DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra

harilova | 22 Aprily, 2006 02:20

Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ary mahalala ny zavatra rehetra.

Amin'ilay sary nataon'i Roublev (jereo ity http://www.chemin-neuf.org/tychique/144/icone.html) dia samy misy ilay faribolana mazava (auréoles) manodidina ny lohan'ireo olona telo : entiny manambara ilay Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra (omniscient).

Ireo olona telo ireo anefa, na mahalala ny zavatra rehetra aza dia nifampiera hatrany. jereo ohatra ny tany amin'ny tantaran'ny fahariana izao tontolo izao : "Ndeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, manahaka antsika". Toy ny hoe misy fifampierana ao. Fa ny tena mistery ambony indrindra amin'ity fahefan'andriamanitra ity dia ilay tenin'ny Zanaka hoe : "tsy misy mahalala ny farandro, na ny zanaka aza fa ny Ray ihany no mahalala izany".

Tsy dia hoe fetra ho amin'ny fahalalan'ny Zanaka izany tsy akory, fa koa fifanajana andraikitra : ny Ray no mandamina ny fotoana, ka hajain'ny Zanaka hatrany izany. Tsy anjarany ny manambara izany ka manaja ny toetra maha-zanaka azy izy.

Tsy ny hamakiantsika loha hikaroka sy hamehy ny misterin'Andriamanitra tsy akory no tanjona fa kosa ny handraisantsika lesona hoenti-miaina amin'izany Fifampikasohana amin'ny Mistery izany. Ny Finoana dia manova ny fiainana, ka raha mino isika fa mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra, kanefa mifanaja amin'ny fanapahan-kevitra, mifanaja amin'ny fanatanterahana ny andraikitra, ahoana no mba hihezahantsika hanaja ny hevitry ny hafa, hanontany ny hevitry ny hafa mety ho voakasiky ny fanapahan-kevitra raisintsika?

Mazàna manko ny fahalalana kely mba ananantsika dia tsy hoentintsika hanampy ny hafa, hifanampiana amin'ny hafa fa hiheverana kosa ho mahavita tena. Ny Fianarana sy ny fandalinana tiantsika atao, ataontsika na koa mety zaraintsika amin'ny hafa, dia tokony hizotra amin'izany famporisihana hiara-miasa izany, famporisihana ho amin'ny fiombonana.

Ny ady dia fifanoheran-kery hijerena izay matanjaka kokoa ka hahafahana manjakazaka amin'izay resy, ny fitadiavana hampanjaka ny an'ny tena no anton'ny ady...

Ny Fandriampahalemanana sy ny Fiadanana kosa, na dia fanomezan'Andriamanitra aza, dia hoy ny Papa Joany 23 izay hoe miankina amin'ny andry efatra ilàna ny fiaraha-miasan'ny olombelona :

Ny Fiekena ny marina momba ny tena sy momba ny hafa ka hanekena izany na dia mifanipaka amin'ny tombotsoa manokan'ny tena aza ; ny Fahamarinana izay hanajako ny zo aman'andraikitry ny hafa tahaka ny hitiavako hanajana ny zoko sy hiezahako koa hanatanteraka ny andraikitra mifandraika amin'izany; ny Fitiavana izay hamaha ny olana mety hitranga amin'ny tsy fanajana ny fahamarinana, ka na tsy hajain'ny hafa aza ny zo aman'andraikitro dia eo ny famindram-po hiezaka hanaja ny azy hatrany; ny Fahafahana izay tsy hoe fanaovana izay tiana hatao fa kosa fananana tanjona hotratrarina ka hananana risi-po hifehy tena sy handà izay rehetra mifanohitra amin'izany tanjona izany...

Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra ...ary fantany fa osa sy malemy isika olombelona...

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb