DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Raha mivavaka marina ny olona!!!!

harilova | 15 Janoary, 2008 23:02

Fa ny Tenin'Andriamanitra vakiana ve tena iainan'ny olona sa manakory?

Raha tena lasa fiainana manko ny tenin'Andriamanitra dia heveriko fa hiova isan'andro ny dikanteny. Raisiko ohatra fotsiny ny cantique maraina tao amin'ny Katolika.org  (talata herinandro I taona ankasa =Tononkiran'i Ana izay setrin'ny vakiteny) dia izao no hita ao :

8 Esoriny amin'ny vovoka ny mahantra;
atsangany hiala amin'ny zezika ny tsy manana,
hampiarahiny mitoetra amin'ny mpanjaka,
ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany. (ISam 2, 8)

amin'ny teny italiana ho an'izay ao Naples amin'izao dia azo adika hoe :

Solleva dalla polvere il misero,
innalza il povero NAPOLI dalle immondizie ('a mmunezz),
per farli sedere insieme con i capi del popolo
e assegnar loro un seggio di gloria.
(1Samuele (CEI) 2)

Asa aloha! ny ahy novakiako toy izany tamin'ny  maraina!

 

Hevitra

Re: Raha mivavaka marina ny olona!!!!

Un' italiano vero | 17/01/2008, 08:34

Aza ovaina toy izany kosa moa e. :-) lol

Re: Raha mivavaka marina ny olona!!!!

ikalamako | 17/01/2008, 11:13

ikalamako

avadika hanaraka ny zava-misy ange ny harilova e ; marina ny azy io aloha izao no iainany.
Raha tontosa izany dia hahazo ny fanjakan'ny lanitra i Naples ?!

mivavaka

harilova | 17/01/2008, 14:11

harilova

tena vero italiano io ka
Satria raha mivavaka anie ny olona tsy mamerin-teny tahaka ny boloky e. dia tsy ny mahantra izoa no anaty fako fa i Naples dia tsy maintsy amboarina ny teny ko!
asa aloha e

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb