DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Fandriam-pahalemana

harilova | 06 Septambra, 2006 14:55

Tena mampioron-koditra ny maheno fa indrindra ny mahita ity ady tsy misy farany ity. Vaovao alefan'ny TV Italiana matetika  ny fandehanan'ny miaramilany misatro-manga hampandry tany any Liban.

Fa inona moa ny Fandriampahalemana?

Ara-bakiteny (foto-teny : mandry sy alina) dia ny fahafahana matory tsara amin'ny alina no atao hoe fandriam-pahalemana. Ny mifanohitra aminy dia ny mandry tsy lavo loha...

PAX, PAIX na PACE... Shalom sy Shalam... dia enti-milaza ny fandriam-pahalemana izay manjary mitovy hevitra amin'ny hoe fiadanana ...

Ny tiako hifampizarana aminao fotsiny dia izao : ilay ohabolana anglisy malaza hoe : Charity begins at home, manomboka ao an-trano ny fifampitsinjovana. Tsy afaka ny hanome fiadanana ny hafa ianao raha tsy ianao mihitsy aloha no efa miaina izany fiadanana izany...

Dia ahoana no hahafahana miaina ny fiadanana?

Hevitra

Re: Fandriam-pahalemana

jentilisa | 07/09/2006, 09:45

Tsy hoe mandry syalina fa mandry sy lamina kosa e!

Re: Fandriam-pahalemana

mpandalo | 07/09/2006, 20:03

Anontanio ny akademia malagasy
Raha mandry sy lamina mety hanome fandriampilaminana angamba, sa ahoana?
asa aloha e

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb