"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 31 Oktobra, 2007 23:56
Ny vazaha moa dia miasa izao ny zoma ka dia ny fetin'ny olomasina rehetra no hananaraotana handehanana any am-pasana e. Fa mba misy dikany ve izany raha tsy misy finoana? Misy heviny ve ny faty raha tsy misy ny lanitra? Misy ve ny lanitra? (jereo eto) ary nahoana no tsaroana ny maty? (Jereo eto)?
Ny Hasambaran’ny lanitra
Ny fahatsiarovana ny havana nodimandry dia tsy famohazana fota-mandry tsy akory fa kosa fanamafisana ny finoana fa misy ny lanitra. Isika mivahiny ety an-tany, voaantso ho masina, voaantso ho sambatra (Evanjely Mt 5, 1-12) dia antsoin’i Kristy hahatsapa ny hasarobidin’ny Fiainana... “Tonga aho, hoy izy, mba hahananareo ny Fiainana, ary mba hananananareo azy amin’ny hafenoany” (Jn 10, 10). Tsy mora anefa ny hanome heviny ny fijaliana : fahantrana, fandeferana ny tsy rariny, fitomaniana, hanohanana sy hetaheta...
Tsy mora toy izany koa ny hitandrina ny hadiovam-po, ny hamindra fo amin’ny fahavalo sy ny rafy...Kanefa tohin’ny evanjely nohenointsika tamin’ny alahady, sarotra ho an’ny mpanakarena ny hiditra amin’ny fanjakan’ny Lanitra (Lk 18, 24), saingy kosa “Izay tsy azon'ny olona atao, dia azon'Andriamanitra atao” (v. 27). Izay fahefan’Andriamanitra entiny maneho ny indrafony izay no ankalazaintsika amin’ny andro anio : ny voninahitry ny olomasiny. Tsy kivy isika, satria ampian’ny vavaka ataon’ireo nialoha lalana antsika, dia manavao ny toky fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao, ampy ho toky hihatrehantsika ny fahasarotan’ny fandavorarian-tena ny fahasoavany.
Ny fety anio sy ny fahatsiarovana ny nodimandry rahampitso dia tsy afa-misaraka. Ny hafaliana androany hahatsapantsika ny fitiavan’Andriamanitra antsika zanany (vakiteny II 1Jn 3, 1-3) dia tokony hampiredareda ny faniriantsika ny lanitra.[1] Dia zary fiononana ho antsika koa ho an’ireo nodimandry havantsika, satria mamoha fanantenana vaovao ny hihaonantsika aminy indray rehefa avelan’Andriamanitra ny sazim-pahotany[2]. Iza no hiakatra ny vohitry ny Tompo? Iza no honina ao an-dapany? (Salamo 23 setriny [3] ) Izay mahitsy fo sy madio tanana, tsy mianiana hahavoa ny namana...
Ndeha ary samy hiezaka amin’izany satria tsy misy heviny ny fivavahana ho an’ny maty raha sanatria ka ataontsika tsirambina ny fanamasinantsika tena, satria raha hivavahantsika ho any an-danitra ny havantsika nodimandry nefa isika tsy te ho any, moa mba misy heviny ve izany??? OK
[3] Mifameno ny hitsi-po sy ny tanana madio (hitsi-piainana) : tsy ampy ny mieritreritra hanao ny tsara, ilaina ny miezaka manatanteraka izany eo amin’ny fiainana; toraka izany koa, ny fo ho enti-manao zavatra no mampitombo hasina ny zavatra atao : mety ho filan-dera ihany manko fa tsy natao am-pitiavana… tadidio ny antsa ho an’ny fitiavana nataon’i Paoly (1Kor 13) : na atolotro ho dorana hatramin’ny tenako… nefa tsy manam-pitiavana aho dia zava-poana ihany izany
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Janoary 2009 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |