DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

resa-bavaka!

harilova | 05 Febroary, 2008 11:39

Tohin'ny resaka efa nandeha teto izy ity, momba ny finoan'ny olona sy ny mety ho vavaka ataony setrin'izany. Azonareo jerena ohatra ny an'i Jentilisa hoe Aza aparitaka! Nahazo ity vavaka ity aho anio maraina, efa nahazo tahaka ity aho fa tamin'ny teny vazaha fa izao nisy nandika amin'ny teny gasy dia nalefany aty amiko!

Mba vakio moa le vavaka dia jereo ny namaliako azy e! Tsy te haniratsira ny fitiavana sy ny finoan'izay nahafoy tena nandika azy amin'ny tenin-drazana aho fa mba misaintsaina fotsiny ihany!!!

 

voalohany : Tsy misy mandeha mantsaka vao maraina ka mitondra rano maloto mody  --> izay mantsaka vao maraina, aza manody ny mifanena amin'ny vehivavy milohaloha siny  satria tsy ho fantatra intsony izay ho mety dion'ny ranony!

faharoa, na ho tononiko mafy aza ny amena, valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza, ny valala any an-danitra tsy asiana sira! Tsy mbola nameny aho hatramin'izao!
fahatelo,
Ny maso izay mamaky ity hafatra ity, tsy ho tojo amin'ny ratsy
tsy nahita loza ny masoko namaky le vavaka, fa nitsory ny ranomasoko vao vita ny famakiana ny tohiny! Asa moa, angamba tsy very ny fotoanako namaky ny toriteninao saingy tara bus aho nandeha hiasa!!!
Izay irin'ny fonao, dia ho azonao tokoa, amin'ny anaran'i Jesoa.
Tsy haniry manitra ohatry ny alika miambozon-koditr aho sanatria! Tsy haniry randrana manendrika ny hafa! Fa izay iriko: ho azoko sa iezahako ho azo? Ngah maimaim-poana ny ezaka atontoko ao?
Na izany na tsy izany misaotra anao ary misaotra an'ilay Andriamanitra lalaovinao satria efa sahy milalao amin'ny fahafatesana izay mandondona ny varavaran'ny lanitra! Nanahy mafy aho satria noheveriko hoe saika hamono tena ianao!
Harilova
 

Ity ilay hafatra :

----- Message d'origine ----
De : xxl
À : harilov@yahoo.fr
Envoyé le : Mardi, 5 Février 2008, 9h49mn 29s
Objet : Partage


Vavaka ho anao androany

Iza no mampamirapiratra ny kintana amin'ny hatsarany rehetra ?
Iza no mampikoriana ny renirano ?

Ianao koa, tsy mila miady mafy vao tafita amin'ny fiainana, satria ny tsara indrindra no mendrika ho anao sady voaomana ho anao .

Mifikira amin'izay irin'ny fonao, fa ho tanteraka izany. Amena !

Ny maso izay mamaky ity hafatra ity, tsy ho tojo amin'ny ratsy


Ny tanana izay handefa ity hafatra ity amin'ny hafa, tsy ho sasatra foana

Ny vava izay hanonona ny amena aorian'ity vavaka ity, hitsiky mandrakariva.

Miorena amin'ny fitiavan'Andriamanitra !

Tsy hanjavona ny nofinao
Tsy ho rava ny fikasanao

Tsy ho foana ny anjaranao


Izay irin'ny fonao, dia ho azonao tokoa, amin'ny anaran'i Jesoa.


Tonony mafy ny amena.


Hahafantatra ny anaranao sy ny adiresinao ny fanambinana alohan'ny faran'ity volana ity.


Raha mino ianao, alefaso amin'ny namanao rehetra ity.


Tsy misy mandeha mantsaka vao maraina ka mitondra rano maloto mody


Androany, hadio anie ny fiainanao, hiadana sy hanelatrelatra tahaka ny loharano vao maraina.


Ny fahasoavan'Ilay Tompo Tsitoha anie hanohana anao, hampaharitra ary hanome izay rehetra ilainao, araka ny hareny ao amin'ny voninahitra.Amena.


Ho andro tsara ho anao anie ity andro ity, amin'ny anaran'i Jesoa.


Ny sitrapon'Andriamanitra anie tsy hitondra anao na oviana na oviana
any amin'izay tsy hahitanao fahasoavana sy fiarovana.


Hisy zava-tsoa ho  tonga aminao androany, zavatra izay efa
nantenainao.


Tsy vazivazy izany, fa handray ny Tompo ianao ary hampandroso ny
fiainanao amin-kery ny asan'Andriamanitra tsy azo sakanana.


Fitahiana maharesy ny ozona rehetra no ho azonao amin'ny anaran'I Jesoa.


Gaga ve ianao hoe nandefasako ity hafatra ity ?


Androany maraina, nandondona tao amin'ny varavaran'ny lanitra aho, ary nanontany ahy Andriamanitra : "anaka, inona no tianao hataoko  aminao ?"


Dia hoy aho hoe : "Ray ô, arovy ary tsofirano ilay handray ity hafatra ity"


Nitsiky Andriamanitra ary namaly hoe : "tanteraka ny hatakao"


Izay nahazo maimaim-poana aoka hanome maimaimpoana, ka handefa ity vavaka ity amin'ny namany.

 

Hevitra

Re: resa-bavaka!

ikalamako | 05/02/2008, 14:52

ikalamako

mdrr
Misy kely asa kah ! i harilova avy no tara bus k'ity !!!

Re: resa-bavaka!

pissoa | 05/02/2008, 21:57

hi hi hi ! mampime ilay hoe namono tena !

Raha tsy diso aho dia nisy nanao dika petaka tao amin'ny forum koa izy ity !
Jereo eto ... toa ao hatramin'ny mombamomba ilay nandika azy hono !

Re: resa-bavaka!

Lalasoa | 07/02/2008, 21:37

E e e taratasy mampisavorovoro saina ny azy. Soa ihany ny ahy fa raha vao tsy fantatro mihitsy ny mandefa mail amiko, tonga dia Suppr avy hatrany. Tsy hay na mandefa virus ireny na mandefa inona @ ordi!

Re: resa-bavaka!

Tsikisariaka | 08/02/2008, 13:06

Tratrany aho androany 08.02.08 saingy rahavaviko no nandefa azy. Ny tena moa vonton'anatra dia nandefa nanaparitaka (tena nanaparitaka) dia izao no vokany, naverin'ikalamako eto satria izy anisany nandefasako. Somary vitsivitsy mantsy ny asako androany : kely asa e ! Kinanjo, natao tamin'ny finoana e !

Ok

harilova | 08/02/2008, 14:11

harilova

Dia samy hahatratra ny ho avy indray Tsikisariaka a! Isaorako anao ary isaorako ny rahavavinao ny amin'ny fahafoizan-tena hivavaka ho an'ny hafa sy handika ireo hafatra ireo. Vao io maraina io koa aho no nahazo amin'ny teny frantsay indray avy any amin'ny havana aman-tsakaiza!
Sambatra ianao kely asa atao am-pinoana re! Ny ahy izao tsy hita izay hanaovana ny asa, ny Finoana toa tsy manampy hiasa fa toa vao aminka mampitombo asa manko!
Mahereza e

Re: resa-bavaka!

ikalamako | 08/02/2008, 15:39

ikalamako

harilova : chuuut aza be taraina. Tssss ! aleo ny olona hitombo amin'ny finoany :-D

be taraina ahoana?

harilova | 08/02/2008, 16:50

harilova

Ngah zah be taraina fa milaza fotsiny hoe izy tsy dia misy atao dia miasa am-pinoana, dia hoy aho hoe izaho tsy tsy misy atao dia ampiasain'ny finoana e! dia izany no amporisihiko azy aza hitombo amin'ny finoany e! Tohizo fa ny finoanao no hahavonjy anao! Ngah moa mila finoana be e? ohatry ny voatsinapy dia ampy hamindrana tendrombohitra ko! Tsa mila ampitomboina avy, sao manao karibonetra eo fotsiny Ikalamako!

Re: resa-bavaka!

ikalamako | 08/02/2008, 19:22

ikalamako

hihihi ! Harilova Ramanankavaly !!!

andray!

harilova | 08/02/2008, 19:41

harilova

Ratsy be ne izany Manankavaly izany any amintsika e!
Tsy hoe manan-Cavali fa miezaka manazava e! Cavali telo aloha izao efa ela no tsy hita!Asa am 23

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb