DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Ry Gasikarako!

harilova | 25 Jiona, 2008 23:55

Eto am-panembonana ny takarivan'ny arendrina aho dia lasa ny saiko, mandinika ny lasa, mamisavisa ny ho avy, manao fampitahana! Fa Fahaleovan-tena inona loatra re ry Gasikara no ankalazainao? Fahaleovana miharo fahalovana ve sanatria ka hanjary hankaleo? Sa fahaleovana miharo fahalahelovana ka hampirotsaka ny tomany? Sa koa fahaleovana nandrava fanandevozana ka mampitraka sy mampifety?

 

Zato fetinao indrisy
Ry gasikara Nosy mamy
fa hamoronana  tsy misy
ka mampisento mitomany
Ny fahantrana sy ny habadoana
Mangeja anao tsy hiavo-tena
fa hianjadia-mosarena
Dia ho sanatria izany foana?

Izaho mbola saika hanohy
fa saingy be moka be
dia tsy concentré
Ka naleoko natao fohifohy...
ny handaniana volabe
Angamba re tsy ny afomanga
fa fanomanana ho olomanga
mba ho tabia sy rehareha

Dia izay vao tena fety
ho ventisisy tsy poakaty
tsy hohadinoina vetivety
fa ho tsaroana mandramaty
ho fanarenana ilay Gasikarako
handray ny anjara manoloana
Tsy hamerana fotoana
fa hiraikitra ho tantarako

hitolona ho amin'ny fahaleovan-tena
ho isan'ireo maherifon'ny Firenena

Amen

 

Mirary fety sambatra daholo e

Dia naleoko

Hevitra

Re: Ry Gasikarako!

ikalamako | 26/06/2008, 00:39

ikalamako

d'efa fialana pas tsy te-hanohy tononkalo kosa izao dia mody hoe "be moka dia tsy concentré" (nataoko dia be "caffè Moka")

Re: Ry Gasikarako!

Lalasoa | 26/06/2008, 01:11

Izaho dia tsy 'concentrée' intsony 'après'-n'
ilay "be moka be
dia tsy concentré" fa ilaozako mihomehy

e, nefa any izao misy mitomany
dia eto isika mivanivany!

Re: Ry Gasikarako!

ikalamako | 26/06/2008, 01:26

ikalamako

ny any aminay any Ambato izao ry harilova efa jedaka aby ny gisa. Homan-gisa aby ny gaona fa tonga ny asaramanitra, hmmmmm

Re: Ry Gasikarako!

news2dago | 26/06/2008, 10:51

news2dago

misaotra e!

Re: Ry Gasikarako!

pissoa | 26/06/2008, 19:33

lol be hi hi hi.

manao ahoana ny fety ao italia ao ry harilova a

Re: Ry Gasikarako!

simp | 26/06/2008, 19:56

nivoaka hoazy tao ny talentan'i harilova hihi

misaotra an'i Madagasikara ;-)

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb