"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 20 Oktobra, 2007 18:11
Piazza Plebiscito jerena avy eny an-tendrombohitr'i San Marti
no Tanàna malaza momba ny Cammora (Mafia any Sicile aty 'Ndragheta any Reggio Calabria) i Naples. Ireo moa dia Mpampiorohoro eo amin'ny fiaraha-monina amin'ny antsoina hoe "crimes oganisées". tsy famangiana fe famangiana ihany manko ny an'ny Papa fa koa famonjena ny fihaonana iraisam-pinoana ho an'ny Fiadanana. Tsy azo adinoina ny hafatry ny Filohan'ny Silamo mitambatra nanoratra ho an'ny Papa hoe : raha tsy ny Kristiana sy ny silamo no mihavana tsy hisy fandriam-pahalemana eto an-tany!
Hanova inona amin'ny rafitra efa mafy orina ny Famangian'ny Papa? Iza no hahavita hitaraina am-paharetana toy ilay Vehivavy mpitondratena lazain'ny Evanjely androany? (Jereo eto) Asa aloha fa izay anontaniana rehetra mino avokoa fa hisy fihovana! fa hiova ho tsaratsara kokoa sa ho ratsiratsy kokoa? Angamba ny tsara atao manontany ny tsirairay hoe : manova inona amin'ny fiainanao ny fandalovan'ny Papa fa tsy hoe Manova inona amin'ny Tanànan'i Naples ny Fandalovan'ny Papa adiny valo?
Hilan-tanànan'i Naples tazana avy eny amin'ny Castel Sant'Elmo
Ma che cambia per una società multiculturale, multietnica, ma anche con un'organizzazione complessa, terrifiante che tutti nominano "Cammora", anche se il Papa passa, anche se San Gennaro compie miracoli ogni tanto! Chi crede a questo cambiamento?
Certo, solo coloro che hanno già contribuito a loro stesso cambiamento : la società non cambia e non può cambiarsi, solo noi, uomini che abitiamo Napoli, solo noi che possiamo cambiare! Non ci illudiamo a cambiare gli altri, possiamo pregare con insistenza come la vedova del Vangelo di oggi (Lc 18,1-8). Siamo tutti responsabili del male intorno a noi, responsabili irresponsabili. La preghiera non è sentimento, è vita. Non sarà Benedetto a compiere miracoli; due domeniche fà, Gesù ci ha avertito : " Se non ascoltano Mosè e i profeti, non si lasceranno persuadere neppure se uno dei morti risuscita" (Lc 16, 31).
Ascoltiamo Mosè e i profeti, viviamo ciò che siamo, facciamo ciò che possiamo per cambiare noi stessi e così crediamo veramente che Napoli cambierà in meglio!
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Janoary 2009 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |
Re: Mamangy an'i Naples ny Papa
ikalamako | 21/10/2007, 15:18
Napule !
Ho tantarainy anao any Naples,
Eny amin'ny rindrin'ireo elakelan-trano,
Azonao vakiana ny tantaran'ity tanàna lehibe sy tsara tarehy ity.
(Napule hiran'i D'Alessio-Finizio-Dalla)
Naples : tanànan'i Totò, Caruso ; tanànan'i pizza margherita (miam...), ny café-n'i Naples (toa ny ranon'i Naples hoe no mampiavaka ny tsirony!)...