DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

fanasana!!!!

harilova | 20 Martsa, 2008 17:00

Rahefa miteny hoe : fanasana dia inona no tonga ao an-doha? Fanasana hamonjy fety ho an'ny manan-katao... Fanasana vilia rehafa manomboka ho vita ny fety... fanasana lamba sy akanjo...fiara!!
Anio dia ankalazain'ny Mpino kristiana ny Fanasana Farany niarahan'i Jesoa sy ny Mpianany!
Tsy invitation anefa ilay izy fa "fanasana tongotra".
 
 
 
 Araka ny Finoana katolika dia anio no namoronan'i Kristy ny Eokaristia, antsoina hoe Alakamisy masina
20-03-2008
 
Fahazavana
Amin'ity hariva ity no ankalazana ny namoronan'ny Tompo ny Eokaristia. Ny Vakiteny voalohany dia manambara ny Lalàna momba ny sakafo fankalazana ny Paka (Eks 12, 1-8.11-14 ) izay natao indrindra hahatsiarovana ny "zava-dehibe nataon'ny Tompo tamintsika". Izany no tohizantsika ao amin'ny Fombam-pivavahana isaky ny mankalaza ny Sorona Masina, tahaka ny nitantaran'i Paoly azy tamintsika : "Isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity Kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny" (Vakiteny II).
 
 
Izany no lazaina amin'ny teny Frantsay hoe Memoriale, fahatsiarovana tsy fe fahatsiarovana ihany satria sady ho mandrakizay (tsy very tadidy) no tsy latsa-danja amin'ny zavatra izay tsaroana (mitovy lanja).  Raha izany ary, dia tsy kisendrasendra ny nampitovian'i Joany ny Fitantarana ny namoronana ny Eokaristia sy ny Fanasana Tongotra.
 
Fanasana farany, tsy fanasana amin'ny sakafo fa fanasana tongotra izay manambara ny toe-po amam-panahy tokony hananan'izay manolotra ny Eokaristia (Evanjely ).
 
Ny Fitiavana no ambaran'ny Mofo zaraina zary aina. Izany no ankalazaintsika anio. Ny mampisy heviny ny fiaraha-mivavaka ataontsika dia ny fahatsiarovana ny Tompo, araka ny hafatra navelany : "Efa nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo".
 
Ny Fiainantsika ary no antsoina ho Fiainana Eokaristika, izany hoe hiha-Jesoa isan'andro. Ny Menaka masina nohamasinina tamin'ny Lamesa Crismale nanosorana antsika (Mesia = Voaosotry ny Tompo = Kristy) ho kristianina. Olomboahosotra ary isika ka ndeha hifanohantohana, hifanasa tongotra (asan'ny mpanompo) mba tsy handraraka ilo mby an-doha.
 
 

Hevitra

Re: fanasana!!!!

pissoa | 20/03/2008, 22:09

Manana latabatra voaomana i Jesoa ...

Mankasitraka harilova a !

Re: fanasana!!!!

DadaRabe | 21/03/2008, 03:21

MIrary ho tratry ny paka é!

Re: fanasana!!!!

ikalamako | 21/03/2008, 10:49

eka ouz fa voaray ny hafatra, dia zoaiezy Paka i harilova.

Re: fanasana!!!!

Petasoa | 21/03/2008, 13:42

Misaotra e de mirary soa

Re: fanasana!!!!

Petasoa | 21/03/2008, 13:42

Misaotra e de mirary soa

lol

harilova | 21/03/2008, 15:40

harilova

Pissoa> tena efa niboridana le latabatra vao hitako le hafatra!
Mankantelina e
Dadarabe> Miraryy ny Paka ho anao koa, dia zoiezy paska tahaka an'Ikalamako
Petasoa> Tsy misy fisaorana dia mirary ny lafatra
Ikalamako>ambohipihaonana mifankahita

Re: fanasana!!!!

pissoa | 23/03/2008, 23:24

pissoa

Hi hi - dia tongava aloha amin'ny sakafo hariva raha efa niboridana ilay latabatra e.

lol

harilova | 23/03/2008, 23:43

harilova

tsy hitako taty io
ny aty vita vao aboridana
lol

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb