"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 06 Aogositra, 2008 10:53
Na dia hoe an-dafy aza no hilazana ny aty amin'ny misy anay aty dia ny fimenomenomana amin'ny hasarotan'ny vidim-piainana misy hatraiza hatraiza...
Ny mahagaga a nefa dia tsy ho sanatria ny tsy fananam-bola no tsy hisintahana kely any an-toeran-kafa mba hiala voly... vacances ! hoe...
Ny mahalasa ny saiko indrindra indrindra dia ny fiantraikan'izany eo amin'ny lafim-piainana rehetra, na amin'ny arak'asa na amin'ny ara-tsaina fa indrindra amin'ny ara-panahy! Ny Fiangonana zara raha misy ora hisokafany, afa-tsy ireo Fiangonana manan-tantara, tsidihin'ny Mpivahiny sy Mpizahatany (pèlerins et touristes)... asa angaha noho ny vola kely mba ampidirin'ny rakitra ao koa! Iza no mahita?
Ny Mpiangona koa moa, na ny alahady aza tsy hita hoe aiza no misy azy!
Fa ny mahatsikaiky, rehefa mifanala eo diamahita hevitra ny Mpitondra fivavahana sasany hoe: 'Ndao hianatra an'i Jesoa hitory teny eny amoron-dranomasina! Dia hoy ny sasany hoe olona miboridana ve no hampivavahana tsy hanahirana!
Ny an'ny Mompera iray dia hevi-dratsy iray ihany no mameno ny sainy raha sanatria izany no ho tanteraka, satria ny mpiangona miboridana! inona ary hoy ianao izany hevi-dratsy mameno ny sainy izany?
Tsy azonao veroka mihitsy angamba satria zavatra hafa no heverinao! Amin'ny fotoanan'ny rakitra, lasa ny sainy hoe : aiza no hangalany ny vola hataony rakitra!
Aza misy anie izany!
pissoa | 07/08/2008, 17:54
Teneno ilay mopera hoe azo hafeninao ao ambany elika ny rakitra e hi hi hi
ikalamako | 08/08/2008, 01:23
na any ambava, saingy tsy afaka mihira izy amin'izay.
harilova | 08/08/2008, 01:42
Lehilahytsyresy> Raha ny hafanana aloha dia tsy hahafaty ny olona stria zarany aza, izy mety hifanosotra krema mandritra ny toriteny no mety ho olana!
Pissoa> Ka raha tsy misy inona ambany elika ko hanafenana rakitra! raha tsy hoe angaha azo harandrana ny raha!
Ikalamako> vola ve no atao am-bava tsy hahazo mikraoba amin'izany? ny mihira indray aloha tsy blem satria izany efa mahazatra fa le hanao vola am-bava dia hahakivy an mompera fa efa midika fa tsy hisy vola ravina!!! lol
Io anie no nahavaky loha ilay 'raika lahy e! Lol
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||
Dabokandro sy toriteny eny @ plage
lehilahytsyresy | 06/08/2008, 22:49
Angamba ny mety hahasarotra an'io hevitr'i Mompera io dia sao hisy fiantraikany amin' ny fahasalaman' ny mpivavaka kosa raha toa ka avela hodabohan'ny hainandro eny amoron-dranomasina mandritra ny adiny iray izy ireo.
Sa ahoana hoy ianao ?
Toa mazamazana ihany mantsy ny hafanana tamin' ity fahavaratra indray mitoraka ity an.