DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

misy olona afaka ve?

harilova | 17 Novambra, 2008 19:35

Mandinika momba ny fanafahana (libération) aho, dia mandinika ny tena hevitry ny hoe olon'afaka! Hay arakaraka ny maha-olon'afaka no maha-olon-tsy afaka.Tsy resaka babo sy andevo na zavatra hafa tsy mbola levon'ny sasany na mandratra ny fon'ny hafa  no lazaiko, fa ny fahafahana  hananan'ny tsirairay!

Ny olona afaka manao zavatra iray, fahafaha-manao sy fahaizanana izany, saingy arakaraka ny hahaizana no hahatsapana fa sombiny ihany no hay! dia miafara amin'ny nolazain'i Socrate momba ny fahendren-drazany ihany hoe : ny hany fantatro dia tsy mahalala n'inon'inona aho!

Ny olona afaka manao izay tiany atao, saingy voararan'ny lalàna sy ny fiaraha-monina ny ankamaroany! Dia voatery mandefitra ihany satria manahirana ny miara-miaina.

Mandika azy amin'ny teny malagasy aho dia tena sahirana hoe atao ahoana ary !

Inona ary ny tena fahafahana?

jereo eto  ho an'izay tsy manan-katao be loatra

ara-bakiteny ny teny hoe libertas sy ny libito (hafinaterana, libido) dia iray fihaviana ihany, izay afaka izany dia ara-teorika izay afaka manao ny danin'ny kibony, saingy izany marina ve? Tsy misy olona afaka manao izay rehetra tiany!

Lazain'ny Kristianina fa zavatra dimy no mamaritra ny tena fahafahana marina : 1- voafetra!(fetran'ny tena sy ny tontolo manodidina) 2- safidim-piainana matotra! (nefa rehefa misafidy, mazàva loatra fa itsy horaisina, iroa havela!) 3- fanajàna ny hafa! (samy mananan ny tiany!) 4- azo tsikelikely! (ezaka isan'andro) 5- mandroso ho amin'ny tsara! (! cours arcade// tsy ny namanao no hifaninananao fa ny tsara vitanao omaly).

Dia mandinika aho hoe : mba afaka ve izaho ity?

Fantatro ve ny fetrako? ary ekeko ve ireo izay fanatro fa tsy ho vitako? izay ihany manko no hahafahako mila vonjy amin'ny hafa, tsy noho ny fitiavan-tena fa araka ny lalan'ny fiaraha-monina!

Mba efa nanao safidim-piainana e aho ka namela ireo izay tsy mifanaraka amin'ny safidiko? Na mba farafahakeliny ahay miezaka hahamatotra ny safidy??? Dia tsy ho afaka ny hanao ny tiako intsony aho fa hanao izay tokony hataoko!

sns sns

Ny niafarany dia hoy aho hoe: mba misy olona afaka ve eto an-tany? sa dia ho nofinofy ihany no atao hoe fahafahana?

 

 

Hevitra

Re: misy olona afaka ve?

simp | 17/11/2008, 23:18

afaka aho, afaka ny gadrako
nandevozina aho taloha afaka aho ankehitriny...

-> fa ny fahafahana anefa no inona? :P

hihi

harilova | 18/11/2008, 00:24

harilova

Mampahatsiaro ahy pretra iray izay io hira io! tokony hovana hoy izny ny tonony:
Nandevozina aho taloha,...
mbola andevo ankehitriny!

simp > tena manova ny fiainana manontolo ny fiheverana sy ny fomba hieverana ny fahafahana. Ny olona mahatsapa fa afaka nefa afaka tsy araka ny illusion fa araka ny réalité dia manana fiadanam-po na dia voagejan'ny zava-misy tsy afa-manoatra aza.
Misy film izay, boh tsy tsaroako hoe titre fahafirin'i Cesar Auguste, ilay andevo grika nampianatra ny zanany, hoe hafahana saingy nandah ny ho olona afaka raha izay no tsy hahafahany miara-mijaly amin'ny vahoakany!
Tsy ny asa no manandevo fa ny haratsiana.
Heveriko fa ny olona afaka dia izay mahavita manomana ny fahafatesany ho anjara tsy maintsy handalovana...
adihevitra misokatra fa izaho moa efa nilaza fa vaky loha

Re: misy olona afaka ve?

simp | 18/11/2008, 18:36

zany hoe satria anjara ny ho faty dia tsy manisy blem @ in in intsony ve?

manaiky aho,
refa tsy manahy @ in in vao tena sambatra :)

saingy hoe,
toa tsy mety ihany zany :P

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb