Categorie: Ho an'ny Mpino
Masina Maria tsy azon-keloka : 8 desambra 1854 nambara mazava ho anisan'ny foto-pinoana katolika. Tsy hoe didy jadona tsy maintsy hinoana tsy akory no anton'ny DOGME (foto-pinoana) fa kosa mba hisorohana ny resa-be tsy misy farany, izay mazana vokatry ny tsy fahampianan'ny fandalinana,...
Fotoana maha- advantista ny katolika ireto herinandro telon’ny fiaviana ireto. Amin’ity taona ity(2006) no fohy indrindra io fotoana io. Maha- advantista ny katolika satria mandritra ireto fotoana ireto no iandrasany ny “fiavian’ilay efa tonga sady miara-monina...
Mankalaza an'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao ny katolika amin'ny alahady faran'ny taona litorjika (1) . Zavatra roa no tiako hozaraina aminao eto : ny momba an'i Kristy Mpanjaka sy ny vokatr'izay eo amin'ny fiainan'ny Vahoakany... 1- Kristy Mpanjaka : Tamin'ny alahady teo dia...
Ny 2 novambra dia natao hahatsiarovana ireo efa nodimandry. Fahatsiarovana nipoitra avy ao amin’ny Fivavahana katolika izy io [1] , saingy ohatra ny fety kristianina rehetra, hany ka manjary hajaina fatratra, na tsy noho ny antony ara-pinoana aza, noho ny antony ara-ekonomika…...
ady masina! azo ekena ve izany? Tsy azontsika hanamarinana ny zava-dratsy ataontsika ny anaran'Andriamanitra hoy ny Papa. Ampy izay ny fiantsoana ny anaran'Andriamanitra hiadiana sy hamonoana olona. Tsy misy ady masina... Vitsy no namaky na nihaino ny tena fampianarana nataon'ny Papa tany...