"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 09 Febroary, 2008 10:55
Loza ry reto fa saika nanjavona teto amin'ny tontolon'ny serasera i Harilova a! Handeha hanao ny asa fanaoko isa-maraina aho no fifandona amin'ny fiara opel kely izay ny fiara nentiko. Somary mafimafy ihany ny fifandonana. Mipetraka mijery ilay fiara aho avy eo dia mandinika hoe, sao mba efa matoatoa toy ny amin'ny Film the Ghost, satria dia tsy nisy noraisina ilay fiara!
Dia manoratra blaogy eto aho, miarahaba ny tenako tsy maty fo aman'aina. Raha toa moa efa matoatoa no manoratra eto fa efa maty aho dia tsy manahy fa dia mbola hanohy hifampizara aminareo eto ihany izany ny aveloko e!
Tsy nahavita naka sary aho fa mbola mandinika sy mamerina maka sary an-tsaina ny nitranga aloha izao!
harilova | 09/02/2008, 15:03
misaotra e
simp | 09/02/2008, 15:40
misaotra an'A/tra lehibe izany e :)
sa ve ny blaogy no tsy nahafaty anao e? :P
harilova | 09/02/2008, 16:42
Asa tokoa1 angamba tsy dia ny blaogy loatra kosa e, angamba momba le BMW dernie kri lazain'Ikalamako!
pissoa | 09/02/2008, 17:02
simp : hi hi !
arahabaina harilova izany !
harilova | 09/02/2008, 18:00
Aleo aloha hovana kely ny endriny fa efa tsy maty ihany, sao mba miova BMW koa ny vam!
Tokinao | 09/02/2008, 18:51
arabaina tsy maty fo aman'aina harilova a!!
Za ange efa mba niteny ihany hoe : bitsibitsiho amiko ny "password"-n'ilay "blaogy harilova" mba hanohizako azy e hehehe
( vazivazy kely io an )
harilova | 09/02/2008, 21:54
Oh ry Toki(ko) a! dia toky marina re ianao izany e!
Ka le hibitsibitsihana azy tsy hitako hoe atao aiza fa tsy misy aodiao le blaogiko ko! Zah koa zao vao sahiranin'ity interfasy ity fa sady tsy misy fidirana no tsy misy fivoahana! hihihi
Soa fa misy mail me ho an'izay mitady ny adresy imailakako!
boh
Sangisangy fa dia misaotra anareo rehetra e! androany aho ziao nahalala fa kay le auguri koa fampiasa idifian'ny loza! haiko taiza!
harilova | 09/02/2008, 22:07
Ikalamako> eto aho ry Ikalamako tonga saina hoe soa fa navadikareo ny anarako hatramin'izay! hoe arivola(h) dia tsara tsodrano, satria kay moa ny arivolah(y) tsy maty indray andro! mdrrr
ikalamako | 10/02/2008, 00:52
izy aby zeny !!! na ny arivolahy na ny mi"hary"lova dia velon'aina eny foana aloha mitsakaraka ny ho anay handova ! Sady tena mba mitavandra ilay béemvé dernié kri ange ho'a mba hojokin'ny bandy e ! Aleo aloha io tonga aty amin'ny nanatà vao dila nareo fa mba impiry hahita ny bandy e!
Mba nisy asiransa ve klou le opel e ! nareo any Afrika any manko malaza tsy mba mandoa tsy ny hetram-pako fotsiny ihany fa ny asiransa koa,hihihi
Ary ilay endrika taorian'ny akosodà no tonga amin'ilay hira hoe "taitra aho ry bavy nahita anao ka taitra aho ! niova fitafy ka tena vao, ka taitra aho !" :-P
ikalamako | 10/02/2008, 00:53
sady tandremo ihany fa harilova iray ihany no eken'ny serasera fa raha vao miseho hampiasa io eo izay ho tokiNAO dia ho valian'i Botlives hoe "efa misy tompony io anarana io", lol
maintikely | 10/02/2008, 09:51
Arahabaina tsy maty fo aman'aina izany e!
aza adino zay a@arozazin'ilay BM dernier cri :D
Lehilahytsyresy | 10/02/2008, 20:09
Tena loza anisan'ny mpitranga matetika tokoa io lozam-pifamoivoizana io.
Arahabaina izany i Harilova fa nieren-doza, ary tsy maty fo aman'aina.
Mino kosa aho fa angamba ny tranom-piantohana koa hiezaka hanampy amin' ny fanamboarana izay simba.
harilova | 10/02/2008, 21:53
> Ikalamako! Vao hiandry ny tranom-piantohana araka ny lazain'i Lehilahitsiresy izao e
Sa io ve no tonga dia hanaovana arozazy?
Loza marina le accident fa mbola tsy mahavita manao construction mentale ny zava-nitranga aho hatramin'izao! Boh
Ikaretsaka | 11/02/2008, 03:44
Dia arahabaina izany fa tsy mbola tonga ny lettre de convocation e
DotMG | 11/02/2008, 07:38
Arahabaina tsy maty fo aman'aina. Taorian'ilay lahatsoratra hoe resa-bavaka ve ny loza no nitranga sa talohany? Mba tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny iny ka, sao heverinao hoe manao fisainana seksa, sekta eo aho.
Tsikisariaka | 11/02/2008, 10:06
Andray ! izay aho vao tonga. Taitra mafy aho ... kinanjo nionona ihany avy eo. Dia arahabaina tsy maty fo aman'aina Harilova a ! Dia mirary soa ho anao eny rehetra eny indrindra eny an-dàlana. Ianao mitandrina fa ny adala anie be eny e ! Hafatra ho an'izay rehetra mamily io.
Tsy ratsy koa ilay hoe arivolah an ! soa ihany izany e !
harilova | 11/02/2008, 10:13
DotMg > izay mihitsy le mahafinaritra ahy amin'ireny zava-mitranga ireny ka hoe io ary fa tsy nino le resa-bavaka dia tsy maty! sa hoe saika maty! dia sao lazain'ny sasany hoe nosazian'Andriamanitra indray! Tamin'ny sabotsy maraina le izy ka! fa izaho anie nadefa le hafatra amin'ny olona mihoatra ny folo e! Dia ahoana no mbola nanao akisidà ihany!
Tsikisariaka > Dia misaotra fa rehafa ho avy ny loza, tsy misy hitandremana e, toa vao mainka ny fitandremana no mahafaty indraindray, raha nandeha mafimafy kely manko aho tsy nisy naninona izahay rehetra! hihihihi Aleo hihomehezana fotsiny.
sazykely | 11/02/2008, 13:04
arabainatsy maty fo aman'aina e!!!
de irariana ho salama tsara raha sendra misy fiantraikany e (saina, vatana, fo, fanahy)
de mba tsy hiverenan'izany tsony e
harilova | 11/02/2008, 13:07
Misaotra Sazykely a
Izay no irina
Mirary soa ho antsika rehetra
harilova | 11/02/2008, 14:19
Misaotra re ry Sazykely a. Dia sambe tsara isika rehetra.
DadaRabe | 11/02/2008, 15:19
Miarahaba an'i Harilova tsy maty fo aman'aina. Tena loza indray izany koh !
Soa fa nisy Mpiaro ianao é!
Izahay dia faly mahita anao eto foana ary mirary ahita anao ho eto amin'ny 100 taona manaraka.
DadaRabe | 11/02/2008, 15:21
Ary nanjavona ny hafatro teo !
Araghabaina tsy maty fo aman'aina Harilova à
harilova | 11/02/2008, 19:50
Misaotra re ry Sazykely a. Raha mbola misyi kisidà aloha dia aleo hiverina ny toy izay e.
Mirary ny soa rehetra ho antsika rehetra e
harilova | 11/02/2008, 19:54
Kay mila amboarina le ary mba hahitana le hafatra e
Dia ho vitan'izay re ny ratsy rehetra ry Dadarabe a.
Amorony tononkalo amin'izay hoe tsy maty izay hoe! Angamba hampietsika ny aingam-panahy izay o
Tsikisariaka | 18/02/2008, 09:51
Eny hoa fa ramalina aza mifehy hazo tokana ary izay mahay milomano hatrany no rendrika ka dia tandremo eeeee
Aza manao an'izany hoe "rehefa ho avy ny loza tsy misy itandremana" - Tsarovy fa ny loza dia mandindona eny foana e ! noho izany tokony ho eo foana koa Ra-fitandremana. Ny fandehanana mafy mantsy tsy hoe tsy fitandremana. Ataoko ity afaka mitandrina eo am-pandehanana mafy (mitsinjo ny obstacle, mi-serrer à droite, mi-dépa rehefa tena sur sns sns...)
Fa dia mirary soa. Ho ela velona ô
harilova | 18/02/2008, 10:06
Misaotra re ry Tsikisariaka a, efa hamono tena kosa raha aty Naples no hitondra fiara ka tsy hitandrina. Izay efa taty mahita ny nonotsikapisynienty aty.
Irariana mba ho lasan'izay ny ratsy e
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||
Re: Saika tsisy Harilova 'tsony
ikalamako | 09/02/2008, 14:37
oups ! Arahaba tsy maty fo aman'aina tokoa. Saika halahelo tsisy toa izany ny teto raha sanatrian'izany. Ho lasan'izay ny ratsy e. Ny zava-dehibe tsy nanaraka ny aina fa ilay vam mba solointsika BMV dernier cri amin'izay ho fiononana.