"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 20 Aprily, 2006 03:03
araka ny nolazain'i lapino hoe : ny finoana mafy orina eo ambony vatolampy tsy mihotsona, araka ny ao amin'ny Baiboly dia tiako ny mizara aminareo ny fantatro momba ity finoana ity :
Marina izany kanefa tsy hahita vatolampy hanorenanao ny finoanao ianao na oviana na oviana, izany hoe ny tontolo iainantsika dia ifangaroan'ny tsara sy ny ratsy... I Kristy kosa niantso an'i Simona hoe Kefasy (Vatolampy amin'ny teny malagasy) hanorenany ny Fiangonany eo ambon'izany vatolampy izany, ny finoan'ny Fiangonana dia tsy hihozongozona na oviana na oviana nefa kosa, na masina aza ny Fiangonana, mpanota no mitambatra hanorina azy, kanefa mpanota miezaka ho amin'ny fahamasinana (Augustin, taonjato faha-efatra).
Tsy afaka mino irery isika fa mandova io finoan'ny Fiangonana io, ary araka ny lazain'i lapino ihany, raha oharina amin'ny tao-trano ny finoana, dia hoy ny Ntaolo razantsika hoe : tsy efan'ny irery ny taotrano, sady izay indray, mandrapahavitany (izany hoe tsikelikely), dia mila mitandrina sao ravan'ny rivo-doza, sady mila mitetika izay holaniana hoy ny baiboly, sao mba nanomboka nanao trano, nefa tsy nahavita akory...
I Jakoba ao amin'ny taratasiny dia milaza fa io finoana io dia maty raha tsy arahina aza. Ny asa enti-manaporofo ny finoana no entina mitahiry azy koa, noho izany, asa fanorenana ny finoana, tsy afaka mirehareha ny amin'ny finoana efa noraisina isika, satria fantaro fa ny trano iray, na mafy orina aza, mba mila fikarakarana ihany koa mba hahatsara endrika azy.
Voalazan'ny Baiboly koa fa ny Fiangonana dia Trano arafitr'Andriamanitra ho Tempoly, ka izay mino no vato andrafetana azy. Miala tsiny fa tsy mba mametraka ny andininy aho ho an'izay zatra mijery ireny, fa kosa manentana anareo tsy hanao sekta, izany hoe hanao famakiana baiboly amin'ny ampahany ihany ka minia tsy mahita ny andalan-teny sasany.
Raha mino isika izany, dia tsy isika no hahita ny Finoantsika, tsy izay monina ao anaty trano no mahita ny trano fa izay any ivelany, tsy fireharehana ny finoana fa kosa hery manosika avy ao anaty mba hahatonga antsika hiasa.
Aza mihevitra fa mandeha ho azy ny fiainan'ireo olona hitantsika fa nanana finoana lehibe tokoa ka nahavita nitana izany hatramin'ny farany...
Manana modely amin'izany isika malagasy : Rasalama maritiora, Rasoamanarivo...
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Janoary 2009 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |
Re: Finoana
harilova | 20/04/2006, 04:00
Ilay vatolampy namoaka ranobe tany an'efitr'i Sinai, nentin'i Mose nanala etaeta ny zanak'Israely dia tandindon'i Kristy, I Kristy no "Vatolampy", "Foto-boaloboka"... nefa kosa araka ny hevitry ny hoe "Finoana miorina ambony vatolampy" dia i Simona no nofidiany ho "Petera" = Kefasy na Sefasy, Vatolampy, hanorenany ny Fiangonana. Azo atao ny manokatra dinika momba io nefa mazana ny zavatra toy ireny manjary mitarika fisarahana indray satria tadidio fa io fahefan'i Simona io dia adyy hevitry ny taonjato 6 be izao, tsy ho voavalintsika amin'ny pejy iray na oviana na oviana...