"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 22 Desambra, 2007 00:12
"Indro ny Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy...." Dia ahoana tokoa ny virjiny hitoe-jaza izany? ady hevitra efa ho tapa-kandro taoa min'ny Radio tao izany androany ka narahako ihany ziay azoko narahana mba hahenoana hevitra! Heveriko fa izay efa nolazain'i Md Amboazy 1600 taona lasa no mila dinihina : tsy dia ny olan'ny virjiny hiteraka no mipetraka fa ny amin'ny finoana an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra...
Fa ho fanomanana ny Noely ity manaraka (alahady IV Fihaviana)
harilova | 01 Desambra, 2007 00:15
Tsy mananihany aho fa ho an'ny katolika e! arahaba nahatratra ny taona!
Jereo eto ny Bonne année
harilova | 26 Novambra, 2007 17:41
Ity no lahatsoratra faha-100 araka ny fanisana omen'ny Compteur ao amin'ity Blaogiko ity.
nanomboka tamin'ny Paka 2006 no nanoratako teto, rehefa avy nandray anjara mavitrika tao amin'ny Namana serasera dia naleoko manoratra ny hevitro manokana mikasika ireo adihevitra nivaivay tao. Tsikelikely dia lasa fizarana toriteny sy firariantsoa izy ity, noho ny antony koa moa hoe hitsinjovana ireo namana any madagasikara mipetraka amin'ny faritra mampanaintaina ny miandry mailaka hisokatra, ka noho izany dia manamaivana ny mail halefa koa.
Dia antenaiko fa zato fanombohana izao, fa na ny finaneraserana ihany aza moa dia zava-dehibe.
Hanamarihana izany fitohizana izany no ametrahako eto ity sarin'ny taona litorjika ao amin'ny Katolika ity, indrindra amin'izao fanombohan'ny taona Litorjika fandinihana momba ny batemy izao...
NB. Ny Paka no ivo, ary ny alahadin'ny fihaviana no fanombohana...
harilova | 12 Novambra, 2007 11:44
Eo anatrehan'ny marary mafy, mijaly sy toa tsy hahitam-panafana intsony dia honena ny fo ka satry hilaza hoe : aleo maty toy izay mijaly toy izao. Dia maniry ny ho faty na sanatria iriana ho faty, na ampiana ho faty....
Ny Fiangonana Katolika anefa milaza fa tsy antsika ny aina, tsy azontsika atao mihambo ho tompon'ny aina ka hanao izay tiantsika atao. Ka tsy fikimpia-maso eo anatrehan'ny fijalian'ny olona ve izany? Na sanatria karazandrazana "Masochisme" ?
12 taona lasa izay no nanoratan'ny Mpanompon'Andriamanitra Joany Paoly II ny "Evanjelin'ny Aina" nilazany fa "Andriamanitra irery nomanapa-kevitra momba ny fahafatesana sy ny fiainana (Dt 32, 39)
Kanefa ve, azo hiadian-kevitra amin'ny olona tsy mino ny fiainana mandrakizay izany?
Raha mahaliana anao dia tohizo ny famakiana ity manaraka ity
harilova | 10 Novambra, 2007 12:59
Na tiantsika na tsy tiantsika, rehefa sendra ny mafy amin'ny fiainana dia mandini-tena ihany, ary raha misy azo hisafidianana dia milaza hoe : raha tsy adala aho ko! Aleoko manao izoa na manao izao. Tsy ny tranga mahazo ireo mamoifo ka namono tena no holazaintsika eto, fa ny tranga mazàna mahatonga ny olona mandao ny finoana : inona no handaniako andro any am-piangonana any? Izay maha-metimety ny fiainana no atao e.
mampametraka fanontaniana madrakriva ny momba ny fahafatesana, ny momba na'Andriamanitra... Azonao alalinina eto (GS 18-19ss)...
Dia ahoana tokoa moa? izay milaza fa mino an'Andriamanitra, terena aza tsy miditra am-piangonana!!! mba hisantatra sahady ny fiombonany ho an'Andriamanitra...
Ny nandao ny finoana kosa, toa mahomby amin'ny fiainana (Jereo sal 73) ka mahavelom-pialonana ny mba nikasa hanaraka ny rariny sy ny hitsiny...
tsy fanontaniana vao androany io, fa efa nolovantsika tamin'ny razam-ben'ny finoana
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||