"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 10 Aogositra, 2008 10:30
Ny andron'ny 10 aogositra no itsingerenan'ny taona nahitan'i Diego Diaz an'i Madagasikara ny taona 1500. Ny anarana hoe Madagasikara dia efa ny faramparan'ny taonjato faha-18, araka ny fikarohana nataon'i Marco Polo, fa nosy Md Laurent no niantsoana azy talohan'izay, satria ny 10 aogositra no ankalazan'ny litorjia katolika ny fetin'ity martiora romana ity (+258).
Tantara ianarana tamin'ny garabola izany saingy rehefa mandeha ny taona dia tsara ihany ny mamerimberina azy satria ny fanadinoana na tsy azontsika iniana aza (satria tsy misy mahavita minia manadino, tsy azo kosehina ny eritreritra) dia tonga ho azy kosa amin'ny lafin-javatra sasany!
Ny fivoaran'ny teknolojia no nahazoantsika ny sarintany izao fa mba saintsaino an-tsaina ny saritany nataon'ny mpiantsambo namaritany ny mety ho endrik'ilay nosy faha-4 lehibe indrindra eran-tany...

Tokinao | 11/08/2008, 01:34
Dia tena nahay ihany aloha 'zareo satria mbola tsy nisy "télédetection" tamin'izany nefa dia efa haihain-dry zareo sahady ny endrik'i Madagasikara.
DadaRabe | 13/08/2008, 02:53
Na izany aza anie tsy dia mifanalavitra ilay sary é
harilova | 13/08/2008, 07:12
Ny tsy azo atao ambanin-javatra dia ny fahazotoana sy ny fitozoan'ireo tantsambo hihevitra ny mety ho endrik'i Madagasikara. Tsy dia fitsangatsanganana ho fizahan-tany loatra angamba fa asa hisedrana ny mafy sy mety hitera-doza aza. Fantantsika tsara ny hasarotan'ny ranomasina amin'ny morontsiratsika sasany.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||
Re: Nosy Saint Laurent : Madagasikara
pissoa | 10/08/2008, 14:00
Ntsoooo - otran'ny momota kely ilay sary taloha hi hi hi