DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

harilova | 29 Martsa, 2008 12:17

        Androany dia 29 martsa, ka ho anay nitombo tamin'ny Faritra Alaotra-Mangoro dia misy dikany manokana ity andro anio ity.
    Maha-velom-bolo ny soson-kevitr'i Lapino momba ny teny malagasy, saingy ny heveriko fa laharam-pahamehana ho antsika ny mahatsiaro ireo Maherifon'ny Tanindrazana, nahafoy ny aina hiaro ny maha-malagasy.
        Fahaleovan-tena! Inona no hevitr'izany amin'izao fotoanan'ny fanatontoloana izao?
        Mahaleo tena ve midìka hoe tsy mila ny hafa? Angamba tsy izay loatra! "Fahafahana mizaka tena ka tsy fehezin'ny hafa na miankin-doha amin'ny hafa intsony", hoy ny Rakibolana Malagasy.
        Mahaleo tena i Madagasikara, raha izany, saingy tsy mahaleo tena ny Malagasy. 
    Raha mbola hosihosena ny zon'ny Valalabemandry, ka ny tombontsoan'olombitsy no andrandraina dia tsy misy fahalEovan-tena fa tena fahalovana izany.
        Dia andao samy hiezaka ny tsy hialan'io E sarobidy io, izay tsipelim-piainana andavan'andro hiarahantsika mitolona.
        E! izay entina miantso ny tsara sitra-po, handray an-tanana ny Fiandrianam-pirenena!
E! Angamba ny Erikerika maha-tondra-drano!
E! Antenaiko ny Ezaka ifanohantohanantsika ma hahay hifandray amin'ny hafa, saingy hiaro ny Fiandriana'ny Maha-Malagasy!
       

Hevitra

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

pissoa | 29/03/2008, 13:19

pissoa

oyE oyE !!!

Aza bedesina raha manontanintany foana : aiza moa izany Alaotra-Mangoro ?

29 Mars

Haja | 29/03/2008, 14:09

Fahatsiarovan'inty andro androany inty:
-Ny rà nalatsak'ireo tia tanindrazana Malagasy nitaky ny fahafahan'i Madagasikara
-Ny rà nalatsaka n'ireo mpitaritolona tsy nanaiky intsony ny "zarazarao anjakana"
-Ny fahafatesan'ireo maritiora ho antsika taranaka ankehitriny!!!!!!

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 29/03/2008, 16:26

ikalamako

any aminay any amin-dr'i goana any ny Alaotra-mangoro ry pissoa, sompitr'i Gasikara...
Hay ve i harilova le gaona toa ahy e, hitako no tsy hitako, hahaha.
Ezahina atao daholo izay takatry ny saina hitiavana an'i Madagasikara ry harilova.

(ps : misy fiaraha-mivavaka ho an'i Gasikara aty @ tanàna ry harilova sao hadino an ! zara aza misy blaogy hampatsiahivana )

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

pissoa | 29/03/2008, 22:08

Hi hi - Ikalamako : fantatro Alaotra, fa ilay hoe Mangoro no tsy haiko lol dia noheveriko hoe hafa izany Alaotra-Mangoro :)

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

simp | 30/03/2008, 00:19

E!: jereo eto

chaine manokana tia tanindrazana :)

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

simp | 30/03/2008, 00:23

vazivazy fa averiko fotsiny le tenin'i DdRb tatsy hoe:

« Na inona na inona ataontsika, na inona na inona tanjona heverintsika ho an’i Madagasikara, raha tsy misy ny FITIAVANA NY TANINDRAZANTSIKA dia zava-poana, eny, zava-poana ihany izany ».

amen

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 30/03/2008, 00:28

ikalamako

pissoa : nataon-dry dia hoe mangorohoro ny any Alaotra fa lany ny vary ? :-P

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

lehilahytsyresy | 30/03/2008, 06:34

oah daday. Hay moa ve narieo lehiretsy nobeazina tany amin' ny toerana nisy an-dry Lehilahytsyresy. ô-gwôna, mahafinaritra ny mifankahalala.

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 30/03/2008, 12:26

ikalamako

mba miverena aty an-tsihanaka aty rizalahy !
Hay LhLhTsRs koa anaty klioba ?
Maromaro zanak'Alaotra kay koh. hisy azy ny fihinana gisa atsy ho atsy izany daday !

ok

tokinao | 30/03/2008, 17:05

Misaotra mampatsiahy sy manentana harilova a! pissoa > Raha ny tena izy dia tsy mitovy ny alaotra sy mangoro. Ny Alaotra dia ny ahitàna an'i Ambatondrazaka, Amparafaeavola sy Andilamena. Fa Mangoro kosa dia ahitàna an'i Moramanga, sy Anosibe an'Ala. Ankehitriny moa dia natao ho Faritra (na "région") iray izy roa ireo ka nantsoina hoe "Alaotra-Mangoro".

ok

Tokinao | 30/03/2008, 19:07

Misaotra harilova a! pissoa > tsy tena mitovty ny alaotra sy mangoro fa izao : alaotra = {andilamena, ambatondrazaka, amparafaravola} mangoro = {moramanga, nosy be an'ala}. Ankehitriny anefa dia natambatry ny fanjakana ho Faritra (région) iray izy ireo ka izay no mahatonga ilay fiteny hoe "alaotra-mangoro".

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 30/03/2008, 21:59

ikalamako

ato amin'i blog-n'i helisoa ato misy vidéo interessant momba ny colonisation sy ny 29 martsa 1947
http://rahelys.unblog.fr/2008/03/29/colonisation-29-mars-1947-a-madagascar/

lol

harilova | 30/03/2008, 22:24

harilova

Tena sempotra aho
di tsy nahavaly le resaka Alaotra_Mangoro e
Gaonan'i Mangoro e
any Mora/gam am 29 martsa any e
Manga mora hoe

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 30/03/2008, 22:39

ikalamako

tonga soa anao daday !!!
Anay efa nahavita "zanahary o tahio ity tanindrazanay ity". Taia anao le goana ! Sa miandry gowns avy amin'i pissoa ancora ?
Vagò moramanga no nahaizan'ny valalabemandry azy koh !

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

pissoa | 30/03/2008, 23:00

Ary variana nanontany ilay Alaotra-Mangoro aho dia hadinoko ny nametraka an'ito :

NY RANOMASONAO

1 - " Sivy amby roapolo Marsa…fito amby efapolo.
Raha mbola malagasy, mahatsiaro an’io daholo.
Fotoana nanoherana ny fanjanahantany,
Kanjo habibiana no setriny avy hatrany.
Tsy tanty ny alahelo, nitomany ianao ry Nosiko
Zava-nisy izany, tsy angano na hoe nofiko.
Tsy ranomaso anefa, na dinitra tsy akory,
Toy’zay fahita ihany amin’izay rehetra ory,
Fa rà nijininika no namonto tava anao !
Ireo tanànanao potika sy lao,
Ny alanao matevina, mainty ngalingaly
Nirehitra avokoa. Vao mainka koa nijaly
Ianao voafatotry iny ! Ty hay nalaina sary
Ireto zanakao nataony "jinja-fary".
Dray...tsaroako loatra ireny ! Toa renin-jaza iray
Misaritadrita-bolo f’efa may dia may,
Mibaby izato zanany, misikina am-balahana,
Handeha hiriotra, himaona hitady fahafahana,
No fahitana anao. Kanjo teo indrindra ,
Voatifitry ny bala ka tsy afaka namindra:
Nihohoka amin-janany...nitrosona amin’ny tany
‘Lay ranomaso iny nifangaro tamin’ny ràny!
Ny sandry rotidrotika, tsy zakany niaingaina
Hambobàny an-janany efa miala aina...!

Io andininy io no tena tiako be fa jereo eto ny tohiny ze te hijery :)

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 30/03/2008, 23:26

meeci pissoa !

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 30/03/2008, 23:26

meeci pissoa !

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 30/03/2008, 23:29

meeci pissoa fa tsara ilay tononkalo

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

DadaRabe | 31/03/2008, 00:04

Mianatra mianatra hatrany é!

misaotra an'i Harilova

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

Lalasoa | 01/04/2008, 22:28

Mangoro: 15/20 km tsy hidirana an'i Moramanga raha avy aty Antananarivo.

Alaotra efa lasa lavitra kokoa: Ambatondrazaka, Manakambahiny, Amparafaravola, Imerimandroso, Andilamena ao anatiny daholo.

Re: 29 martsa : aza ampijaliana ny tanintsika!

ikalamako | 02/04/2008, 00:23

ikalamako

izaho hono tena manana endriky ny avy ao Andilamena - hahaha - any bebenay no milevina

lol

harilova | 02/04/2008, 12:18

harilova

Miala tsiny re Tokinao fa lasa spam daholo le hafatra mamibe napetrakao
Izao vao hitako satria nijery le hoe 38 hafatra aho
tsy Mangorohoro akory fa mangoro!vitsika e

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb