"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 01 Desambra, 2007 00:15
Tsy mananihany aho fa ho an'ny katolika e! arahaba nahatratra ny taona!
Jereo eto ny Bonne année
Taona litorjikaEfa natsidiko ihany tamin’ny alahady heriny ny momba ity taona litorjika ity (jereo eto). Telo taona hiezahana handalinana ny finoana sy hamakiana ny tenin’Andriamanitra eo am-pandinihana ny Misterin’ilay Kristy, ilay Teny tonga nofo.
Amin’ity Taona A ity, dia ny Evanjely araka ny nosoratan’i Matio no entintsika mandalina ny Batemy noraisintsika, entina mandalina ny maha-kristianina antsika. Raha lazaina ambangovangony ny momba ny Evanjely nosoratan’i Matio dia mifototra amin’ny hevi-dehibe roa : Ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Fiangonana [1]. Ny Fiangonana [2] naorin’i Jesoa araka an’i Matio dia tokony haneho sahady izay tokony ho fiainana rahatrizay any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, ary lalana hahafahan’ny olona mihazo ny lanitra.
Tsy azo adinoina ny tenin’i Jesoa namaranan’i Mateo ny Evanjely : ”Indro aho eo aminareo mandrakariva mandrapahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28, 20) izay manamarika ny toe-tsaina hoentintsika mamaky ny zava-mitranga araka ny Finoana. Tenin’ny Finoana izany. Ny Taratasy Ansiklika Spe salvi, Ny fanantenana no nahavonjy antsika (Rm 8, 24) nosoratan’ny Papa androany dia manamafy izany. Tsy dia hanantena zavatra akory isika fa kosa hanantena ilay Kristy izay niantso antsika sy eo anivontsika mandrakariva, tsy afa-misaraka hoy ny Papa ny finoana marina sy ny fanantenana tsy mangozohozo…
Aza revon’ny ambanimaso fa aoka ho avo fijery!
Ny vavaka fangatahana amin’ny alahady I Fihaviana dia mamintina ny ezaka hataontsika mandritra ty taona litorjika ity : “hahery fo hino an’Andriamanitra, ka ho masim-piainana hitsena an’i Kristy ka ho mendrika hitoetra eo anilany (an-kavanany Mt 25) any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra”. Mazava loatra fa ny hahafahantsika hitoetra eo an-kavanan’i Kristy, araka ny Evanjely nosoratan’i Matio (Mt 25, 31-46) [3] dia ny soa ataontsika amin’ireo toa niangaran’ny vintana, ny fanehoantsika fitiavana amin’ireo mahantra sy fadiranovana.
Fotoana fanomanana ny Noely ny Fihaviana araka ny mahazatra antsika : fahatsiarovana ny fahatongavan’ilay zanak’Andriamanitra ho nofo teo anivon’ny tantara (2000 taona lasa), kanefa koa sady fankalazana Azy mitoeta mandrakariva eo anivontsika, indrindra aoa min’ny Sakramentan’ny Eokaristia sy ny Fiangonana, ary fiandrasana ny Fiaviany am-boninahitra izay lazain’ny Evanjely amintsika fa mitaky fahavononana (Mt 24, 37-44).
Mety hahalasa ny saina hoe : fa maninona no vao manomboka ny taona litorjika dia ny Farandro [4] no lazaina? Ireo tebiteby sy ady tantarain’i Matio antsika dia famantarana ihany; Ambaran’ny Mpaminany amintsika manko (vakiteny I Is 2, 1-5) fa ny firenena manaiky ny Tompo ho Andriamaniny dia hizotra araka ny fahazavany (jereo koa ny Vakiteny II Rm 13, 11-14 = hitafy ny fiadian’ny mazava) ka hatambatry ny Fifankatiavana, hany ka ny fitaovam-piadiana ho zary fitaovam-pamokarana. Mampandini-tena ary tokony hampandinika antsika mpanara-dia an’i Kristy ny fahitana ny vola lany hamokarana fitaovam-piadiana toy izay hanampiana ny mahantra handresy ny habadoana sy ny hanohanana! Ho nofinofy anefa izany Fiadanana izany raha tsy ho zary hafaliana ho antsika ny ho any an-tranon’Iahveh (Salamo setriny 121).
Hanomboka ity taom-baovao ity ary isika. Aza adino ny hafatr’Izaia amin’ny vakiteny I hoe : ”Avy any Siona no hivoahan’ny Lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’ny Tompo” [5] (Is 2,3b). Raha alaina ara-bakiteny izany dia izay no fiainantsika : aoa natin’ny fahasahiranana (Siona =tany karakaina) no hanapahantsika hevitra matetika sy hilazana hoe Tsy mahavoa ahy intsony iny, hanao an’izao na hanao an’izatsy aho amin’ny manaraka… saingy tsy maharitra izany fa rehefa misinda ny halahelo sy ny manahirana dia miverina amin’ny “laoniny” (mahazatra) ny fiainana. Aza hadinoina ary fa ao anatin’ny fiadanam-po no tokony hihainoantsika ny Tenin’ny Tompo [6] sy hahafahantsika maharitra amin’ny fanompoana Azy sy hivonona mandrakariva amin’ny hihaviany.
Dia izay no hirariako soa ho anao : Bonne année! Satria ilay Andrasantsika dia efa eo anivontsika ary miaraka amintsika mandrakariva manomana ny fiaviany am-boninahitra.
Ho an’ireo mampiasa ny Couronne de l’Avent dia mba tiako ny hifampizarana ity aminareo. Araka ny lovantsofina dia fomba nankalazana ny fetin’i Mb Lucie ireo labozia efatra mena. Ary satria ny 13 desambra dia mazàna anatin’ny fotoanan’ny Fihaviana, hany ka noraisin’ny Pastera sasany protestanta io fomba io (satria tsy mankalaza ny olomasina izy ireo : Lucie midika hoe hazavana) hoentina manomana ny noely. Nivoatra tsikelikely araka izany ity fomba ity, hatramin’ny taonjato faha-16 (±). Ny hevi-dehibe fonosiny dia maro, sady samy manana ny fomba nanazavany azy arakaraka ny Fampianarana tiana hovoizina manditra ny taona litorjika.
Ny Couronne aloha midika fa mitohy ny fiainana, ary araka ny hevitry ny besinimaro dia midika fandresena ny fehiloha, dia i Kristy ilay mandresy ny fankahalana sy ny haizina; ny fiainantsika kosa mivoatra tsikelikely hazavain’i Kristy. Ny loko sy ny hevitr’ireo Jiro kosa dia tsy hita be ihany izay marina. Ao ny manohy ny tradition ka manohy ny jiro mena araka ny fomba tamin’ny fetin’i Mb Lucie. Ao ny manao azy ireo volomparasy sy vony (lokon’ny Fanamiana litorjika mandritra ny vanim-potoana). Ao kosa ny milaza loko efatra samihafa…
Ny sasany ary araka izany milaza fa manambara ny Mpaminany (Fanantenana), an’i Betlehema (Antso mba ho masina), an’ny Mpiandry ondry (Hafaliana) ary ny Anjely (fitiavana) ny labozia.
Rehefa nandinika ireo rehetra mety ho azoko novakiana sy nalalinina aho, dia heveriko fa ny marim-pototra indrindra sady manampy antsika hahazo ny misterin’ny Fiaviana dia n loko efatra ambaran’ny labozia :
1. volomparasy (alahady I) manambara ny famelana (fivalozana) antenaintsika izay nampanantenain’Izy Tompo an’i Adama sy Eva tany am-piandohana.
2. Mena (Alahady II) manambara ny finoan’i Abrahama izay tonga rain’ny Mpino
3. Vony (Rose) (Alahady III = gaudete) manambara ny hafalian’i Davida nampanantenaina fa ho razamben’ny Mesia, ilay Mpanjaka hanjaka mandrakizay amin’i Israely.
4. Fotsy (Alahady IV) manambara ny mpaminany izay nanambara fa ho avy ilay mpamonjy antsika.
Araka izany, araka ny taranaka 14 isaky ny vanim-potoana lazain’i Matio (Mt 1, 17) dia asongadin’ny arivo taonan’ny tantara : hatramin’i Abrahama; hatreo amin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; hatramin’i Davida ka hatramin’ny fahababoana; hatramin’ny fahababoana ka hatramin’i Kristy…
Rehefa izany dia tonga ny Noely (Mt 1, 18)
Bonne année liturgique!
[1] Araka ny Fampidirana ao amin’ny BJ italiana sy ny nataon’i Jean-Pierre Bagot ao amin’ny Missale festivo Emmaus (azo jerena koa ny boky i quattro vangeli, ISg edizione 1998, 2° éd, nosoratan’i Bruno Maggioni) dia misy hevi-dehibe maromaro (samy fito izy ireo saingy tsy mitovy ny fitsinjarany) asongadin’ireo toko 28 ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Mateo : 1- I Jesoa, ilay Mesia nandrasan’Israely : ny razam-beny sy ny fahaterahany ary ny fahazazany (toko 1-2); 2- I Kristy no ilay Moizy vaovao, manambara amintsika momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny iraka nahatongavany (toko 3-7) [Batemy- Fifadian-kanina sy fakampanahy – fiantsoana ny apostoly – ny Hasambarana – ny vavaka sy ny fifadian.kanina – ny Lalàna sy ny Mpaminany]; 3- Ambaran’i Jesoa antsika fa efa eo anivontsika ny Fanjakan’Andriamanitra (famantarana sy fahagagana momba azy) ary voaantso isika handray anjara amin’ny fanorenana izany Fanjakan’ny lanitra izany (toko 8-10); 4- Tsy zavatra mandeha ho azy anefa izany asa fanirahana izany fa mety hisedra ny mafy, hany ka mila la atao mafy orina ny safidy (Toko 11-13) [ny Fanoharana – ny amin’ny Fanjakan’ny Lanitra : safidy hahafoy izay rehetra hananana]; 5- Izay te hanaraka an’i Jesoa dia tsy hatahotra ny hijoro ho vavolombelony ary hanovo hery mandrakariva amin’ny fiarahana aminy (toko 14-18) [i Joany Batista nanambara ny marina, i Piera nandeha ambony rano, ny fohovana tarehy…]; 6- Ireo manaiky ho Mpiananatr’i Jesoa (Fiangonana) dia hanaraka ireo fitsipi-pitondrantena nosoritany, ho toy ny fisantarana sahady ny fiainan’ny lanitra (toko 18-25) [ny Fanetrentena – ny fifamelana – ny fanambadiana sy ny eonoka noho ny fanjakana – ny tanimboaloboka – ny fanasana ho any amin’ny fanjakana – ny fitsanganan’ny maty – ny didy lehibe – ny faharavan’izay hianteherantsika – ny virjiny hendry sy adala – ny fitsarana farany]; 7- Ny fijaliana sy ny fitsanganana ho velona (toko 26-28).
[2] I Matio ihany no ahitana ny teny hoe : Fiangonana (Eglizy) : Ianao no Piera ary eo ambonin’izany Vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko (Mt 16, 18); Raha tsy mhaino azy ireo izy dia ambarao amin’ny Fiangonana; ary raha tsy mihaino ny Fiangonana dia ataovy tahaka ny jentily sy ny poblikana (Mt 18, 17).
[3] Io no hamaranantsika ity taona litorjika ity. Ny fanentanana rehetra araka izany dia tokokny hiompana amin’izay fahitana an’i Kristy Mpanjaka izay (amour préférentiel pour les pauvres)
[4] Ny toko faha-24 amin’ny evanjelin’i Matio dia milaza ny momba ny farandro sy ny faharavan’i Jerosalema (Mt 24)
[5] !AYci Tsiyown midika hoe : Tany karakaina, manambara ny olana sy ny zava-mahaporitra ao amin’ny fiainana, ~l;iv'Wry> Yeruwshalaim midika hoe : fototry ny fiadanana, tanànan’ny fiadanana…
[6] Araka an’i Matio (Mt 24, 35) dia io ilay teny tsy ho levona mandrakizay.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | ||||||
| 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 |
| 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 |
| 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 |
| 23 | 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 |
| 30 | ||||||