"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 12 Novambra, 2007 11:44
Eo anatrehan'ny marary mafy, mijaly sy toa tsy hahitam-panafana intsony dia honena ny fo ka satry hilaza hoe : aleo maty toy izay mijaly toy izao. Dia maniry ny ho faty na sanatria iriana ho faty, na ampiana ho faty....
Ny Fiangonana Katolika anefa milaza fa tsy antsika ny aina, tsy azontsika atao mihambo ho tompon'ny aina ka hanao izay tiantsika atao. Ka tsy fikimpia-maso eo anatrehan'ny fijalian'ny olona ve izany? Na sanatria karazandrazana "Masochisme" ?
12 taona lasa izay no nanoratan'ny Mpanompon'Andriamanitra Joany Paoly II ny "Evanjelin'ny Aina" nilazany fa "Andriamanitra irery nomanapa-kevitra momba ny fahafatesana sy ny fiainana (Dt 32, 39)
Kanefa ve, azo hiadian-kevitra amin'ny olona tsy mino ny fiainana mandrakizay izany?
Raha mahaliana anao dia tohizo ny famakiana ity manaraka ity
Fa aorian'ity fiainana ity ve mbola misy fiainana? raha ny fahafatesana tokoa manko no farany, dia hoo azo natao daholo ny zavatra rehetra, ireo nanome tsiny an'i Hitler nikasa hanatsara ny taranak'olombelona ka nampamono izay "tsy faka taranaka" dia miezaka hanilika tsy ho vesatry ny fiaraha-monina ny ankizy sembana sy ny marary sy antitra tsy misy ilana azy intsony.
Afak'omaly no namohahan'ny Agenzie fides ity article fintiniko aminao eto ity.
Rahefa ny tsara sy ny mahafinaritra ihany no imasoan’ny olona dia tsy tsapany intsony ny fahalemena sy ny fetra, anisan’ny mamaritra ny maha-olona ny olona (è). Izany no mahatonga ny sasany hitady vahaolana amin’ny Euthanasie na amin’ny acharnement thérapeutique satria tsy misy antony tokony hijaliana : “tsy mendrika ny maha-olona ny mijaly”. Ny iray dia ny famonoana ankolaka na mivantana ny marary satria hoe mijaly loatra, na sanatria zary vesatry ny fiaraha-monina (anisan’izany ohatra ny eutanasia eugenetica : ireo zaza mitondra kilema avy any am-bohoka na voan’ny aretina… cfr Cas en Pays-Bas) ; ny iray kosa tsy fanekena ny fetran’ny maha-olona (tsy azo afangaro amin’ny tsy firaharahiana ny marary na ny tsy fanekena fitsaboana) ka mikiribiby hitana ny aina amin’ny fomba isan-karazany na dia efa hita aza fa zary vesatra ho an’ny marary izany na fandaniana mihoam-pampana fotsiny nefa tsy hitondra fahatsarana na fanantenanana akory ho an’ny marary.
Ny Fiangonana tsy sanatria hoe faly amin’ny hijalian’ny olona; ny fikarakarana ny marary dia adidy tsy azo hamaivanina, toraka izany koa ireo fanafody mety hanamaivana ny fijaliany, na dia mety hahafohy ny andro hiainany aza izany. Ny Euthanasie izany dia voafaritra amin’ny tanjona tian’ny marary na ny mpitsabo na ny havany hahatongavana (dans l’intention).
Anisan’ny mampivaivay ity olana ity moa ny “testament biologique” izay volavolan-dalàna dinihina ao anivon’ny parlemantera italiana : hamporisika ny Euthanasie ve sa kosa ho tahaka ny lalàna ihany?
Tany Canada moa no nanombohan’ity Testamenta ity, mba hahafahan’ny olona milaza mialoha ny tokony hatao aminy raha ho avy ny andro tsy hahatsiarovany tena intsony noho ny aretina (fiantsoana ny pretran’ny Fiangonana, fanolorana ny taova ho an’ny fitsaboana… ary ny katolika indrindra indrindra no namporisika azy ity). Ny Living will (mitovy va tsy sahala amin’ny testament biologique) novoizin’ny Athée tany Kalifornia (USA) anefa dia nanova zavatra be dia be satria tany amin’ny firenena anjakan’ny Common Law (Ny Fitsarana dia afaka mampihatra Lalàna araka ny trangan-javatra) satria lasa famporisihana ho amin’ny Euthanasie ny Testament biologique.
Mazava ny hevitry ny Fiangonana Katolika : Ny Zo hiaina no fototry nny zo rehetra, raha tsy misy ny aina, tsy misy hilana ny hafa rehetra. Tsy antsika anefa ny aina ka sanatria hanaovantsika izay ilantsika azy. Tsy ananantsika fahefana ny hanala azy (Euthanasie) na ny hitazona azy (acharnement thérapeutique)…
Ho an’izay mino fa tsy ny fahafatesana no farany, izay mino fa misy ny any an-koatra (n’ny fahafatesana) dia tsy hilaza velively fa vahaolana hialana amin’ny fijaliana ny fahafatesana…
Fandalinana : azo jerena ny n° 64-67 Evangelium Vitae nosoratan’ny Papa Joany Paoly II ny 25 martsa 1995)
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||