DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

cercasi valentina

harilova | 14 Febroary, 2008 10:19

 amin'ity andro anio ity dia heveriko fa ny fanamafisana ny fitiavana hifamatoran'ny Mpifankatia sy ny mifankatia no laharam-pahamehana. Nahoana koa moa no tsy azo heverina fa mety ho fifampodiana sy famitranam-pihavanana ho an'ireo indrisy, mety ho lasa mpifahavalo!

Dia mamaky ny tononkira dia tononkira eto aho, mandinika hoe raha mba mihira ny fitiavako aho, inona no ho lazaiko!

1 1Hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany anie izy!
Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao;
       3 soa ny hanitry ny zava-manitrao,
diloilo mamerovero ny anaranao,
izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
       4 Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika!
Nentin'ny mpanjaka ho ao an'efi-tranony mitokana aho,
hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay,
hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay.
An-drariny loatra ny itiavan'ny olona anao!

Dia hoy aho hoe le ranomanitra sy le oroka mamibe ve no nitiavany ahy??? sa izaho no tsy mahazo tsara izay voasoratra?

dia nanohy namaky ihany aho, mba hahazoako tsara ny fitantarany ny fitiavany. Ankoatra ny famariparitana ny bikabikan'ilay olon-tiana (ohatra ny nataon'i Sazykely) dia toa fifampitadiavana ilay fitiavana. Ny tsy maha-eo ny olon-tiana no hahafahana mahatsapa ny halaln'ny fitiavana azy!

Fa raha mandinika tsara ianareo dia "Juves" no tantaraina ao (black &white fa tsy araka ny heverin'ny sasany e). Na ny tsy fitoviana tanteraka aza dia azon'ny fitiavana haravona mandrakariva. Ilay ampankarina manko dia "mainty sy tsara tarehy" (1, 5)  nefa ilay mpampiakatra " fotsy mamirapiratra (mandina aaka ny dikanteny) sy menamena" (5,10). Aza adino anefa, sao dia ho saro-piaro loatra, fa tokony hampitombo ny fitiavana ny olon-tiana ny fitsiriritan'ny olona azy (7,1), na ny fahafoizan-tenany hiara-dia aminy hitady anao!!! (6,1).

Dia tonga tany amin'ny faraparany aho no nahita ilay vakiteny ankafizin'ny maro, na vazaha na gasy amin'ny fampakaram-bady :

8 6 Ataovy vita tombo-kase eo ambonin'ny fonao aho,
sy vita tombo-kase eo an-tsandrinao;
fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,
tsy azo ifonana toy ny seoly ny fahasarota-piaro,
mirehitra toy ny afo ny firehetany,
dia lelafon'Iaveh.
       7 Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana,
ny ony koa tsy mahasafotra azy.
Raha misy olona hividy fitiavana na amin'ny fananana rehetra ao an-tranony aza
dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.

Dia hoy aho hoe kay fifampitadiavana ity  valentin ity! Dia samia manoratra ny Tononkirany androany e.

Mirary fety tsy handany vola be loatra ho an'ny rehetra.

Saika tsisy Harilova 'tsony

harilova | 09 Febroary, 2008 10:55

Loza ry reto fa saika nanjavona teto amin'ny tontolon'ny serasera i Harilova a! Handeha hanao ny asa fanaoko isa-maraina aho no fifandona amin'ny fiara opel kely izay ny fiara nentiko. Somary mafimafy ihany ny fifandonana. Mipetraka mijery ilay fiara aho avy eo dia mandinika hoe, sao mba efa matoatoa toy ny amin'ny Film the Ghost, satria dia tsy nisy noraisina ilay fiara!

Dia manoratra blaogy eto aho, miarahaba ny tenako tsy maty fo aman'aina. Raha toa moa efa matoatoa no manoratra eto fa efa maty aho dia tsy manahy fa dia mbola hanohy hifampizara aminareo eto ihany izany ny aveloko e!

Tsy nahavita naka sary aho fa mbola mandinika sy mamerina maka sary an-tsaina ny nitranga aloha izao!

resa-bavaka!

harilova | 05 Febroary, 2008 11:39

Tohin'ny resaka efa nandeha teto izy ity, momba ny finoan'ny olona sy ny mety ho vavaka ataony setrin'izany. Azonareo jerena ohatra ny an'i Jentilisa hoe Aza aparitaka! Nahazo ity vavaka ity aho anio maraina, efa nahazo tahaka ity aho fa tamin'ny teny vazaha fa izao nisy nandika amin'ny teny gasy dia nalefany aty amiko!

Mba vakio moa le vavaka dia jereo ny namaliako azy e! Tsy te haniratsira ny fitiavana sy ny finoan'izay nahafoy tena nandika azy amin'ny tenin-drazana aho fa mba misaintsaina fotsiny ihany!!!

 (tohiny)

Filazana manjò

harilova | 29 Janoary, 2008 23:27

Amin'alahelo lehibe no hilazana ny fahalasanan'ireo olona roa lehibe niezaka ny hihaina ny finoany : ilay rain'ny Mormoni, Itompokolahy Gordon B. Hinckley (97 taona) sy ny arseveka grika Christodolous (69 taona) . Mirary fiononana feno ho an'ireo varavarana nivoahana, fa atao ahoana fa fandalovana moa ny fiainana!

 Ny hany fanamarihana nataoko dia ny 28 janoary no andro nahafatesan'izy ireo, telo andro taorian'ny herinandron'ny ekomenisma. Vonton'ny firaisam-pinoana ve izy ireo ka nifanao fotoana any an-koatra?

 

Mandria am-piadanana ianareo, hiadananay velona ihany koa!

audimat! inona izany?

harilova | 25 Janoary, 2008 11:36

Raha mba fantatrareo re ny dikany dia mba azavao amiko fa tena néologisme tsy hitan'ny voambolana mba takatry ny volako le izy e!

Io teny io no nandany ny androko anio tontolo maraina, raha namaky ny hafatr'i Benoit ho amin'ny tontolon'ny serasera aho (jereo eto). Na dia ny 18 mey aza no ankalazaina any Dago dia omaly no navoakany ny hafatra : "Ny tontolon'ny serasera : ny adidy aman'andraikitra eo am-pitadiavana ny marina sy amin'ny fizarana azy amin'ny hafa".

Novakiako tamin'ny teny italiana aloha le izy dia mba azokazoko ihany, fa rehefa hanao famintinana aho dia naka ny dikan-teny frantsay, ka audience, amin'ny teny italiana, izay tokony ho udienza, dia tsy nadika. Nojereko ny teny frantsay dia audimat no tao (karazana terme technique hilazana ny écoute izy io), mainka loza. Lazain'ny voambolana sasany fa ny salanisan'ny mpihaino (TV sy Radio..) no niantombohan'io teny io, avy eo dia noheverina ho ny fiantraikan'ny zavatra lazaina na amparitaka amin'ny olona mpandray (destinataire du message). Tsy mijanona main'izany anefa fa manjary ny zava-kendrena mihitsy amin'ny fanaparitahana ny hafatra!

Tsy tena azoko antoka anefa izany satria miovaova arakaraka ny tenim-pirenena ny dikan-teny azo!!!

Na izany na tsy izany dia mazava ny hafatr'i Benoit! Tsy izay rehetra azo tanterahana  noho ny fivoatran'ny teknolojia tsy akory dia mendrika  avokoa (§3). Firifiry no loza sy korontana ateraky ny internet (rava tokatrano indrindra indindra...) Tsy ireny anefa no mampiena ny soa mety haterany koa.

Ambaran'ny Papa ary fa laharam-pahamehana ny hiezahana hanorina info-éthique (toy ny bioéthique amin'ny médecine) izay hamolavola ny fisainana eo anatrehan'ny loza roa manambana : ny Matérialisme économique (fiheverana fa ny tombontsoa ara-bola ihany no laharam-pahamehana sy maha-olona ny olona, tahaka ny hoe olona = rangahy) sy ny relativisme éthique (izay tiako ihany : izao ny raiamandreny mimenomenona avokoa amin'ny zanany tsy laitra tenenina! satria tian'ny olona halana eo amin'ny fiaraha-monina ny fifanajana sy ny hasina maha-olona. Ny tsy firaharahahiana ny fitondran-tena tsara dia mazava loatra fa fanafoanana ny hasin'ny fanabeazana... resaka lavabe).

Mangetaheta fahamarinana ny olona! (Asa aloha na marina izany na tsia fa toa mangetaheta vola no betsaka!) Ny Marina ihany no maha-olon'afaka hoy Jesoa ao amin'ny Evanjely (Jn 8, 32). Inoako fa matoa ianao nahavita namaky hatreto dia mpitady ny marina ihany koa ka isaorana anao.

Aza adino le dikan'ny audimat ho an'izay mahalala azy tsara!

 

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 ... 27 28 29  Manaraka»
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb