DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

harilova | 07 Aprily, 2008 17:01

nalaza naneran-tany ny fako taty Naples, ary mbola hanalan-dry 'Kalamako anay eo foana moa izany. Ny tena nahalasa ny saiko anefa rehefa mba mandeha mamangy ireo fianakaviana Napoletana fantatro aty aho ny hakanton'ny ao an-tranony. Fomba fiteny ny hoe Madio ivelany tahaka ny fasana, fa ity fomba fiainan'ny olona aty tsy hitako izay hilazana azy.

Quartieri SanitàRaha lazaina hoe tsy dia miraharaha ny ivelany, fa manome lanja ny ao anaty! Toa tsy marina loatra. toa Tanin'ny herisetra sy ny horohoro koa i Naples amin'ireo Camorrista (karazana Mafia izay fantatry ny maro, na dia tsy mitovy loatra aza). Dia inona ary ny Kolontsaina voizin'izany? Matetika isika no manarasty tena tahaka ny omby hantsika saingy ny Fanabeazana hikolokolo ny fiaraha-monina sy ny fiaraha-miaina no tsy ampy.

Vokatr'izany dia tsy misy miraharaha loatra izay hitambarana amin'ny hafa. Manambara izany ny building (palazzo) hiarahana mipetraka dia saika voretra be daholo ny ivelany, saingy raha villa manokana dia tahaka ny inona ny hatsarany!!! raha tsy hilaza afa-tsy ny fako aparitaka eran'ny arabe saingy tsy hitanao na ny misy ny fanariam-pako aza ao an-trano.

autre version

 

Tsy fanakianana be fahatany no tiako hifampizarana aminareo etoana satria maro koa ny zava-tsoan'i Naples (vedere Napoli e morire) saingy mba hanampy antsika hahatsapa tena amin'ny fibeazan-tena ho olom-banona, tsy andevozin'ny fitiavan-tena fa misokatra ho an'ny soa toavina iombonan'ny rehetra.

 

Izaho aza mba manontany tena amin'ny lesona azoko raisina amin'ny zava-baovao sendra ahy isan'andro.

 

.

 

Hevitra

Re: Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

news2dago | 07/04/2008, 17:38

de inona no hevitra @ izany!
miandry ny mpanadio izany ko

lol

harilova | 07/04/2008, 17:39

harilova

Ka ny mpandoto betsaka e!
fandio iray trano tsy hahaleo ny fandoto iray tanàna ko!

Re: Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

pissoa | 07/04/2008, 17:42

pissoa

Mety hoe eny amin'ny arabe izany ilay fanariam-pako tsy hitan'i Harilova tao an-tranony koa hi hi.

Any amin'ny tanananareo daholo ve ireo ?

Re: Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

simp | 07/04/2008, 18:15

Fanotaniana kely:
talohan'ny nahatongan'i harilova tany ve nadio sa naloto tany?

:)

Valiny

harilova | 07/04/2008, 18:18

harilova

Pissoa> aty avokoa ireo,
atao ahoana fa tantely amam-bahona ny fiainana e.
I Naples moa no ilay malaza ho tanànan'ny masoandro, ary io aloha dia marina, be loatra aza
Simp> vao hanontany aho, saingy inoako fa tsy nanova na inona na inona amin'ny fahalotoan'i naples ny fahatongavako.. lol

Re: Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

pissoa | 07/04/2008, 18:29

Mety ho i Harilova no nandoto ny tanana nony tonga tany ha ha ha.

Re: Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

ikalamako | 07/04/2008, 21:31

Naples somary afrikana fihetsika, fisaina ary fiaina. Malaza ho tsara tarehy ny tanàna saingy ny toe-tsaina no tena tsy laitra : gidragidra sy texas be no fiainana any sady renivohitry ny "fôsika" ka mahatonga ny fiantso ireo entana tsara endrika fa mora simba hoe avy any Naples rehefa tsy sinoa. Kanefa indray dia azo lazaina fa tsy misara-mianakavy rizareo, Fihavanana io - fa fihavanana eo amin'ny mpihavana fa tsy toa ny antsika - ary ny tena mampalaza azy ireo koa dia tena mirevy mikaly be zareo an ! Fa na avy "voir Naples" kosa aza ry harilova mbola tsy "mourir après" kosa kle ! Fako ve no hita maso farany, nannnn

Re: Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

DadaRabe | 08/04/2008, 02:31

Efa ho avy izao ilay dadatoanareo Berlusconi ka asa izay hafitsony ry Harilova :-)

Re: Kolontsaina! Fanabeazana ho enti-miaina

ikalamako | 08/04/2008, 15:27

ikalamako

DdRb : hihihi. Ny zanak'i dadato a Berlusc tsy mijery ahy akory nefa manambady ny zanany no vaha-olana ialana amin'ny situation précaire, tssss!
Avadika impito ny biletà vao arotsaka ho azy koh !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb