DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Crise politique!!!

harilova | 10 Martsa, 2009 10:07

Raha krisis (krizy) no resahana dia indraindray adino ny tena hevitr'ity teny ity... Tsy teny malagasy io, fantatsika izany, ary tsy teny frantsay koa... mitovy fototeny amin'izy io ny critère sy ny critique... Mandanjalanja (mitsara) no hevitry ny teny krìsis (grika). Fotoana fandanjalanjana sy famisavisana ny zava-mitranga ary ny krizy, araka ny fahendren-drazana hoe : "Hisavorivorian-kilantoana".

Fotoana handanjalanjana mba hahafahana manapa-kevitra ary ny fotoanan'ny krizy. Raha mandalo krisy politika isika, dia mandalo fotoana handalinana ny zava-mitranga, mba hahafahana mibanjina ny ho avy. 

Mampalahelo ahy ny mamaky ny fitsarana an-tendrony sy ny fanehoan-kevitra toa mihantsy ady, hanomezan-tsiny ny an-daniny na ny ankilany, miaraka ami'ireo mpiandany amin'izy ireo. Saingy isika kosa, samia mandinika ny tenantsika tsirairay avy : Inona no nataoko hanehoako ny fitiavako ny Fireneko? 

Toa resa-be manko ny hoe be ny mpanararaotra... Miaro ny tombontsoany fotsiny ny mpitondra... Fa iza amintsika no sahy milaza fa tsy mbola niaro ny tombontsoany manokana? Ary raha mandini-tena marina isika, moa ve tsy ny fahafaha-mividy ao an-tokantrano sy ny fisondrotan'ny farim-pananako no entiko mamaritra ny fandrosoana na ny fihemoran'ny fireneko? Dia lazaiko fa tsy miasa ny mpitondra rehefa voatohintohina ny tombontsoako manokana?

Asa re ra-olona, ambava homana am-po miherotra.... Fa na ny mpianakavy aza, efa tsy azo hitanisana intsony ny fahendren-drazana hoe : ny fihavanana no taloha, ka aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana!!!

Raha Tiako tokoa i Madagasikara... raha Vonona hampandroso azy marina aho, aoka mba ho tena krisy no hiainantsika fa tsy adikitrana...  Aoka ny tsirairay tsy ho faly hanome tsiny ny hafa fa handinika sy hitantara kosa ny efa mba nataony (raha nisy) mba hanondrotana ity Firenena ity...

Sa dia sanatria, ny tombontsoan'olom-bitsy sy ny an'ny tena manokana no atao hoe : tombontsoam-pirenena???? 

Hevitra

ok

Tokinao | 10/03/2009, 11:19

Misaotra an'i Harilova.
Izaho, na dia manana ny fironako manokana aza amin'ity krisy ity dia tsy mankasitraka koa ilay fitsarana an-tendrony, na koa ilay fanaratsiana antokom-pivavahana.

Mankasitraka amin'ny hafatra.

marina, fa

Angelo | 11/03/2009, 06:31

Misaotra anao, Harilova, Marina ny anao fa samy tokony handiny-tena, eo anatreahan'ity krizy ity. Marina fa samy miaro ny tombontsoany, isika rehetra. Izany anefa, tsy tokony hanapotika ny zo sy ny fananan'ny hafa, na hanakana ny hafa, handroso sy hivoatra koa. Tsy manameloka an'ny Ra8 isika, Ny Tompo no mitsara azy, fa ny fitondran'ny raharahan'ny firenena, kosa, tena tsy lasa e!

marina, fa

Angelo | 11/03/2009, 06:32

Misaotra anao, Harilova, Marina ny anao fa samy tokony handiny-tena, eo anatreahan'ity krizy ity, isika. Marina fa samy miaro ny tombontsoany, isika rehetra. Izany anefa, tsy tokony hanapotika ny zo sy ny fananan'ny hafa, na hanakana ny hafa, handroso sy hivoatra koa. Tsy manameloka an'ny Ra8 isika, Ny Tompo no mitsara azy, fa ny fitondran'ny raharahan'ny firenena, kosa, tena tsy lasa e!
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb