DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Nitsahatra ny orana!

harilova | 12 Martsa, 2008 22:15

Rehefa milaza hoe an-dafy taloha dia tahaka ny hoe lafatra be izy izany, saingy toa aleoko ihany le mandoha vola any madagasikara dia avy eo misahirana ka!

Ny any amintsika dia misy ny boaty postaly ka mandoha vola ianao dia misahirana mankany amin'ny paositra maka ny taratasy! Ny aty andafy indray dia  efa be hoe ny taksa aloha ka ny paositra no manatitra ny taratasy isaky ny lava-trano! saingy ny voamariko nandritra ny telo taona nipetrahako tato izay fa rehefa avy ny orana, tsy hisy taratasy ho avy eo! Aleo lazaina ny antony hoe : mba hitsinjovana ny taratasy tsy ho lena eny an-dalana!

Saika hanoratra izany aho tamin'ny alatsinainy satria herinandro ziay dia avy lava ny orana! dia nisy natao tampoka aho, ka tsy vitako ilay izy! dia nanoratra about blank aho! fa toa be mpanokatra kokoa noho ny lahatsoratra sasany soratako eto!!!

Sady no! comment be comment be!

Aleo aloha izay fa ny andro nanomboka nihiratra androany dia nahazo taratasy tany amin'i dadanay aho dia vao hamaky azy!

Hevitra

Re: Nitsahatra ny orana!

Lalasoa | 12/03/2008, 23:24

Ka efa misy ny mail, sms, telefonina ka na tsy misy paositra isan'andro aza ange, tsy maninona e!

Re: Nitsahatra ny orana!

ikalamako | 12/03/2008, 23:53

ikalamako

kangony fa ny mahavoa anay aty Afrika (ry harilova aza mbola any @ tapany atsimon'i Afrika, pire!) dia tsy mandeha mihitsy ny paositra na tsy avy aza ny orana... Efa be ny taratasiko izay no very, "vive la poste electronique, adieu mes parents et amis sans poste électronique, grrr !"
Izaho raha te ho siora fa ho tonga ny taratasiko dia voatery mandeha eny amin'ny laiban-dr'i harilova etsy @ paositry ny vatikanina fa ao kosa dia tsy mifaka aho.
Tamin'ny herinandro aho nahazo taratasy avy any Frantsa nalefa tamin'ny lohandohan'ny febroary, izay vao tonga, tamin'ny herintaona karta postaly mba nalefan'ny namana nanao vakansy 10 andro tany Sardaigna tonga 3 volana taorian'ny niverenany, lol

Re: Nitsahatra ny orana!

pissoa | 12/03/2008, 23:55

pissoa

Ikalamako sy Harilova : mifindra aty Afrika e :-P Eto aminay aloha mba malaky ihany raha resaka paositra izany e. Ny alefa any Mada no somary mandray 1 volana eo ho eto ...

Re: Nitsahatra ny orana!

simp | 12/03/2008, 23:59

le mandray faktiora no tena tsy laitra @ le taratasy :)

aleo e-mail SNT ihany kle :P

Re: Nitsahatra ny orana!

ikalakely | 13/03/2008, 08:43

hahaha...tpt marina a!

Eto finda marina tsikaritro fa Tsy mahazo taratasy rehefa alatsinainy
Rehefa avy ny orana
Rehefa ratsy loatra ny andro (la neige)
Rehefa migrevy ny akaman-dry zareo sasany (fonctionnaire hafa)

Re: Nitsahatra ny orana!

news2dago | 13/03/2008, 09:09

mazava e!
zavatra vaovao iny dikiky ny fo a! na za ary gaga be oeaiza ary izay lahatsoratra! hay moa about blank!lol

lol

harilova | 13/03/2008, 10:22

harilova

Pissoa > Samy Afrika anie no misy antsika e! izahay koa mba aty afrika atsimo! ry Ikalamako no mba nay akaikin'ny laibany any!
Lalasoa> mba nandefa finday ho an'iDadanay aho fa ny mamelona azy aza tsy hainy! Soa izy fa tsara soratra be! na dia iray volana sy tapany aza vao tonga ny asa sorany.
Ikalakely> mbola ho ela vao hisy grevy hialohavan'ny mpitandro filaminana any amintsika! Ny zo hitokona izany dia ao anaty lalam-panorenana afa tsy ampiharina any amin'ny tany andalam-pihemorana!
news2dago> ka tsy adino le lahatsoratra fa tena tsy nisy fotoana dia io no hevitra hita e!
simp> aleo anie ny mailaka fa na izany aza aleo mihinan-kely toy izay madry fotsy amin'ny fifandraisana amin'ny nahitana masoandro e!
Ikalamako> alohavy ny onitra amin'ny fanararaotana ny laiban'ny tanàna ao!

Re: Nitsahatra ny orana!

DadaRabe | 13/03/2008, 21:53

Raha ny fahazoako azy dia miandry taratasy mafy izany i Harilova an !

HO avy é!

lol

harilova | 14/03/2008, 10:05

harilova

Dadarabe> enga anie tsy ho tahaka ny an'ikalamako na sanatria tsy ho hita popòka!

Re: Nitsahatra ny orana!

ikalamako | 15/03/2008, 00:23

ikalamako

ary tsy sasatra miova akanjo ity harilova kah !

Re: Nitsahatra ny orana!

DadaRabe | 15/03/2008, 00:32

Ary nametraka hafatra aho ry Harilova dia toa tafiditra spam angamba.

Mirary andro tsara é

Re: Nitsahatra ny orana!

pissoa | 15/03/2008, 19:15

HS kely : hay efa io am'avatar io le gown de mody hoe tsy nalefan'i Pissoa foana, tsssss - hi hi

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb