DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Fialam-boly mandreraka!

harilova | 04 Jolay, 2008 13:22

Tsy niala ny trano aho tamin'ny herintaona nandritra ny hafanam-ben'ny été! Dia izay ny vacances!  Fialam-boly mandreraka fa mipetraka fotsiny dia malemin'ny hafanana ho azy eo! Dia tsy niala voly fa nila voly!

Mba nanomboka nandamina fandaharam-potoana ihany aho tamin'ity taona ity! Maro no miandry hoe hody kely any Dago ve sa tsia! Dia tsy hisy aloha io fa efa tsara petraka aty antampon-tendrombohitra aho, maka rivotra (fa matahotra hidiran'ny rivotra)!

Iray volana no aty, miara-miaina amin'ny ankizin'ny ambanivohitra, mihanika tendrombohitra sy mandeha an-dranomasina! Ireo fialam-boly roa lehibe handaniana ny été (fahavaratra sa inona? nefa tsy misy varatra manko)!Ny vazaha mitanin'andro mba hivoara-mena! izaho mamonjy aloka mba ho fotsy hatsatra! dia mba mitovitovy avy eo! Ny tena mahafinaritra ahy dia ny fahatsiarovana ny fandehanana amin'ny cyber tany dago mba hifandraisana amin'ny havana aman-tsakaiza: tsy misy net manko ny tranohipetrahakoka mila mifindra toerana vao mahazo!

Dia hoy aho hoe : ny aza mba zatra (na tsara na ratsy) ihany fa dia mahafinaritra ny mamola-tena! Miala tsiny ho an'izay mandefa mailaka fa hovaliany ho azy ao izany hatramin'ny faran'ny volana jolay! Izay hametraka hafatra dia amin'ny herinandro indray mihaona!

Vakansa kely izany aloha i Harilova e!  

 

Hevitra

Re: Fialam-boly mandreraka!

news2dago | 04/07/2008, 14:07

news2dago

Dia mahazoa rivon-drivotra ary aloa e!

Re: Fialam-boly mandreraka!

ikalamako | 04/07/2008, 17:36

aza mitondra fofon-dranomasina be loatra mody an !

Re: Fialam-boly mandreraka!

pissoa | 04/07/2008, 19:14

Milay be izany mihanika tendrombohitra sy mandeha ranomasina zany koa !

Hi hi - voan'izay tsisy atao njay ve ry Harilova a ! loool

Re: Fialam-boly mandreraka!

Lalasoa | 04/07/2008, 23:39

Makà ihany hafanana entina hamakivaky ny ririnina ho avy e!
sy vitamina D :-)

Re: Fialam-boly mandreraka!

maintikely | 06/07/2008, 14:56

manao la retraite any antendrombohitra aloha izany (retraite @net io an!) dia manao pause retraite any andranomasina :)))

bône vakansy e

Re: Fialam-boly mandreraka!

simp | 07/07/2008, 01:00

@ herin'andro ity valiako :)

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb