DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Ny Voady

harilova | 08 Oktobra, 2007 21:45

Ataotaony fotsiny ve ny voadin-drelijiozy sa mba hiainany araka ny tena izy? Misy mahavita ny tsy hanambady izany ve ka hijanona hadio? Misy hahafoy ny hananany izany ve mba homena ny tsy taova tsy volovolo? Azo lazaina ho afaka ve ny olona manaiky hanao ny tsy sitrapony?

Ny 8 oktobra no fanaovan'ny Rahalahy Trinitera voady, araka ny mahazatra. Dia mba nandinika kely momba izany voadin-drelijiozy izany aho, hozaraiko aminao eto izao.

Tanjon’ny fanokanan-tena ny handavorary ny fitiavana, amin’ny fanarahana ny torohevitry ny vaovao mahafaly [1]. Izany Fitiavana lavorary izany dia “famantarana mamirapiratra hahitana ny Fanjakan’Andriamanitra”. Tsy fanombohana fiainana vaovao tsy akory ny fiainan-drelijiozy fa fandavorariana ny fiainam-panahy efa natomboka tamin’ny Batemy. Izany fiainam-panahy izany dia azo fintinina amin’ireo hatsaram-panahy telo : ny finoana arahin’asa, ny fitiavana mahafoy ary ny fanantenana am-paharetana araka ny ilazan’i Md Paoly azy [2].

Araka izany, entanin’ny faniriana te-hanaradia akaikikaiky kokoa an’i Kristy ny relijiozy ka manolotra ny tenany hanaiky, hahantra sy hadio, am-pinoana lalina, am-pitiavana mivaivay sy amin’ny fanantenana tsy lefy.

  • Finoana arahin’asa : ny Finoana mampisy heviny ny fanekena

Toa an’i Kristy, tonga hanao ny sitrapon’ny Rainy (Jn 6, 38), ny relijiozy koa dia entanin’ny finoana lalina, hanaiky hatramin’ny farafonon’aina ny sitrapon’ilay Ray tia azy, ka ampian’ireo rahalahy sy ireo nomena andraikitra hitantana sy hanampy azy, dia hikaroka mandrakariva izay hampifanaraka ny fiainana amin’ny Sitrapon’Andriamanitra.

Tsy azo adinoina anefa ny fahasarotana mety ho sedraina hanatanterahana izany : tsy mora ny hanavaka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny mety ho hetahetampon’olombelona, indrindra moa raha toa ka ny saina ihany no ampiasaina, na sanatria ho fanekena an-jambany mba hampilamina ny eritreritra fotsiny. Mila mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra amin’izay fampifanarahana ny fiainana amin’ny sitrapon’Andriamanitra izay na ny Relijiozy na ireo nomena fahefana ho lehibe. Tsy afaka hihambo ho mpisolo tena an’Andriamanitra velively manko ny lehibe fa nomena fahefana kosa hampiharihary ny asan’ny Fanahy izay miteny amin’ny olona rehetra. Tsy ny mampilamindamina ny fiainana araka izany na ny fitadiavana ny marimaritra iraisana sanatria no katsahina fa izay hanampy amin’ny fahamasinana, eo am-pamaliana ny antso araka ny fanomezam-pahasoavana manokan’ny fikambanana. Dia izay ilay fanekena, tsy fanarahana am-bokony fa finoana arahin'asa, mahatonga ho olona afaka. 

  •  Ny fahafoizan-tenan’ny Fitiavana : ny fahantrana hahafahana mitia

Tsy voady maha-fadiranovana no ataon’ny relijiozy fa ilay fahantrana midika tsy firaiketana amin’ny haren’ny tany. Hoy i Terezy de Calcuta hoe : “Ny fitiavana no tokony ho anton’ny fahafoizana[3], hazavain’ny tenin’i Md Ambroise, mpampianatra an’i Md Augustin hoe : “Izay rehetra mihoatra ny ilainao dia ny anjaran’ny mahantra no notazoninao”.

Araka izany, ny hanaovana ny fananana iombonana dia hanampy ny fo tsy hiraikitra amin’izay madalo, fa indrindra mba hahafahana mampiasa ny fananana hanasoavana ny hafa. Ny fahantran-dRelijiozy araka izany dia ny sitra-po hahafoy, eny fa hatramin’izay an’ny tena sy ilain’ny tena aza mba hahatsapan’ny olona fa notiavina izy, hahatsapany fa Fitiavana Andriamanitra. Ny fahafoizana araka izany dia fanazaran-tena handresy ny fitiavan-tena ka hampisokatra ny maso hahita ny endrik’i Kristy ao amin’ireo farahidiny.

Tsy mora anefa ny hahita izany endrik’Andriamanitra izany ao amin’ny mahantra sy ny fadiranovana, tsy mora ny hifofotra hanasoa sy hamelona ny mahantra, indrindra ireo tsy raharahian’ny havany sy ahilikiliky ny fiaraha-monina. Ny ankamaroan’ny fikambanan-drelijiozy dia niforona noho ny hetahetam-panahy hitsinjo ireny olona toa niangaran’ny vintana ireny, ka tsy hitsitsy vola aman-karena, handany herim-po sy herin-tsaina hivoaran’ny olona “endrik’Andriamanitra” eny fa na dia noravain’ny fahotana aza.

  •        Ny faharetan’ny fanantenana : ny fahadiovana, fisantarana ny fiainan’ny Lanitra

Ireo manokan-tena ho “eonoka” noho ny fanjakan’ny lanitra (Mt 19, 21) dia ireo misantatra sahady ny fiainan’ny lanitra, any “amin'ny fitsanganan'ny maty, izay tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony; fa ho tahaka ny anjelin'Andriamanitra any an-danitra (Mt 22,30).

Sarotra ny hino fa ho tanteraky ny olona anefa izany. Mampametraka fanontaniana matetika ary lazain’ny maro aza ny tsy fahatokisany ireo voaantso ho amin’izany “tsy fanambadiana” izany. Marina izany, ary na ny relijiozy aza tsy afaka ny hiambo ho mahavita  izany. I Jesoa rahateo no nilaza fa “tsy olona rehetra no mahazo izany fa izay nahazo fahasoavana manokana ihany” (Mt 19,11).

Ny fahasoavana anefa tsy manafoana ny anjara andraikitra tandrify ilay voaantso amin’ny tolona ataony handavorary ny tena. Ezaka isan’andro ary andraikitry ny mpanofana ny manampy ny relijiozy hitady sy hankafy ilay “voahangy sarobidin’ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 13,45-46), amin’ny Fandinihan-tena sy ny Fivavahana, amin’ny “famolahana ny filan-dratsin’ny nofo sy fitandremana ny fandrenesana[4]. Raha tsy entanin’ny faniriana ny Fiainan’ny Lanitra araka izany ny relijiozy dia tsy haharitra amin’ny fanoloran-tenany.

Miankina be dia be amin’ny fahamatoran’ny maha-olona [5] manko ny fahafahana miaina izany fanoloran-tena izany, na dia tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa aza amin’ny rivotra hiainana miaraka amin’ny mpiara-monina, izay tokony hifampitondra toy ny mpiray tam-po!

 

Fehiny, ny finoana, ny fanantenana sy ny fitiavana dia tsy afa-misaraka. Toy izany koa ny voady. Izay tia an’Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra dia hiezaka handio ny fony, hanitsy ny fitondra-tenany, hikatsaka ny sitra-pony sy hiezaka hitia ny namana noho ny fitiavana Azy. Izay mino ny fitiavany dia hanovo hery mandrakariva avy amin’izany ka hahatohitra ny mety ho fakam-panahin’ny hafinaretana mandalo, na ny mety ho rendrarendra tsy hanaraka any am-pasana na ny avonavona mampikombona ny fo. Izay manantena ny lanitra dia tsy handraikitra ny fony amin’ny zava-mandalo, tsy hoe hisantatra ihany ny fiainan’ny anjely, fa koa hahay hizara ny hafaliany sy ny fanantenany amin’ny hafa, indrindra amin’ireo efa miraviravy tanana, manary toky satria mafy ny fiainana kanefa toa tsy mihaino vavaka Andriamanitra.



[1] Perfectae Caritatis [PC] 1 = Ny Fitiavana Lavorary, Lohatenin’ny Sori-dalana (Décret) momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fiainan-drelijiozy navoaka tamin’ny 28 oktobra 1965

[2] Taratasin’i Paoly hoe : “tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason'Andriamanitra Raintsika ny asan'ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan'ny fitiavanareo, ary ny faharetan'ny fanantenanareo an'i Jeso-Kristy Tompontsika” (ITes 1,3) … “Koa aoka isika [..] hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.” (ITes 5,8) : dingana nijerena ireo voady telo sy  ny fifandraisany amin’ny hatsaram-panahy teologaly 
[3] “avant d’être privation, la pauvreté doit être amour”

[4] Perfectae caritatis n°12 §2

[5] Heveriko fa matotra ny olona iray rehefa afaka mifidy ny tsara indrindra hitany sy mambabo ny fony, ka vonona hamela izay rehetra tsy mifanaraka amin’izany, ary vonona ny hahafoy izay efa nananany aza mba hahazoana izay nambabo ny fony ( nivarotra ny fananany rehetra mba handeha hividy ilay saha =Mt 13, 44)

Hevitra

Re: Ny Voady

ikalamako | 08/10/2007, 23:12

:-) hamonjy voady tokoa amin'ny 14. Hay ve !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb