"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 04 Oktobra, 2007 17:46
Fa ny olomasina ve mba nijaly toa antsika amin'ny fiadivana amin'ny halemena sy ny fahazaran-dratsy? Malaza ny fifankatiavana nifamatoran'i Fransoa Dasiza sy Claire, Fifankatiavana nampamokatra ny Fitoriana ny Evanjely noho ny asan'ireo Fransiskana tohanan'ny Klarisy vavaka avy ao amin'ny klaozora! Fetin'i Fransoa Dasiza androany dia mba zaraiko aminareo eto ity Tantara nataon'i Antonio Pagano momba azy ity :
Piangendo Francesco disse un giorno a Gesù:
O Francesco, non devi piangere più, perchè io amo ciò che ami tu.
Indray andro, an-dranomaso no nilazan'i fransoa tamin'i Jesoa hoe :
Tiako ny masoandro, tiako ny kintana, tiako Kiara (Claire) sy ny rahavaviny, tiako ny atifon'ny olona, tiako ny zavatra manana hatsarana rehetra!
Tompo o! Mamindra fo amiko noho izany satria ianao irery no tokony hotiaviko!
Fa am-pitsikiana kosa no namalian'i Jesoa azy hoe :
Tiako ny masoandro, tiako ny kintana, tiako Kiara (Claire) sy ny rahavaviny; tiako ny atifon'ny olona, tiako izay zavatra manana hatsarana rehetra.
Ka tsy tokony hampitomany anao izany ry Fransoà satria tiako avokoa ireo zavatra notiavinao rehetra ireo.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Janoary 2009 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |