Categorie: Resadresaka
nalaza naneran-tany ny fako taty Naples, ary mbola hanalan-dry 'Kalamako anay eo foana moa izany. Ny tena nahalasa ny saiko anefa rehefa mba mandeha mamangy ireo fianakaviana Napoletana fantatro aty aho ny hakanton'ny ao an-tranony. Fomba fiteny ny hoe Madio ivelany tahaka ny fasana ,...
Asa moa fa dia arahabaina ianao nahatratra ny Paka e Paska angamba no tsaratsara kokoa sa pissoa!!! satria araka ny kely mba fantatro toa avy amin'ny teny miankavia hoe Pessah izy io ka pissoa no toa manakaiky azy raha vakiana am anglais!!! Fandalovana hono ny dikany, dia miary anao...
Rahefa miteny hoe : fanasana dia inona no tonga ao an-doha? Fanasana hamonjy fety ho an'ny manan-katao... Fanasana vilia rehafa manomboka ho vita ny fety... fanasana lamba sy akanjo...fiara!! Anio dia ankalazain'ny Mpino kristiana ny Fanasana Farany niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany!...
"Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana". io no diniky ny fo, izay tsy mahasasatra ahy ny mandinika azy ombieny ombieny. Mba namaky ity vakitenin'ny Katolika.org ity aho androany ( Jer 17, 9 ) dia vaka ny saiko : Mamitaka hoe ny fo!...
Eo anatrehan'ny marary mafy, mijaly sy toa tsy hahitam-panafana intsony dia honena ny fo ka satry hilaza hoe : aleo maty toy izay mijaly toy izao. Dia maniry ny ho faty na sanatria iriana ho faty, na ampiana ho faty.... Ny Fiangonana Katolika anefa milaza fa tsy antsika ny aina, tsy...