"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 30 Desambra, 2007 22:18
Rehefa nanombola moa dia tsy maintsy mamarana, ka ataoko angamba fa izao no farany hanoratako ho anareo eto amin'ny blaogy ity, satria noho ny antony tsy miankina amintsika dia tsy afaka ny hanohy intsony ny fizarana ho anareo eto aho amin'ity taona ity, sady maro loatra ny zavatra enjehina, ka noho izany dia mametraka ny veloma, ho mandrapitafa indray satria tsy afaka ny hifampizara ho anareo aho raha tsy amin'ny taona vaovao.
Lasa adala e! Vao mieritreritra ny handehanana hanao reveillon manko aho izao hoe ho aiza? ho any am-piangonana angamba no hihafarany!!!! Roa taona lasa izay nitakoko irery tao amin'ny lavarangan'ny tranonay no nataoko. Tamin'ny herintaona mba niaraka tam rahalahy malagasy sasantsasany! Amin'ity indray asa hanakory! Haka partener an'i Bodo sy Fara angamba fa misy an'aliny taonina mahery ny tsipoapoaka miparitaka aty naples anio hariva... Ammazza o!
Dia samia mahatratra ny voalohany.
Ah zao vao mandinika ny resa-piadanana sy tsipoapoaka! Andro iraisam-pirenena ho an'ny fiadanana hoe ny 1 janoary, angama lany napoaka ny alina ny vanja dia sady reraka ny nandihy sy nihinana (cenone) dia matory ny andro! un peu tranquille de bon!
Enga anie mba tsy ohatra ny vavak'ilay maty vady : Mandria am-piadanana ry malalako mba hiadanako koa (Qui giace il mio amore per la sua e la mia pace). Dia hoe hanakory koa!
Fianakaviana masina ity
Tonga nofo ny zanak'Andriamanitra ka niara-nonina tamintsika. Niaina teo anivon'ny Fianakaviana, izay lazaintsika hoe : Masina. Tsy ny hafinaretan'ny fiainana anefa na ny tombontsoa ara-nofo no naha-masina sy naha-sambatra io fianakaviana io.
Henontsika ao amin'ny Evanjely anio ny fidodododoan'i Josefa etsy sy eroa, hatrany Ejipta ka hatrany Nazareta [1] mba hanavotra ny aim-bady aman-janany, hanavotra ilay "Tompon'ny aina". Tebiteby iainan'ny maro amintsika koa izany, na mety tsy ho aina fofoina loatra satria mety hisongona an'i Eroda, firifiry no milaza fa "Fianakaviana sambatra" (Fisa) kanefa ny famonoan-jaza sy ny famerana ny taranaka no laharam-pahamehana? Ny famerana ny isan-jaza noho ny antony ara-bola ihany mako dia efa fahadisoan-kevitra satria na ny fanabeazana omena izay hany nateraka aza dia mazàva loatra fa ny ara-bola aman-karena no olana.
Tsy izany anefa ho antsika kristianina no ilazana fa sambatra ny fianakaviantsika [2] fa ny noho i Jesoa miaina eo anivontsika. Raha tsy izay no fahasambarana dia ho zava-poana sy ho fahadisoam-panantenana satria mamitaka ihany.
Mankalaza ny Fianakaviana Masina isika androany dia mazava loatra fa mandalina hatrany ny fankalazana ny Noely : Ilay Famantarana hoa ntsika fa Andriamanitra Emanoela : Miara-monina amintsika , te-hiara-monina amintsika!
Ndeha ary asiantsika fiheverana ny toerana omentsika an'i Jesoa ao amin'ny Fianakaviantsika, ny Vavaka hiarahana manao, na ny aloha sy AORIAN'NY sakafo ihany aza, ho fanombohana. Faran'ny taona rahateo izao ka fanaovana jery todika ny taona manontolo, hahafahana manompana ny hery ho amin'ny tanjona vaovao amin'ny taona ho avy, tanjona iay irariako mba ho fampitomboana ny hasambarana ao an-tokan-trano.
Tsy ho gaga isika raha lasa afobe ny tokantrano, rehefa tsy ao instony ilay "fototry ny fahasambarana", Andriamanitra ilay Fitiavana. Ny fahasahiranana mety hosedraia, toy ny efa nolazaiko, tsy milaza ny tsy fisiany tsy akory. Mety efa nanao ezaka isika nefa tsy nahomby. Mety hifampizara miaraka amin'i Paoly hoe : Mba miezaka sy maniry hanao ny tsara aho nefa ny ratsy ihany no misosoka; tohizo ny filazana miaraka aminy hoe : mahareta isika miezaka, eo am-pibanjinana ny efa niaretan'ny Tompo, satria mbola tsy misy rà latsaka. Mino aho fa ho afaka hilaza aminy koa isika hoe : "Efako ny zavatra rehetra miaraka amin'ilay mankahery ahy".
Dia tohizantsika toy izany ny fankalazana ny Noely : ny fahatsapana fa ny hany antoky ny Fiadanana ho an'ny olombelona dia ny Fanomezam-boninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany
Arahabaina ianao, satria miara-monina aminao ao amin'ny Fianakavianao Andriamanitra. Voaantso koa hiaina Fianakaviana lehibebe kokoa, eo amin'ny Fiaraha-monina sy ny Fiangonana, hahitana ny Endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona, ka ho voninahitr'ilay Andriamanitra Trinite, satria miorina ao aminy ka afaka manorina fianakaviana mifankatia izay santatry ny lanitra sahady.
[1] Amin'ity taona A ity dia izay no vakiteny. Ny taona B kosa dia ny faminanian'i Simeona hilaza fa fandavoana sy fananganana ny maro amin'i Israely i Jesoa mba hahalalana ny hevitry ny fo; ny taona D kosa dia i Jesoa tsy hita telo andro : fahasahiranana sy tebiteby avokoa iznay.
[2] Ho an'ny relijiozy dia tsarovy ny taratasy nosoratan'ny tany Roma hoe : Ankohonam-pirahalahiana hihainana toy ny mpiray tam-po! Fiainan-dRelijiozy toy ny Fianakaviana ; Ny fiangonana Fianakaviana (Sinaody Afrika); ny Taratasin'ny Papa amin'ny taombaovao mbola manamafy izany koa.
pissoa | 31/12/2007, 14:05
saika tapaka ny lalan-drako fa soa fa namaky tsara ... noheveriko fa tsy hiblaogy intsony intsony intsony harilova, hi hi hi.
mazotoa dia mitadiava haingana atao rahalina fa mbola misy fotoana izao e.
mirary soa hatrany
pissoa
pissoa | 31/12/2007, 14:08
Oops, sao mifandiso fa tsy ratsy koa ilay hoe ho any ampiangonana an ! fa raha ho any ankafa koa dia tsy ratsy.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Janoary 2009 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |
Re: Farany ity!
ikalamako | 31/12/2007, 00:00
shh, aza dia mitakoko re amin'ity 2007 ity ry harilova fa ndao mba hiaraka a !
Dia hifampisera soa amin'ny herintaona indray izany koh !
Ho tratry ny taona e.