia hoe raha mandahatra ny zavatra rehetra Andriamanitra, nahoana ary no ...

Mbola hitohy...

manompo sampy ve ny manaja ny sary sy ny sarivongana?

harilova | 25 Aprily, 2006 05:29

Ny Katolika indrindra indrindra no manaja sy miankohoka amin'ireny sarivongana ireny, manompo sampy fa mivavaka amin'ny sarivongana...

Dia raikitra  ny ady mazàna, satria ny mpanenjika tsy mahafehy akory ny zavatra lazainy, ny enjehina indraindray tsy nandalina firy ny tena vontoatin'ny lovam-panahy arahiny ka ny ivelany fotsiny no fantany...

manompo sampy tokoa ve ny manao sary na sarivongana hajaina ao am-piangonana?

Lazain'ny Baiboly aloha fa tsy tokony hanao sarivongana ianao ka hiankohoka eo anoloany satria saro-piaro ny Andriamanitrao... Dia voizina izany hevitra izany hanenjehana ny katolika satria feno sary sy sarivongana ny Fiangonany sady izay miditra dia miankohoka na miondrika amin'ireny sarivongana ireny... Asanao lahy ra-Katolika...

Fa raha mbola tohizana ny famakiana ny Baiboly raha tsy hoe  angaha odiana fafàna  ny andalana sasany mitondra fanorisorenana na tsy mifanaraka amin'ny hevitry ny tena, dia ireo zanak'israely ireo, nitondra ny Didy Folo natao tao anatin'ny Fiaran'ny Fanekena ka najaina tao an-tranolay, ary ny Mpanjaka Davida tsy nahatanty izany ka nanao hoe : "Sanatria raha izaho hitoetra ao an-tempoly sedera, ka ny Tompo kosa ao an-tranolay..."

Azo jerena koa ny momba ny bibilava varahina izay nataon'i Mosè ka nijeren'ny Israelita mba hahasitrana azy : tsy ny bibilava no nahasitrana fa ny finoana an'Andriamanitra izay manome hery araka izay sitraky ny fony...

Ilay fanaovana sarivongana voalaza fa noraran'ny baiboly dia ilay sariomby anidina (varahina) izay nataon'ny zanak'Israely satria hoe tsy fantatra na maty na velona i Mosè lasa any Horèba... tsy sarin'Andriamanitra fa sary andriamanitra araka ny fomban-tany ejipsiana sy ny tany manodidina, tsy Andriamanitra no noezahany naseho tao amin'ny sary fa ny harena sy ny tsiron'ny hen'omby nahamanina azy tany Ejipta...

Midika araka izany fa ilay Fiaran'ny Fanekena dia tandindona nampahatsiaro an'Andriamanitra teo anivon'ny vahoakany, tsy ilay Fiaran'ny Fanekena no hajaina fa ilay Andriamanitra ambarany.

Tsy fanompoan-tsampy araka izany ny fanajana ny sary raha toa ka entina hampahatsiaro antsika ny olona ambarany izy. Ny fanajana ny olomasina aza moa hoa n'ny katolika dia fanajana sy fankalazana ny asan'Andriamanitra ao amin'ny halemen'ny olombelona...

Ankoatra izany, manana fahafahana manambara ny tsy hain'ny vava (teny) sy ny soratra ambara ny sary, fa sady famintinana ny tiana ambara izy no koa milaza mihoatra izay azo ambara :

Raha hiteno aho ohatra hoe Andriamanitra tokana olona telo, ohatrohatr'izao ny Ray, tahatahaka izao ny zanaka sy ny Fanahy, dia ataoko sary izany ka na ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza, raha tsy hoe sanatria jamba dia afaka mandinika sy mahazo izay ambaran'ny sary.

Izay mampiasa ny baiboly araka izany nefa milaza fa tsy azo atao sary Andriamanitra dia tokony handini-tena satria na ny baiboly aza izay soratra dia karazana sary ihany, ka tokony hodorany...sanatria anie izany.

Mila fitandremana ihany anefa satria indraindray ny zavatra miseho ataon'ny katolika na ny hafa izay tsy dia lalim-pinoana loatra dia entin'ny sasany hanaratsiana ny finoan'ny Fiangonana manontolo.

Mampandinika indraindray ny mahita ny mpino sasany manaja kokoa ny olomasina noho ilay Andriamanitra loharanon'ny Fahamasinany...

Anjaranao ny mandinindinika sy misaintsaina fa koa mampahatsiaro ny tokony ho izy amin'ny hafa...

«Mialoha   1 2 3 ... 20 21 22 23 24 25 26 27  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb