"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 21 Aprily, 2006 11:01
Raha mandinika ilay sary nataon'i Roublev isika dia mahita fa samy manana elatra ireo olona telo nentiny nanambara ny olona telo ao amin'ny Trinite Masina. Ny elatra dia manambara ny fahafahana mivezivezy eran'ny tontolo, tsy voafetry ny elanelan-tany : amin'ny toerana rehetra Andriamanitra.
Na izany aza anefa dia tsy mba misara-toerana na oviana na oviana ireo olona telo, fa izay misy ny iray, misy azy telo. Izaho sy ny Ray dia iray ihany hoy i Kristy.
Mampianatra antsika izany fa na dia eo aza ny elanelantany mety hampisaraka dia tokony hotandrovana mandrakariva ny firaisam-po sy ny fihavanana. Tsy tokony ho sakana hivoizana ny hoe "lavitry ny maso, lavitry ny fo" izany.
Izany no fahefan'Andriamanitra mampianatra antsika ny tena fiombonana.
harilova | 22/04/2006, 01:52
Io ny misterin'ny Fitiavana.
Na afaka mandeha amin'ny toerana rehetra aza ny olona tsirairay dia tsy mba misaraka na oviana na oviana izy telo. Mistery io ka tsy ho azontsika azavaina amin'ny saina toy ny kajy ka 1+1=2, ho azy dia 1+1+1=1.
Ny Mistery anefa tsy hoe zavatra tsy azo sainina fa kosa zavatra tsy ho takatry ny saina amin'ny hafenoany na oviana na oviana. Ny hany takatry ny saintsika dia izay zakany ka entintsika miaina.
Io sary nataon'i Roublev io dia maneho fa ny Zanaka tonga nanavotra, mitafy Manga (tandindon'ny olombelona) eo ampovoany, tonga tety anivontsika. tsy hoe nijanona tany an-danitra ny Ray fa niaraka aminy amin'ny asam-panavotana.
Ny Fanahy nalefan'i Kristy (Handeha aho ka andefa ho anareo ny Mpanafaka alahelo =Paraclet) dia manatantetraka ny teniny hoe indro aho hoe eo aminareo amndrakariva mandrapahatapitr'izao tontolo izao.
Ny Fanahy araka izany no miasa sy maneho amintsika io fiarahan'i Kristy monina amintsika io...
Tsy miteny aho tsy akory hoe misara-toerana izy ireo, fa kosa hoe : afaka misara-toerana araka ny fahefany nefa tsy ataony izany, ny antsika kosa ny fahafahana sy ny fahefana matetika entina hisarahana na hanilihana ny hafa...
Misaotra anao lapino
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||
Re: Amin'ny toerana rehetra Andriamanitra
lapino | 21/04/2006, 12:21
Amin'ny fomba ahoana moa no hisarahany toerana raha samy amin'ny toerana rehetra daholo Izy? :-)