Categorie: Ankapobeny
Ny andron'ny 10 aogositra no itsingerenan'ny taona nahitan'i Diego Diaz an'i Madagasikara ny taona 1500. Ny anarana hoe Madagasikara dia efa ny faramparan'ny taonjato faha-18, araka ny fikarohana nataon'i Marco Polo, fa nosy Md Laurent no niantsoana azy talohan'izay,...
Na dia hoe an-dafy aza no hilazana ny aty amin'ny misy anay aty dia ny fimenomenomana amin'ny hasarotan'ny vidim-piainana misy hatraiza hatraiza... Ny mahagaga a nefa dia tsy ho sanatria ny tsy fananam-bola no tsy hisintahana kely any an-toeran-kafa mba hiala voly... vacances !...
Manao ahoana daholo! Saika mba ho any Sidney aho ry 'reto dia nanao kaonty dia hoe ohatrinona ny vola lany amin'io? Fihaonana ve io sa vacances? Asa re! Azon'ny fakam-panahin'i Jodasy aho hoe : raha mba izao no hanasoavana ny mahantra! jereo eto ny tohiny fa tena tsiss...
Tsy niala ny trano aho tamin'ny herintaona nandritra ny hafanam-ben'ny été! Dia izay ny vacances! Fialam-boly mandreraka fa mipetraka fotsiny dia malemin'ny hafanana ho azy eo! Dia tsy niala voly fa nila voly! Mba nanomboka nandamina fandaharam-potoana ihany aho...
Eto am-panembonana ny takarivan'ny arendrina aho dia lasa ny saiko, mandinika ny lasa, mamisavisa ny ho avy, manao fampitahana! Fa Fahaleovan-tena inona loatra re ry Gasikara no ankalazainao? Fahaleovana miharo fahalovana ve sanatria ka hanjary hankaleo? Sa fahaleovana miharo fahalahelovana...