"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 06 Novambra, 2006 22:18
Dialogue : izany hoe tenin'olon-droa! Olona, na hevitra roa izany no mifanakalo.
Raha vao milaza izany resaka "dialogue" izany isika dia tonga ao anatin'ny saina mazàna ny hoe "marimaritra hiraisana... Tsy azo adinoina anefa fa misy fetrany ny marimaritra iraisana, hatraiza?
Sarotra ny hilaza hoe ny fifanantonan'ny samy mpino, ny fiaraha-midinika ataon'ny Kristianina sy ny silamo na ny silamo sy ny indòista dia fitadiavana ny marimaritra iraisana.
Manasa anao aho hanaraka hamaha ity olana ity, tsy lazaiko hoe ny lehibe indrindra amin'ny olan'ny fiaraha-monina, fa kosa lazaiko hoe ny saro-pady indrindra, satria manko na lasa mirona ho amin'ny fanatisme (integralisme = ny ahy ihany no marina) na ho amn'ny syncrétisme (izay mahasoa ataon'Andriamanitra = "Mitovy aby rehefa fivavahana, Andriamanitra iray ihany...", dia manao finoana vary amin'anana)Raha mahita hevitra ianao dia mba lazao ihany? Indraindray manko ny kristianina manizingizina fa efa nolazain'i Kristy ny marina rehetra, marina izany. Izy no hafenoan'ny fanambarana nefa tsy azo adino na oviana na oviana fa nilaza koa Izy fa tsy mbola zakan'ny lohantsika ny hafenoan'ny fahamarinana nambarany, ho avy ny Fanahy hoy Izy, ka nahoana no tadiavin'ny Kristianina hotaperina tamin'ny Patenkotin'ny Apostoly ny fidinan'ny Fanahy Mpanoro antsika ny Marina?
Sao sanatria lahy, mba nisy fahamarinana tian'ny Fanahy nambara tamin'ny alalan'i Mahomed, na tamin'ny alalan'i Boudah... na amin'ny hafa koa?
Asa lahy...
Holazaiko anao amin'ny manaraka :
Inona ny asan'ny finoana teo amin'ny tantara? Nantenaina hitondra ny fiombonan'ny Mpino an'Andriamanitra, kanjo amin'ny ankapobeny, lasa fitaovana politika sy sosialy hamoretana sy hanjakazakana...toa nantenain-kanirina vao mainka nampivandravandra : Tsy hay kosehina ny tantara, tsy natao hahamenatra fa natao hananatra sy hanoro hevitra, natao hakàna lesona...
mana | 26/11/2006, 22:50
efa mifankahalala daolo v nareo mifampiresaka ato e
toa ohatry ny vahiny b za zany a
mbo atovy au courant mou e
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||
Re: Dialogue interreligieux
mpanao lalàna | 10/11/2006, 11:29
mba afaka miady hevitra vare ianareo sy Daily new?
jereo moa ity e
http://dailynews.blaogy.com/post/392/2081
indrindra ny hevitra nataon'ny mpanao lalana ao!
tonga de guerre be
Hi hi