"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 22 Febroary, 2008 01:10
Aioto o
mba havoty fa tsy misy lohany tsy misy vodiny! raha adika amin'ny tenin-drazana izany dia inona no heviny?
Tsiambaratelo inona re no ambara vahoaka eto e?
ny tsiambaratelon'ny fo sasany angatahin'Ikalamako amiko aloha dia efa lazaiko eto :
1- tsy haiko ny dikan'ilay taggé
2- izaho tsy monina any amin'ny tany miteny frantsay
3- lava be ny akanjoko fa tsy 30 cm ohatra ny an'ny sasany!
4- izaho tsy voaivavy fa lahilehy
5- mahay mamaky teny miankavia aho.
Dia ny anakiroa sy ny relais ohatra ny ataonareo rehetra dia lazaiko rehefa misy mametraka hafatra hanao taggé antsitra-po eo.
fanampiny taorian'ny hevitr'ikalamako :
Ny faha-6 ary e : matory amin'ny 13 ora alina aho miandry ny komanteran'Ikalamako isan-kalina hahafahako manomana ny fifampizarana isan-kerinandro...
ny fahafito taorian'ny torohevitr'i Lehilahytsyresy : tsy misotro Téggué aho, kroà blé (sy rozy)
harilova | 22/02/2008, 01:29
lehilahytsyresy | 22/02/2008, 08:14
Raha "téggué" (T.G. = "Toaka Gasy") dia mety haiko ihany e.
:-)
harilova | 22/02/2008, 09:31
efa feno fito ireo ry Ikalamako a, dia inona indray ny manaraka?
Tena izao aloha dia ohatra (na tena) ny olona avy any anaty fako vao niakatra amin'ity zavatra ity! lol
Ikalakely | 22/02/2008, 10:42
faly mahafantatra an'i harilova aloha e, mampihomehy be ilay hoe sao dia efa lasa matoatoa aho fa miarahaba ny tenako!!!
dia hay ve ianao ka tsy viavytsara e! dia tsy mieny frantsay koa ve? aizaaaa!!!
dia ahoana izany mamaky teny miankavia 'zany?
harilova | 22/02/2008, 11:28
Ikalakely kosa tsy mamaky tsara e. efa nasiako linky ary ao hoe inona ny teny haiko mamaky avy any an-kavanana izany e, tsy arabo fa ohatry ny famakiana ny teny arabo!
Ka izaho matahotra ho ghost hoa!
tsy miteny frantsay re aho e, mampalahelo o! sady tsy miteny anglisy soa fa telo ny langues officielles araka ny lalam-panorenana 2007 dia mba mamatratra ao amin'ny teny malagasy sady io no langue nationale e!
Tandremon'Ikalakely anefa fa tsy azo fosaina amin'ireto tenim-pirenena ireto aho : malagasy, betsileo, bezanozano, sihanaka, betsimisaraka,napoletana, katalanina, sy y faran'ny tsy hay ary ny anglisy tsy tononina haingana!!! hihihi
jogany | 22/02/2008, 18:06
dia avy any ilay mpanararotra manao squattage sy spammage.
izao koa t@ voalohany tsy azoko mihitsiny ialy hoe "taggé" ka tsy nampiasaka fa nenay "secrets" ihany ...
hotrany hoe tokony anao relevé social zany @ ity tagg tagg ity dé reto ny thème :
- firy km ny alavan'ny zipo nareo?
- aiza ny vote nareo? gauche sa droite?
- fa ahona lé pseudo nareo hotrany hoe vehivavy ka nefa lehilahy nareo (za averin'ny olona fa lahy foana juskè ce k je mette une photo fa mbola misy tsy convaincu any...)
Mafinaritra be mamaky an ity blaogy ity (sincère be izany an!)
tohizo eé (tsy lé secrets an!)
pissoa | 22/02/2008, 20:38
O ry Harilova a, miala hoa ao amin'io kroa ble io :-P
ikalamako | 22/02/2008, 21:22
de le rouzy atao akory ry pissoa ?
manjary miara-miasa amin'ireny infermiera manao satroka kely sy roby fohy ireny izy na dia fotsy mitovy amin'ny azy aza ny robin'ireny :-D
harilova | 22/02/2008, 21:36
Ka izao :
>jogany : misaotra fa izaho koa namaky zavatra iray mahaliana ahy momba le fitiavana nosoratanao ao io, vao tsy an-trano aho izao fa manofa trano dia vao tsy nanam-potoana hampitana azy eto.
> Pissoa : ka izaho anie sady kroà ble no kroà rozy e
dia ahoana no hialana kosa ary e! mba asio antony kosa e
> Ikalamako : toa karazandrazana infirmiera ihany ny asako raha dinhana ko! saingy ny tsy mampitovy azy ny azy ireo ny marary osorany alkola (vao tsindronina), saingy izaho kroà ble dia menaka no ahosotro azy! tsy ratsy a
harilova | 23/02/2008, 13:37
inona indray ary izao miha-mazava izao ry news2dago a, io sary kroà manga sy mena io manko tsy hitan'i Pissoa dia asainy hialako nefa aho ty ambolana mahita sary hafa...
mba lazao ihany reheafa mazava e
maintikely | 23/02/2008, 17:27
za nisalasala mitsy hoe lahy ary ve sa viavy. Hay lahy :).
Ka ilay lavabe akanjo ve tsy normaly raha pataloha? Sa hoe manao akanjo-na pretra ka tsy mifaka za :D
Mamaky baiboly mivadika zany ndroky?
ikalamako | 23/02/2008, 22:02
maintikely : chaud chaud chaud (rehefa ilay mitady zavatra ka manakaiky ny misy azy) hihihi
I harilova lahy manao roby moa i pissoa vavy efa tamin'ny 2006 no nizipo farany, lol
pissoa | 24/02/2008, 12:30
Ikalamako : ndeha alefako any amin'i Harilova daholo ny gowns-ko fa simba fotsiny, lol.
harilova | 24/02/2008, 13:51
I Maintikely aloha dia tsy homena tsiny fa ny roasy sy ny orkidé aza efa hanahirana azy ny hanavaka azy, ka aiza moa no tsy lazainy fa ny pretra ihany no manao akanjo lava! Ny mpitsara, ny mpisolovava, ny mpihiragasy samy manao akanjo lava avy, dia mbola nampiako aza tamin'iKalamako hoe se alina koa misy vest'alina! lol
Ikalamako a! izaho anie tsy nilaza hoe tsy nipantaloha e, i Pissoa no nanary zipo ka asa na oviana no ho tonga aty izao gowns ho simba fotsiny izao, ity nya adresy andefasana azy :
Harilova,
Via della spazzatura, n.ventiny
00001 int'a munezz.
Tandremo sao tsy halefa a, sady tsy mila asiana carton avy madatsaka ny entana alefa amin'io adresy io...
Ikalamako a! io ary no niafaran'ilay "fotsifotsy" ny lanitra mangamanga tary e!
baiboly indray ro lazain'i Maintikely vakiako mivadika! tsy loza???
Aleo mamaky kitay ka!
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Janoary 2010 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |
| 31 | ||||||
Re: Taggé? Vonjeo fa tsy haiko
ikalamako | 22/02/2008, 01:15
tsy ampy fito izany e ! tsisy an-kiantso aioto/vonjy.
Ny taggé dia toa anao mila mameno fito ny tsiambaratelony fa tsy 5 fotsiny. Tsy ampidirin'i md piera hoe raha vao tsy mahafeno module!
Ny anao akanjofotsy lava be
ny an'i pissoa pataloha foana
ny an'ikalamako zipo 30 cm
dia mifameno isika izany, lol.