DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Zava-doza!

harilova | 20 Janoary, 2008 18:48

Efa mandindona indray izao ny fanandinana aty an-dakira aty dia mandeha be ny vaky boky. Saingy ny zava-doza dia toa arakaraka ny hamakiana no tsy hahaizana ary arakaraka ny tsy hahaizana no hamakiana dia amin'ny farany mandinika aho hoe toa ho antitra ihany fa ny omaly tsy miova ny zavatra hay!

Mahalasa ny saiko ihany koa manko ny adihevitra ataoko miaraka amin'ny zokiolona isan'andro, moa ve mivoatra ny zavatra haintsika sa miangona sa manakory? marina fa tsy afaka manao an-kapobemantsina tsy akory satria miankina amin'ny tsirairay saingy! zava-doza rehefa henonao ny fanohanana hevitra amin'ny zava-nitranga 70 taona lasa na sanatrian'izany amin'ny zava-nitranga 2000 taona lasa.

Tsy mametraka olana amin'ny fahamarinan'izay nitranga aho fa mahita olana amin'ny fiezahana hahazo ny fomba fisainana. Dia hoy aho hoe "efa nahavaky boky betsaka izy ireo, farafaharatsiny ahay, ny bokin'ny fiainany". Ny mba nankahery ahy ary mampahazoto ahy mamaky ihany dia ity tenin'ny Mompera Zezoita iray momba ny antitra ity :

"lasciali [Gli anziani] gridare quando hanno torto, loro e i bambini ne hanno lo stesso diritto"

Avelao izy hanangam-bovona na dia diso aza satria manan-jo amin'izany izy sy ny zaza!

Dia hoy aho hoe ataonao ahoana tokoa moa ny iady amin'ny antitra? Efa ela nietezana, sola loha e!

Hevitra

Re: Zava-doza!

simp | 20/01/2008, 19:45

ra mamaky boky ela ka tsy nisy zavatra azon'la tao, na hoe tsy nitombo fahalalana dia mihevera vatana :) raha ny voalohany dia midika fa nandingana boky hafa teo anelanelany, ary ilay faharoa dia midika fa niverina namaky boky mitovitovy @ efa novakiana taloha ;-)

Miankina @ boky vakiana aloha fa hoy aho hoe mampy bedabe ny fahazoana ny zavatra @ zao fotoana ny famakiana ny tany aloha... na dia hoe makamo be aza ny mamaky azy hahaha

marina izany kanef

harilova | 20/01/2008, 20:06

harilova

Marina izany kanefa!
arakaraka ny hahaizana no hahalanana fa mbola betsaka no hianarana ary be lavitra no tsy ho hay mihitsy na hiezahana aza!
Dia tsyy gaga aho raha nolazain'ny raiben'ny Filozofy hoe : ny hany fantatro dia ny tsy fahaizako na inona na inona!
Asa na efa mba namaky le bokin'i Benoit Jesus von Nazareth nareo fa izaho izao mbola tsy nahavita azy fa tao amin'ny chapitre 7 aho dia voatery namaky boky roa hafa 400 pejy avy! dia tahaka iznay foana!
miala tsiny fa angamba le mahay no mety tsy mazava! hihihi
fa izaho aloha mamaky boky tsara ihany e, na dia ny hoentina hatokona amin'ny vazaha antitra ihany aza!

Re: Zava-doza!

pissoa | 20/01/2008, 20:10

pissoa

siansa tsy exacte angaha no ataon'i Harilova. Heveriko mantsy fa mamaly ny rehetra izay ... araka ny tsy maha-exacte azy e, hi hi !

Re: Zava-doza!

Sonia | 20/01/2008, 20:55

aza atao akaiky fanadinana intsony vao mamaky boky :)

ny fahaizantsika tsy miangona na mivoatra fa mila hay ny mampiasa azy. Tsy mamaky fotsiny fa mi-comprendre no zava-dehibe ;)

Passage à vide fotsiny re io fa za koa tratran'izany foana. Indrindra refa boky maro sy pejy maro dia nefa teny angalisy scientific grrrrrrrr

andriamanitra oooo

harilova | 21/01/2008, 09:50

harilova

inona indray ity lazain'Ikalamako re e! Mba vakio moa le disikorso saika ataon'i Ratsingera tany amin'ny Lasa pientsa e! Misy siansa roa hoe dia egizata sy lozìka. Ny iray mampiasa raikipohy ny iray mampiasa raiki-dava (sa tsy misy moa izany?)
Dia loza fa tsy mba misy raikipohy ny zavatra hianarako e, atao ahoana ny manao kajy an-kandrina ny diniky ny fo?
Sonia--> misaotra amin'ny torohevitra mahasoa! Izao aho izao dia efa hanomboka hamaky boky amin'ny fanadinana amin'ny herintaona e hihihi

Re: Zava-doza!

pissoa | 21/01/2008, 20:22

hi hi - za io fa tsy ikalamako ! sa misy resaka tsy hitako, oops.

sikoza

harilova | 21/01/2008, 22:28

harilova

Tena sikoza fa aho manao tsianjery sary dia avy namaky zavatr'Ikalamako dia izy ndray no voatonontonina ry Pissoa a! Matiny aho am sabotsy izoa raha mitombo ao ny seriny! hihii
Tsy fantar'i Pissoa moa ny fianarana ataoko?
Mianatra manjono! na tsy haiko loatra, manarato! arakaraka ny dikan-teny.
Zah zao hamaly faty hanoratra koa raha vao vita ny ahy amin'izay mitombo ny pejy tsy misy mpamaky! hihihi

Ankaoro, miala tsiny am Ikalamakkkoooo

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb