DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Rakitra! no hotatazana!

harilova | 20 Mey, 2008 00:18

Mamaky ity Vaovao eto an-toerana ity aho dia tonga saina mandinika ny hoe : atao RAKITRA!

Inona tokoa moa ny hevitry ny teny hoe RAKITRA? Noraisiko ny Rakibolana dia kokarohiko tao ny mety ho dikany : "Vola angonina tsikelikely atao tahiry; harena na zava-tsoa sarobidy voatahiry; toerana misy ny vola angonina.... vola tatazana amin'ny vory vahoaka, indrindra ao am-piangonan..."

Dia vao mainka lasa ny saiko amin'ny fahazarana hatry ny fony kely handeha "hanakalo vola hatao rakitra". Raha tahiry aloha no hilazaana ny rakitra dia ambimbava izany no angonina... Asa na ohatrinona izay no voahangona tao am-piangonana!!!

Dia lasa ihany ny saiko hoe, naninona no nolosoina vilia fisaka ny fitatazan-drakitry ny sasany? Mba hahitana izay arotsaky ny hafa ve sa mba hisehoan'ny manan-katao hoe mahavita be? Ny fisehoana ho mahavita be manko dia efa nisy hatrizay. Dia lasa ny saiko mandinika ilay Mpananon-tena noderain'i Kristy ho nahavita be indrindra (vakio eto) satria tsy nandrotraka ny ambim-bava fa izay mety ho nilainy amin'ny hivelomany.

Fa mba azon'ny olona anefa ve, atomboka amin'ny pastera sy mompera ny tena dikan'ity rakitra atao ity? Ny Mpitondra fivavahana matahotra ny ho voampanga ho mpihinam-bolam-piangonana sy mpitady vola fotsiny dia tsy mahasahy miteny loatra ny resa-bola. Ny Mpiangona rahateo etsy an-kilany enti-mpahazarana amin'ny tehirizo atao rakitra ny vola madinika!

Oviana re vao mba hodinihina ao an-tokantrano kristianina ny teti-bola hoenti-mandray anjara amin'ny fiainam-piangonana sy ho fitsinjovana ny mahantra e! Dia amin'izay mba  hifanontany hoe : ohatrinona no atolotsika ny fiangonana ho fandraisana anjara amin'ny kitapom-bola?

Asa angamba rehefa hiova ny feon-dakolosin-dry Mopoera ka tsy hanao "Izay tonga lany intsony"! Amin'izay manko vao misy rakitra araka ny raki-bolana!!!!

Sa asiana vidim-pidirana koa ny Fiangonana kelikely???? 

 

Hevitra

Re: Rakitra! no hotatazana!

simp | 20/05/2008, 02:09

faha-10 karena rakoto a ;-)
zay no tanjona :)

Re: Rakitra! no hotatazana!

DotMG | 20/05/2008, 07:49

Vao izay mantsy no toriteny tamin'ny alahady teo hoe tsy zava-tsoa eo amin'ny fiangonana akory ny toe-tsaina hoe manangona raha te hanana, na farafaharatsiny mitsitsy, fa ny kristianina raha te-hanana dia tokony handany sy hizara, satria ny addition amin'Andriamanitra dia soustraction, ary ny multiplication dia division. Izay te-hahazo izany dia tokony hizara fa tsy hangataka.

Re: Rakitra! no hotatazana!

lehilahytsyresy | 21/05/2008, 10:28

Grave be izany kajy izany.
Lalina dia lalina.
:-)

lol

harilova | 21/05/2008, 13:07

harilova

Ikalamako ao izao dia miantso fitatazan-drakitra e
Mandraisa anjara daholo.
>simp : ka ny mahagaga dia misy tafintohina amin'i Pastera sy mompera fa tia vola loatra dia lasa mankany amin'ny sekta amadoha ampahafolon-karena... le fomban'i Pastera sy Mompera angamba no tsy mahomby!!! amin'ny fanasana ate"""doa
>DotMG : tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany ...

Re: Rakitra! no hotatazana!

jentilisa | 21/05/2008, 14:38

misaotra naka hevitra avy amin'ny nosoratako. Marihina fa ilay tena tiako ampitaina tsy ilay mahamadinika ny vola fa ilay vola vasoka ratsy iny no soloina tsara amin'ny ankapobeny.

Re: Rakitra! no hotatazana!

pissoa | 25/05/2008, 15:12

Dain ! Za toa efa namela hevitra teto dia tsy hitako tampoka (sa tsy mbola ? lool).

Bon - ny ahy ilay manisa rakitra no tena tiako fa tsy ilay manao rakitra e :-P

Re: Rakitra! no hotatazana!

ikalamako | 26/05/2008, 11:53

"Noraisiko ny Rakibolana dia kokarohiko tao ny mety ho dikany : "Vola angonina tsikelikely atao tahiry; harena na zava-tsoa sarobidy voatahiry; toerana misy ny vola angonina.... vola tatazana amin'ny vory vahoaka, indrindra ao am-piangonan..." " hozy i harilova
==> ikalamako tsy mitanty rakitra fa mangataka fandraisana anjara satria tsy ho tehirizina ilay vola atolotrareo fa hanefana ny saran'ny fitsaboana an'i Kamba. Satria izahay te-hanampy fa ny modeste revenu-nay tsy ahafahanay manao izany dia voatery izahay mba manao antso avo mba ho soroka miara-milanja fa ny erikerika ihany no mahatondra-drano koh !
Dia manararaotra manentana e !

lol

harilova | 26/05/2008, 12:15

harilova

Ka angaha hotahirizina re ry Ikala ny rakitra any am-piangonana e? entina hividianana labozia sy hanasoavana ny mahantra sy ny mila fanampiana tahaka an'i Kamba anie izany e
Dia samia manao rakitra hoa!
Io anie no lazaiko hoe "tsy azon'ny olona avy ny dikan'ity rakitra ity e!"
> ny anay aza moa ry ise tsy misy na dia modeste revenu aza...
Aleo hangataka fahagagana! lol

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb