"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 24 Aprily, 2006 04:14
Mampaninona ahy tokoa moa raha toa ka Trinite na tsia izao Andriamanitra izao?
Ny Silamo manenjika ny kristianina, indrindra ny katolika fa hoe mino Andriamanitra maro (Polithéistes), satria hoe tsy Andriamanitra izao Jesoa izao fa na ilay Kristy aza (ilay Voahosotra) dia Mpaminany lehibe fotsiny.
Ho an'ireo milaza ho mino an'Andriamanitra Trinite tokoa dia tsy afaka ny hanao valin-teny bontolo be fotsiny izao mba hampita izany foto-pinoana izany amin'ny hafa, indrindra amin'ny mbola tsy mino.
Angamba efa mba nanana traikefa miresaka zavatra iray amin'ny olona tsy mahalala izany mihitsy ianao fa ny heviny ihany no asesiny...
Ny mety hoy Tonino Bello izay, rehefa miresaka momba an'Andriamanitra amin'ny mbola tsy mahalala azy ka manontany hoe : "Fantatrao ve Andriamanitra?" dia valio hoe :"fantatrao ny omby? Fantatrao ny olona?... Anontanio izay zavatra fantany... dia farano hoe : "tsy ireny Andriamanitra fa Hafa izy..."
Atao ahoana tokoa moa no hitenenanao amin'ny olona iray ao anaty fahoriana sy fijaliana fa tia azy Andriamanitra, raha toa ka tsy miezaka hampiseho aminy ny atao hoe : Fitiavana ianao? Ny teny hilazana an'Andriamanitra amin'ireny olona ireny dia fanesoana azy raha tsy ialohavan'ny asa fiantrana nambabo ny fony...
Izany no entiko mampiditra ny resaka hilazana fa tsy ho afaka hilaza isika hoe Fitiavana Andriamanitra, raha tsy Izy aloha no miseho ho taratra amin'izany Fitiavana izany. Vakio ireo nosoratako momba ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra, fa fanehoam-pitiavana ireny...
Mba ho tara-pitiavana ho antsika no nisehoan'Andriamanitra ho antsika... Nahoana ary no tsy roa izy na tokana monja na efatra... fa telo?
Ankoatr'izay mety ho azo ambara dia tsara ho fantatra fa ny fisehoan'Andriamanitra amintsika araka ny baiboly dia tsy vokatry ny saina na ny Fikarohana fa kosa Fanambarana (RéVélation), ka ireo olona nentanin'ny Fanahin'Andriamanitra no nanoratra araka ny Fanambarana, kanefa koa araka ny foto-pisainana sy ny literatora nisy tamin'ny fotoana nanoratany...
Raha jerenareo ireo andala-tSoratra Masina milaza ny Trinite, atomboka ao amin'ny fahariana (Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika [Jenezy]...) izay mifanahaka amin'ny fomba fitantaran'ny Tatsinanana ny Fahariana tamin'izany fotoana izany... dia hita ireo olona telo ireo : ny Mpahary, ny Teny nentina nahariana ary ny Fanahy nampisy aina ny voahary. Taorian'ny nampidiran'i Tertullien(115-222) ny teny Trinitas ao amin'ny voambolana latinina dia hoy i Augustin (354-430) hoe Ireo ilay Mpitia, ilay Tiavina ary ilay enti-mitia (Fitiavana).
Io isa telo io dia misy heviny lalina amin'ny kolotsaina jody : manambara ny zavatry ny lanitra io (ny isa efatra kosa manambara ny momba ny tany = ny Fito maneho ny fitambarany, ny hafenoana, isa masina).
Tsy hoe kisendrasendra araka izany no maha-olona telo an'Andriamanitra tokana fa kosa fanehoam-pitiavana amin'ny hafenoana. mahalasa saina antsika trimurti an'ny finoana hindò...
Raha mijery ireo sary fanehoana an'ireo olona telo ireo isika dia mahita fa tsy mitovy mandrakariva ny fipetrak'ireo olona telo ireo : ny sarin'i Roublev ohatra (sary) dia eo ampovoany ny Zanaka, amin'ny sary hafa kosa indray dia ilay Fanahy no eo afovoany...
Araka ny toe-tsaina sy ny foto-pisainana jody dia izay eo afovoany no manao ny asa, ny eo an-kavanana no mpaniraka, ny eo an-kavia mpanolo-tsaina.
Araka izany, ny Ray dia teo ampovoany tamin'ny fotoan'ny Fahariana ; ny Zanaka tamin'ny fotoan'ny Fanavotana, ary ny Fanahy kosa amin'izao fotoana farany izao, mandavorary ny zavatra rehetra.
Tsy afaka ny hilaza isika araka izany fa Fitiavana Andriamanitra raha tsy amin'ny alalan'izany fisehoana sitrany hahalalantsika azy izany. Mistery izany ka tsy ho takatry ny saintsika, kanefa raha iezahantsika hihainana ny Fitiavana ary misokatra ny masom-panahitsika hahita ireo asa fanehoam-pitiavana manodidina antsika fa tsy akimpin'ny fialonana sy ny avonavona, dia afaka hahita bebe kokoa ny maha-Trinite an'Andriamanitra.
(tohiny)harilova | 22 Aprily, 2006 03:07
Adihevitry ny taona maro ny momba ny konfesy : Andriamanitra irery ihany ny anay no mamela heloka ka tsy ilainay velively ny hikonfesy any amin'i Mompera...
Sendra namaky ny vaovao mahafaly amin'ny Jaona amin'izay milaza ny fitsanganan'i Jeso ho velona aho, dia nahita ny teny hoe : "Fiadanako no omeko anareo... raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia voavela, izay hotananareo dia ho voatana".
Lasa ny saiko hoe dia tena fanomezana fahefana hamela heloka tokoa ve izany?
Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny Katolika inahy no mikonfesy fa ny hafa koa : ny loteranina ohatra dia mikonfesy koa ka anontanian'ny Mpitandrina raha toa ka inoany ny famelana dia omena azy...
Tsy ady hevitra momba izay no tiako homena anao eto fa kosa singan-kevitra vokatry ny fandinihako momba ity famelan-keloka ity :
ahoana tokoa moa no any amin'Andrimanitra irery ihany aho no tokony hibebaka sy hifona satria izy irery ihany no mpamela heloka?
Mba hampahazava izay tiako holazaina dia aleo aloha omeko anao n y famaritana ny atao hoe Fibebahana araka ny hevitro. Raha ny dikan-teny vahiny milaza azy dia ny teny grika hoe "metanòià" midika fiovan'ny atifanahy; amin'ny teny ebrio dia hoe "shob" na hoe todika ivoho.
ity farany ity no tiako kokoa satria ny fibebahana ho ahy dia miainga avy amin'ny fahatsapako fa tsy nety ny nataoko ka mila miiova lalana aho.
Raha fiovana lalana ary ny fibebahana, mba hiverina any amin'Andriamanitra aho satria nanota dia any amin'Andriamanitra ve no lalako?
Tsia hoy aho : ny fahotana sy ny heloka rehetra nataoko dia tsy hoe nataoko mivantana amin'Andriamanitra, tsy misy nivantana tamin'Andriamanitra na iray aza, fa kosa nampitondra fahoriana ny olombelona nifanerasera tamiko, dia nahoana moa rehefa miverina aho no handeha "direct" any amin'Andriamanitra?
Izay dia mampisy heviny ity konfesy ity, sitrak'Andriamanitra ny fanetrentsika tena eo anatrehan'ny olona omeny fahefana, fa mialoha izany aza eo anatrehan'izay nahadiso antsika ka mangata-pamelana aminy sy mitady fomba hanonerana izany heloka izany...
satria tokoa manko, raha toa ka zavatra tsy mifandanja akory amin'ny heloka vitako no atoron'ny pretra ahy ho aza fanonerana, rariny ve izany eo anatrehan'izay niharitra ny mafy noho ny hadalana vitako?
anjarantsika ny mandini-tena...
harilova | 22 Aprily, 2006 02:20
Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ary mahalala ny zavatra rehetra.
Amin'ilay sary nataon'i Roublev (jereo ity http://www.chemin-neuf.org/tychique/144/icone.html) dia samy misy ilay faribolana mazava (auréoles) manodidina ny lohan'ireo olona telo : entiny manambara ilay Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra (omniscient).
Ireo olona telo ireo anefa, na mahalala ny zavatra rehetra aza dia nifampiera hatrany. jereo ohatra ny tany amin'ny tantaran'ny fahariana izao tontolo izao : "Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, manahaka antsika". Toy ny hoe misy fifampierana ao. Fa ny tena mistery ambony indrindra amin'ity fahefan'andriamanitra ity dia ilay tenin'ny Zanaka hoe : "tsy misy mahalala ny farandro, na ny zanaka aza fa ny Ray ihany no mahalala izany".
Tsy dia hoe fetra ho amin'ny fahalalan'ny Zanaka izany tsy akory, fa koa fifanajana andraikitra : ny Ray no mandamina ny fotoana, ka hajain'ny Zanaka hatrany izany. Tsy anjarany ny manambara izany ka manaja ny toetra maha-zanaka azy izy.
Tsy ny hamakiantsika loha hikaroka sy hamehy ny misterin'Andriamanitra tsy akory no tanjona fa kosa ny handraisantsika lesona hoenti-miaina amin'izany Fifampikasohana amin'ny Mistery izany. Ny Finoana dia manova ny fiainana, ka raha mino isika fa mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra, kanefa mifanaja amin'ny fanapahan-kevitra, mifanaja amin'ny fanatanterahana ny andraikitra, ahoana no mba hihezahantsika hanaja ny hevitry ny hafa, hanontany ny hevitry ny hafa mety ho voakasiky ny fanapahan-kevitra raisintsika?
Mazàna manko ny fahalalana kely mba ananantsika dia tsy hoentintsika hanampy ny hafa, hifanampiana amin'ny hafa fa hiheverana kosa ho mahavita tena. Ny Fianarana sy ny fandalinana tiantsika atao, ataontsika na koa mety zaraintsika amin'ny hafa, dia tokony hizotra amin'izany famporisihana hiara-miasa izany, famporisihana ho amin'ny fiombonana.
Ny ady dia fifanoheran-kery hijerena izay matanjaka kokoa ka hahafahana manjakazaka amin'izay resy, ny fitadiavana hampanjaka ny an'ny tena no anton'ny ady...
Ny Fandriampahalemanana sy ny Fiadanana kosa, na dia fanomezan'Andriamanitra aza, dia hoy ny Papa Joany 23 izay hoe miankina amin'ny andry efatra ilàna ny fiaraha-miasan'ny olombelona :
Ny Fiekena ny marina momba ny tena sy momba ny hafa ka hanekena izany na dia mifanipaka amin'ny tombotsoa manokan'ny tena aza ; ny Fahamarinana izay hanajako ny zo aman'andraikitry ny hafa tahaka ny hitiavako hanajana ny zoko sy hiezahako koa hanatanteraka ny andraikitra mifandraika amin'izany; ny Fitiavana izay hamaha ny olana mety hitranga amin'ny tsy fanajana ny fahamarinana, ka na tsy hajain'ny hafa aza ny zo aman'andraikitro dia eo ny famindram-po hiezaka hanaja ny azy hatrany; ny Fahafahana izay tsy hoe fanaovana izay tiana hatao fa kosa fananana tanjona hotratrarina ka hananana risi-po hifehy tena sy handà izay rehetra mifanohitra amin'izany tanjona izany...
Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra ...ary fantany fa osa sy malemy isika olombelona...
harilova | 21 Aprily, 2006 11:01
Raha mandinika ilay sary nataon'i Roublev isika dia mahita fa samy manana elatra ireo olona telo nentiny nanambara ny olona telo ao amin'ny Trinite Masina. Ny elatra dia manambara ny fahafahana mivezivezy eran'ny tontolo, tsy voafetry ny elanelan-tany : amin'ny toerana rehetra Andriamanitra.
Na izany aza anefa dia tsy mba misara-toerana na oviana na oviana ireo olona telo, fa izay misy ny iray, misy azy telo. Izaho sy ny Ray dia iray ihany hoy i Kristy.
Mampianatra antsika izany fa na dia eo aza ny elanelantany mety hampisaraka dia tokony hotandrovana mandrakariva ny firaisam-po sy ny fihavanana. Tsy tokony ho sakana hivoizana ny hoe "lavitry ny maso, lavitry ny fo" izany.
Izany no fahefan'Andriamanitra mampianatra antsika ny tena fiombonana.
harilova | 20 Aprily, 2006 03:15
Ny Finoana an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia azo dinihina avy amin'ny sary nataon'ny Manakanto tantsinana iray, André Roublev. Azo dinihina hoy aho, satria mistery ny momba an'Andriamanitra, ka tsy azontsika atao ny milaza fa mamintina ny momba azy io sary io, satria tsy azontsika fintinina ny momba an'Andriamanitra.
Amin'io sarin'ny Trinite io dia manambara an'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra (omnipotent), Manerana ny toerana rehetra (omniprésent), ary mahalala ny zavatra rehetra (omniscient).
Ny voalohany dia ambaran'ny tehana izay tazonin'ireo olona telo : mahagaga anefa fa tsy mitovy ny fandrin'ny tehana eny antanan'ireo olona telo. Na mahefa ny zavatra rehetra aza Andriamanitra dia ny Ray NAHARY, ny Zanaka NANAVOTRA, ary ny Fanahy kosa MANDAVORARY ny fahamasinanatsika.
Mazana kosa ny fiainantsika dia fanjakazakana, ka izay vitako tsy mba tiako hiantsoana ny hafa hanampy ahy, ary ny talenta ananako tsy mba foiko hanampiana ny hafa...
Ireo toetra sitrak'Andriamanitra hisehoana amintsika, ka azontsika dinihina dia sitrany hotarafitsika hoenti-manamasina ny Fiainana satria Izy irery no masina ka ny fanamasinana ny Fiainana dia ny fakana tahaka ny fahamasinany : Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo...
Ny Fahefan'Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra araka izany dia entiny hanambarana amintsika fa fifanampiana ny Fiainana, ka ankoatra ny Finoana sy ny fianteherana amin'ny Heriny dia manampy antsika koa mba hahay hifampitsinjo isika samy isika.
Ny maha-olona telo an'Andriamanitra dia hanehoany amintsika fa FITIAVANA izy, tsy roa fa telo, araka izany dia FISOKAFANA amin'ny hafa ny fitiavana fa tsy fikombonana ao amin'ny Fifampijeren'olon-droa.
Ho hitantsika amin'ny manaraka ireo toetra roa hafa : Mahalala ny zavatra rehetra sy amin'ny toerana rehetra...
(tohiny)
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||