"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 22 Desambra, 2007 00:12
"Indro ny Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy...." Dia ahoana tokoa ny virjiny hitoe-jaza izany? ady hevitra efa ho tapa-kandro taoa min'ny Radio tao izany androany ka narahako ihany ziay azoko narahana mba hahenoana hevitra! Heveriko fa izay efa nolazain'i Md Amboazy 1600 taona lasa no mila dinihina : tsy dia ny olan'ny virjiny hiteraka no mipetraka fa ny amin'ny finoana an'Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra...
Fa ho fanomanana ny Noely ity manaraka (alahady IV Fihaviana)
"Indro ny Virjiny fa hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hatao hoe : "Emanoela", izany hoe amintsika Andriamanitra." (Vak I Izaia 7, 10-14 sy Evanjely Mt 1, 18-24) Io no ivon'ny Fankalazana aroson'ny Fiangonana amintsika amin'ity alahady faha-efatra ity. Ilay Kristy, feno ny Fanahin'Andriamanitra ka nanafaka ny rofy sy namaha ny fatoran'ireo mijaly[1] no ho avy, ary ho zary famantarana ho antsika : famantarana fa eo anivontsika Andriamanitra, Emanoela.
Matoa i Paoly nilaza fa "loza ho azy raha tsy mitory ny Evanjely izy" (1 Kor 9, 16), dia nahatsapa ny herin'ilay Evanjely izay nanokatra ny fon'ny Jentily ho amin'ny finoana (Vakiteny II Rom 1, 1-7), ka irìny sady zary tso-drano koa ho antsika mandray ny fampianarany. Io fiaraha-bana apostolika io no hifampiarahabantsika isaky ny fiaraha-mivavaka.
Fa mampametra-panontaniana ahy hoe : efa antomotra ny Noely. Mirehitra avokoa ireo Labozia efatra nanomanantsika izany : ny Fibebahana, ny finoana, ny fitiavana ary ny fanantenana.[2] Tsara ny manao jery todika ny làlana vita, niantso fibebahana sy fiambenana Matio ny alahady voalohany, satria tsy fantatra izay hiavian'ny Zanak'olona (Mt 24, 37-44); izany fibebahana izany anefa dia mila porofoina amin'ny fiainana andavan'andro : manaova asa mifanahaka amin'ny fibebahanareo, hoy i Joany Batista (Mt 3, 1-12) ny alahady manaraka, ireo no asam-pinoana izay manomana antsika handray ny Batemin'ny Fanahy; izay mandray io Fanahy io dia voairaka hitory fahafahana sy famonjena, hanohy ny asa natombok'i Jesoa, voahiraka hampanjaka ny fitiavana (Mt 11, 2-11); izany fahatsapana ny fanafahana nentin'i Kristy izay no mameno fanantenana ny fo, ka hahatsapana fa tsy mandao antsika Andriamanitra, eo anivontsika mandrakariva izy.
Afaka roa andro ny Noely. Raha fahaterahan'i Jesoa tokoa izany, tsapantsika ve izany fitiavana mitia antsika izany? Aiza no mety hahitantsika an'i Kristy teraka ho antsika? Noely manko dia hafaliana, manambara fa mandova ny fiadanana isika rehefa an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra". Tsy azontsika adinoina fa tsy ho foana ny ady rehefa hirohotra ho any amin'izy Tompo ny Firenena rehetra, ka ho ao an-tranon'ny Andriamanitr'i Jakoba (Iz 2, 1-5). Amin'izay ihany no hotefena ho fangady ny sabatra, [3] izay manaiky hiasan'ny Fanahy no afaka hiara-miasa, tahaka ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry, kanefa tsy hifanapotika! (Iz 11, 1-10).[4]
Na sanatria aza, mbola lavitry ny afo ny kitay, tsy ho kivy isika satria "ny tenan'izy Tompo mihitsy no ho avy hamonjy antsika" (Iz 35, 1-6.10)[5]. Fanantenana kolokolointsika mandrakariva ao amin'ny vavaka izany, vavaka izay hiezahantsika hitadiavana ny toeran'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika, ka handalinantsika ny fifandraisantsika aminy.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||
Re: Virjiny niteraka!!!
ikalamako | 22/12/2007, 23:34
dia manararaotra mirary noely sambatra ho an'i harilova e !