DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

fanasana!!!!

harilova | 20 Martsa, 2008 17:00

Rahefa miteny hoe : fanasana dia inona no tonga ao an-doha? Fanasana hamonjy fety ho an'ny manan-katao... Fanasana vilia rehafa manomboka ho vita ny fety... fanasana lamba sy akanjo...fiara!!
Anio dia ankalazain'ny Mpino kristiana ny Fanasana Farany niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany!
Tsy invitation anefa ilay izy fa "fanasana tongotra".
 
 
  (tohiny)

Nitsahatra ny orana!

harilova | 12 Martsa, 2008 22:15

Rehefa milaza hoe an-dafy taloha dia tahaka ny hoe lafatra be izy izany, saingy toa aleoko ihany le mandoha vola any madagasikara dia avy eo misahirana ka!

Ny any amintsika dia misy ny boaty postaly ka mandoha vola ianao dia misahirana mankany amin'ny paositra maka ny taratasy! Ny aty andafy indray dia  efa be hoe ny taksa aloha ka ny paositra no manatitra ny taratasy isaky ny lava-trano! saingy ny voamariko nandritra ny telo taona nipetrahako tato izay fa rehefa avy ny orana, tsy hisy taratasy ho avy eo! Aleo lazaina ny antony hoe : mba hitsinjovana ny taratasy tsy ho lena eny an-dalana!

Saika hanoratra izany aho tamin'ny alatsinainy satria herinandro ziay dia avy lava ny orana! dia nisy natao tampoka aho, ka tsy vitako ilay izy! dia nanoratra about blank aho! fa toa be mpanokatra kokoa noho ny lahatsoratra sasany soratako eto!!!

Sady no! comment be comment be!

Aleo aloha izay fa ny andro nanomboka nihiratra androany dia nahazo taratasy tany amin'i dadanay aho dia vao hamaky azy!

about:blank

harilova | 10 Martsa, 2008 17:20

pagina vuota

page blanche

Tananan'Ikalamako

harilova | 25 Febroary, 2008 15:36

Nitsangatsangana tany amin-dry Ikalamako aho izany dia tratra hariva niandry Bus dia ity sary ity no hitako nameno tanàna, indrindra isaky ny fermata!

Dia hoy aho hoe tena 30cm avy any ambony kay mo no refesina fa tsy avy any ambany!!!!

Fai clic

Dia namerina conjugaison verbe aho :

j'a dore!

Tu d'or

nous dormons!

vo....dia tsy haiko intsony!!!

Dia manontany tena aho hoe ho avy izao ny 8 martsa ka harentirenty indray ny zon'ny vehivavy! Enga anie tsy ho amin'ny dokam-barotra ihany!

Taggé? Vonjeo fa tsy haiko

harilova | 22 Febroary, 2008 01:10

Aioto o

mba havoty fa tsy misy lohany tsy misy vodiny! raha adika amin'ny tenin-drazana izany dia inona no heviny?

Tsiambaratelo inona re no ambara vahoaka eto e?

ny tsiambaratelon'ny fo sasany angatahin'Ikalamako amiko aloha dia efa lazaiko eto :

1- tsy haiko ny dikan'ilay taggé

2- izaho tsy monina any amin'ny tany miteny frantsay

3- lava be ny akanjoko fa tsy 30 cm ohatra ny an'ny sasany!

4- izaho tsy voaivavy fa lahilehy

5- mahay mamaky teny miankavia aho.

Dia ny anakiroa sy ny relais ohatra ny ataonareo rehetra dia lazaiko rehefa misy mametraka hafatra hanao taggé antsitra-po eo.

fanampiny taorian'ny hevitr'ikalamako :

Ny faha-6 ary e : matory amin'ny 13 ora alina aho miandry ny komanteran'Ikalamako isan-kalina hahafahako manomana ny fifampizarana isan-kerinandro...

ny fahafito taorian'ny torohevitr'i Lehilahytsyresy : tsy misotro Téggué aho, kroà blé (sy rozy)

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 ... 25 26 27  Manaraka»
 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb