DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Diniky ny fo

harilova | 21 Febroary, 2008 12:21

"Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana". io no diniky ny fo, izay tsy mahasasatra ahy ny mandinika azy ombieny ombieny. Mba namaky ity vakitenin'ny Katolika.org ity aho androany (Jer 17, 9) dia vaka ny saiko : Mamitaka hoe ny fo! Iza no mahalala azy!

Ilay hoe iza no mahalala azy? tsy asiako olana. Fa ilay hoe mamitaka ny fo! rehefa ampitahaina amin'ny hoe "izay be ao am-po no itenenan'ny vava" (Mt 12, 34) na ny hoe "izay itoeran'ny harenao no itoeran'ny fonao koa" (Mt 6, 21) dia vaka ny saiko.

Tsy izaho irery no mandalo fahasairanana matetika rehefa tsy mifanaraka ny tiana hatao sy ny tokony hatao, ny fo sy ny saina! Tsy mora ny mikolokolo ilay ataon'ny mpandalina hoe "fahamatorana". raha ny fifanarahan'ny "Fo, saina, fihetsika" manko no atao hoe fahamatorana dia mazava loatra fa tsy misy olona azo antsoina hoe matotra! Na i Kristy aza tsembo-dra vao nanaiky hanatanteraka ny tsy maintsy ataony, (Mt 26, 36-46) ka iza no afaka hiambo hahavita be noho izy?

Raha raisina ho antoka mahatoky ny Soratra Masina dia vao mainka mahavàka ny saiko ny lazain'i Joany hoe "raha tsy manameloka anao ny fonao mainka fa Andriamanitra izay lehibe noho no ny fontsika!" (I Jn 3,21). Mazava loatra fa ny zava-mitranga dia sokajian'ny fo amin'ny hoe mahafinaritra sy mahasosotra, tiana sy tsy tiana... Anjaran'ny fo koa ve anefa ny mamaritra  ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao? Zavatra hafa noho ny fo ve ilay lazaintsika hoe "feon'ny fieritreretana?"

Ny Famaritana ny atao hoe fahotana araka ny katesizy kely dia "Fandikàna ny didin'Andriamanitra antsitra-po sy am-pahalalàna." Midika izany fa manana ny anjarany manokana ny fo sy ny saina amin'izay fanatanterahana ny tokony hatao, dia izay mo mahatonga ilay fitenenana hoe "péché mignon"

Tsy resaka vita indray andro ity saingy mahakasika ny andavanandrom-piainantsika. firy no mandraiky marary rehefa tojo ny olana anatrehan'ny tsy fitovizan'ny "tokony hatao sy ny tsy maintsy hatao" na, mafimafy kokoa ny "tiana hatao sy ny tsy maintsy hatao" na ny "tiana hatao sy ny voatery hatao"!

Dia ady ny fiainana, ady tsy amin'ny ivelany ihany fa ady anaty hatrehana isan'andro.

Sambatra ianao raha toa fa tsy sendra ny olan'ny diniky ny fo! Sambatra ianao satria tsy misy tanjona lehibe tianao hotratrarina eo amin'ny fiainana!

Hevitra

Re: Diniky ny fo

ikalamako | 21/02/2008, 12:44

ikalamako

dia indrisy fa tsisy ny sambatra ry harilova fa amin'ny teninao ihany : sendra sy misedra io olana io daholo, na lehibe na kely, na mpanana na mahantra, na salama na marary (ny marary pejiô : pire ndlr), na relijiozy na laika (na laikalahy na laikavavy), na mpitondra na entina, na fotsy na mainty,...

kay va re a

harilova | 21/02/2008, 15:05

harilova

Dia ny zarazara hoditra izany manao ahoana?
sa?
Ny tena manahirana anie rehefa sendra ny olana tahaka ny nitranga vao tsy ela taty aminay : mpivady nisaraka nandritra ny volan-tantely (viajy de notse hoe)
Raha atao ny famotopotorana dia ny tsy fisian'ny fampifanatrehana anaty (fo sy saina) sy ivelany (mpivady/sns) no fototry ny olana. Ny fo manko rehefa avela hanarana dia tsy laitra akisoka, saingy rehefa tsy laitra akisoka no idso fanantenana dia tsy azo averina ihany koa! Sarotra ny mahazo ny tenin'ny ntaolo hoe ny To fo mpamosafy! fa ny tsy miady olom-bodo!
Tsy mora anefa ny miza-tena hanao io fifanatrehana io satria eo foana ilay tahotry ny hoe : sao dia mamohy! Aleo maty rahampitso toy izay maty androany

azafady

harilova | 21/02/2008, 15:11

harilova

tena diso le firapy fa miala tsiny
maika be aho dia lza mpamosafy ny mpamosavy moa idso ny diso! soa ianareo fa matsilo saina afaka mahatakatra ny tian-kabara

Re: Diniky ny fo

ikalamako | 21/02/2008, 19:22

harilova o !
tratra indray ianao fa tonga ny lamaody ka taggé ianao. Aborahy hono ny tsiambaratelon'ny fo : jereo eto
miandry izahay an ! kiss

koà

harilova | 22/02/2008, 00:52

harilova

tsa haiko e
inona tsara?

Re: Diniky ny fo

ikalamako | 22/02/2008, 01:01

ikalamako

rehefa mamaky ny blaogy nampidirin'i tokinao sy lalasoa sy pissoa vao haingana teo ianao sy mi-click io lien napetrako hojerenao io dia hahazo fa miandry anao hamboraka sekre fito aminay namanao eto amin'ny blaogy izahay, ary efa sasa-miandry sy tsindin-daona ka aza mody gisa indray, hihihi
Herezo ity izy ranamana fa maika ny ankizy !

hihihi

harilova | 22/02/2008, 01:05

harilova

efa misy dimy any dia ny roa alefako rehefa isy mametraka hafatra e

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb