DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Tananan'Ikalamako

harilova | 25 Febroary, 2008 15:36

Nitsangatsangana tany amin-dry Ikalamako aho izany dia tratra hariva niandry Bus dia ity sary ity no hitako nameno tanàna, indrindra isaky ny fermata!

Dia hoy aho hoe tena 30cm avy any ambony kay mo no refesina fa tsy avy any ambany!!!!

Fai clic

Dia namerina conjugaison verbe aho :

j'a dore!

Tu d'or

nous dormons!

vo....dia tsy haiko intsony!!!

Dia manontany tena aho hoe ho avy izao ny 8 martsa ka harentirenty indray ny zon'ny vehivavy! Enga anie tsy ho amin'ny dokam-barotra ihany!

Hevitra

Re: Tananan'Ikalamako

ikalamako | 25/02/2008, 16:10

ikalamako

mba mitenena gasy tsara moa ry harilova a ! fermata = arrêt bus.
Ka mba manao compagnie anareo eny ary ry R'ador ka atao akory. Nareo avy any amin'ny fako any ihany no mahatsikaritra ireny fa ny anay efa iainana andavandandro dia tsy mba mitsipalotra amin'ireny intsony ny masonay - sy ireo mora rebirebena amin'ny 30 cm izany koh! hihihi
Ikalamako aza efa hiezaka hisalotra raobylava rehefa haka sary any amin'ny tsy tanànany amin'ny manaraka sao aongan'ny olona ny hiafarany...
Fa manja kosa io ranomanitra io e, mba tokony eritreretin'ny lehilahy hatao cadeau-n'ny vehivavy amin'ny 8 martsa no dikan'ireny pub ireny, odoie !

lol

harilova | 25/02/2008, 16:22

harilova

Ka izao anie
Le avy any an-joridira mihitsy no maha-lava maso e! Ny anay ny pub toa tsy mba misy ranomanitra izany ka! Ny betsaka aty le sarina voatavo iny (Conto arancione) satria hoe misy hampisambo-bola raha mila fa nanokatra banky avy amin'ny vidim-pako e!
Sao izaho indrayy no lazain'Ikalamako ho ramakad'or eo a! Miala tsiny amin'izay mitondra anarana!

Re: Tananan'Ikalamako

ikalamako | 25/02/2008, 16:37

ikalamako

oups, aary niala le lakroa bleu sy rouzy ry pissoa !!!

lol

harilova | 25/02/2008, 16:43

harilova

Fa mbola ble ihany ny lokony e
Asa izay raha efa ni-expedien'i Pissoa le gowns lavabe! sao mba tsy ampy metatra no hatahorako dia hihantona tahaka ny an'Ikalamako ihany! Izaho manko lavalava ihany

Re: Tananan'Ikalamako

pissoa | 25/02/2008, 18:03

pissoa

O r'ikalamako a, aza mampihomehy. Dia hoe mba mitenena gasy tsara moa ry harilova a ! fermata = arrêt bus.
hi hi hi.

Re: Tananan'Ikalamako

lehilahytsyresy | 25/02/2008, 19:16

Fa niandry inona teo amin' ny "fery manta" kosa i Lova e ? hihihi...
Raha teto Madagasikara angamba io affiche io ka hoe natao tamin’ ny teny Gasy, mety ho toy izao no fivoakany:
"Dior hoe ? Dior ?
Jereo ireto entana f'izao no tena dôro !
Mahasolo Salsa sy ronono Rômanôro !
Tsisy ankihambahamba fa tonga dia dakôro ! "

Re: Tananan'Ikalamako

trinitty | 25/02/2008, 20:43

J'adore de Dior, un de mes parfums préférés hihi Vive le Vday ;-)

aoka leiretsy a

harilova | 25/02/2008, 22:12

harilova

Pissoa > vao miandry an'le gowns anie e. Efa nadika'I Lehilahytsyresy le izy ka Fery manta hoe! Fery manta be ronono angah no tiany holazaina ao!!! lol
Trinitty > saika hotolorako Dior ianao saingy hoe tsy mino ny Joba mangina no sady nangalatra T iray! mihoatra!
Aleo hajanoko fa sao manondrana eo indray ny tompon'ny Tanàna e (Ikalamako io a)

Re: Tananan'Ikalamako

ikalamako | 25/02/2008, 23:40

ikalamako

avelao ny tanànanay re ! Fofon-dranomanitra zadaoro no ao fa tsy toy ny aminareo feno fako amin'ny taonina...
Nihoatra T iray tokoa ny anaran'i Trinitty fa raha tsy izany saika le comme tamin'ilay lakroa blé sy rouzy.
Ary mahery koa i LhLhTsRs raha handrima ny zadaoro an ! Tsara lesona tamin'ny rahalahiny DdRb

Re: Tananan'Ikalamako

ikalamako | 25/02/2008, 23:41

ikalamako

pissoa : hay tokoa moa fermata = fijanonan'ny zotra, tena voa indray aho, hihihi

Re: Tananan'Ikalamako

Tsikisariaka | 26/02/2008, 08:15

Ataoko fa blaogina dialôgy ty izy kay nisy hafa niditra ihany dia tonga koa aho ! hi hi hi

Zadôro, zôridira.... mitovy fikasaoka fa samihafa kely fotsiny ! ka inona no iadian-kevitra amin'izany ? Mody inona eo fa hita fa elle adore les ordures !!!!!! ha ha ha

kay! Vive Naples

harilova | 26/02/2008, 16:02

harilova

jereo eto izay manimanina le sary teo taloha e! aleko ihany ra-zoridira.
Ikalamako a, lazain'i Tsikisariaka ho dialogy ndray anie le zavatra e! Nefa ve ny mailaka efa ataoko ery amin'ny lohan'ny blaogy ery ho an'izay te hanoratra manokana!!!
Soa fa tsy tery fery (vay) manta izy ity fa resaka zoridira! Mbola hitohy ity resaka ity rehefa hatsangana ho olontsambatra Rafiringa (irariana mba tsy hihevotra)! sady angatahiko amin'i Benoit XVI ho mpiaro ny mpiasan'ny 'a munezz' (zoridira @ napoletana)

Re: Tananan'Ikalamako

Tsikisariaka | 26/02/2008, 16:08

ié, tonga tsy noterena fa nahita ilay zôridira za dia saiky nitspoka kinanjo nanentoento ny dior dia tamàna mihitsy. Tsy dia maharaka loatra ilay resaka fa dia manaraka m-bokony sy manisy sira eny antsefatsefany e ! Dé tout fasôn, tsy dia maharaka loatra aho hoe iza ireto olona, iza no tompon'ny tanàna, an'iza ilay tokotany fa dia misy varavarana sy vavahady misy soratra hoe "karibo!" amin'ny alalan'ny lohateny dia indro tokoa.Miankina amin'ny fotoana aloha, indraindray dia tsy tafandalo aty mihitsy akory fa anio toa mba nahazo permisiô dia manarôrôtra ery. marinéééééé

Re: Tananan'Ikalamako

Tsikisariaka | 26/02/2008, 16:08

ié, tonga tsy noterena fa nahita ilay zôridira za dia saiky nitsôka kinanjo nanentoento ny dior dia tamàna mihitsy. Tsy dia maharaka loatra ilay resaka fa dia manaraka m-bokony sy manisy sira eny antsefatsefany e ! Dé tout fasôn, tsy dia maharaka loatra aho hoe iza ireto olona, iza no tompon'ny tanàna, an'iza ilay tokotany fa dia misy varavarana sy vavahady misy soratra hoe "karibo!" amin'ny alalan'ny lohateny dia indro tokoa.Miankina amin'ny fotoana aloha, indraindray dia tsy tafandalo aty mihitsy akory fa anio toa mba nahazo permisiô dia manarôrôtra ery. marinéééééé

Re: Tananan'Ikalamako

DadaRabe | 27/02/2008, 02:05

Ary tsy hitako ilay tanàna

Re: Tananan'Ikalamako

ikalamako | 27/02/2008, 03:15

ikalamako

tsy ilay tanànanay no nasehony sy naveriny anatin'io "jereo eto" io ry DdRb fa sarin-tovovavy manao ranomanitra zadaoro. Ireny tsy mba fahitany fa tototra fako any amin'ny tanànany any ka hankalazany ny anay :-P

lol

harilova | 27/02/2008, 14:32

harilova

Heverin'Ikala ho difotry ny fako ny tanòna nefa ity no tena rotaka! Omaly aho very andro tontolo tany am paositra nanavao permi de sejours dia avy eo mba nandehandeha eran'ny tanàna hizaha sao mba misy pub ohatry ny an'dry Ikalamako ihany any ho any!
Dia nandalo ny Bus ary misoratra amin'ny takibany ny propagandy ho an'i Veltrony
Tsy niakatra anefa aho fa mbola niandry ny bus manaraka ary ilay nandeha hijery bus hafa horaisina iny aho no tsinjoko tao ambadiky ny takela-by milaza ny fijanon'ny bus (fery manta) fa propagandin'i Berlusconi no tao
Dia hoy aho hoe : inona ary no hevitr'ity!
I Veltroni sy Berlusconi anefa ohatra an'i Ratsiraka sy Zafy tamin'ny fotoan'androny!
Ity ve no tonga amin'ny teny hoe : XX mipetraka dia ny XX mandeha! Dia hoy aho hoe XX ny vazaha!

Re: Tananan'Ikalamako

Tsikisariaka | 29/02/2008, 15:21

tena manao dialôgy tsy arako mitsiny ka ! ehhhhh misy miala aaaaaaaaao !

eh

harilova | 29/02/2008, 15:38

harilova

Tsikisariaka> ho aiza?
Aza miala izany! izaho izao miandry ny any Suede hangata-bady!!! hihihihi

Re: Tananan'Ikalamako

ikalamako | 29/02/2008, 15:52

afaka efa-taona indray o !!!
Miala tsiny fa efa tara ny fandefasanao ny CV-nao ndrematoa :-P Ny soedoazy tsa miandry fa rehefa 29 février dia 29 février...

Re: Tananan'Ikalamako

harilova | 29/02/2008, 16:00

harilova

Vao avy namaky ilay mailaka momba ny Prière d'un mari miandry 9 volana fa bevohoka omaly halina iny aho teo dia miverina eo ny resaka.
Tohin'ny Lalasoa ity fa lasa spam le hevitra any...
Amin'ny société matrimoniale anie ny vehivavy no mangata-bady e. saingy rehefa amin'ny société patriarcale ianao dia izay no izy!
Ny kolontsaina dia maha-olona ny olona ary tsy fanetrena na fanambaniana velively ny fanajana azy!
Tsy ny vehivavy ihany anie no maniry ny hanao tahaka ny hataon'ny lehilahy e, ny lehilahy sasany koa maniry ny hanan-jo, "hanan-jo" tahaka ny vehivavy! saingy tsy mahagaga hoy aho ny vokany raha mitombo ny homosexuels! satria mitovy ny lahy sy ny vavy! Dia mety hilaza ianareo hoe ka izay no tiany ko! Ny aza manody ny hoe natsangan'ny Mpivady homo ianao! tsy fitsipahana ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny sehatra hahafahany manao izany no tiako hahatongavana, fa ny fampahatsiahivako fotsiny hoe ny fitakiana ny zo dia mazava loatra fanajana ny andraikitra ihany koa!
tsy zavatra ambany velively ny fikarakarana tokantrano izay nankinina amin'ny vehivavyamin'ny ankampobeny, saingy rehefa tsy raisina amin'ny hoe fanasoavana ny taranaka sy ny fiaraha-monina ilay izy dia aleo ny zaza no ankinina amin'ny babysitter toy izay horaisina an-tanana ny fikolokoloana azy!
Dia aza gaga isika satria ny fiaraha-monina manontolo no mizaka ny vokany!
Ny vola manko no lasa ambony noho ny maha-olona...
sady izao anie e, zavatra navalon'ny taonarivo maro tsy ho voahova anatin'ny taona vitsivitsy!
Hafatro fotsiny ho an'izay hangata-bady afaka efa-taona! Na hanaiky aza ny lehilahy, ianareo ihany no hitondra vohoka se teo!
Ikalamako>ma = -ko kay dia mba tsy nanao pleonasme aho e

Re: Tananan'Ikalamako

Tsikisariaka | 03/03/2008, 13:27

tara izany ! soa ihany aho f'efa niala. Ety ambony taxi ndray za zao mitazana ! mbola hitako eo sy vivaiako ety ny dialôgy !!!!

Re: Tananan'Ikalamako

Tsiks | 03/03/2008, 13:29

Loza koa ty diso tsipelina ty fa sady mitendry no mijery ny mpandalo fa misy lava maso, tsy nandaitra ny à l'aveuglette ka mitady hiteniteny foana léizy. VINANIAKO ETO NY dialôgy !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb