"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 22 Aprily, 2006 03:07
Adihevitry ny taona maro ny momba ny konfesy : Andriamanitra irery ihany ny anay no mamela heloka ka tsy ilainay velively ny hikonfesy any amin'i Mompera...
Sendra namaky ny vaovao mahafaly amin'ny Jaona amin'izay milaza ny fitsanganan'i Jeso ho velona aho, dia nahita ny teny hoe : "Fiadanako no omeko anareo... raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia voavela, izay hotananareo dia ho voatana".
Lasa ny saiko hoe dia tena fanomezana fahefana hamela heloka tokoa ve izany?
Tsara aloha ny manamarika fa tsy ny Katolika inahy no mikonfesy fa ny hafa koa : ny loteranina ohatra dia mikonfesy koa ka anontanian'ny Mpitandrina raha toa ka inoany ny famelana dia omena azy...
Tsy ady hevitra momba izay no tiako homena anao eto fa kosa singan-kevitra vokatry ny fandinihako momba ity famelan-keloka ity :
ahoana tokoa moa no any amin'Andrimanitra irery ihany aho no tokony hibebaka sy hifona satria izy irery ihany no mpamela heloka?
Mba hampahazava izay tiako holazaina dia aleo aloha omeko anao n y famaritana ny atao hoe Fibebahana araka ny hevitro. Raha ny dikan-teny vahiny milaza azy dia ny teny grika hoe "metanòià" midika fiovan'ny atifanahy; amin'ny teny ebrio dia hoe "shob" na hoe todika ivoho.
ity farany ity no tiako kokoa satria ny fibebahana ho ahy dia miainga avy amin'ny fahatsapako fa tsy nety ny nataoko ka mila miiova lalana aho.
Raha fiovana lalana ary ny fibebahana, mba hiverina any amin'Andriamanitra aho satria nanota dia any amin'Andriamanitra ve no lalako?
Tsia hoy aho : ny fahotana sy ny heloka rehetra nataoko dia tsy hoe nataoko mivantana amin'Andriamanitra, tsy misy nivantana tamin'Andriamanitra na iray aza, fa kosa nampitondra fahoriana ny olombelona nifanerasera tamiko, dia nahoana moa rehefa miverina aho no handeha "direct" any amin'Andriamanitra?
Izay dia mampisy heviny ity konfesy ity, sitrak'Andriamanitra ny fanetrentsika tena eo anatrehan'ny olona omeny fahefana, fa mialoha izany aza eo anatrehan'izay nahadiso antsika ka mangata-pamelana aminy sy mitady fomba hanonerana izany heloka izany...
satria tokoa manko, raha toa ka zavatra tsy mifandanja akory amin'ny heloka vitako no atoron'ny pretra ahy ho aza fanonerana, rariny ve izany eo anatrehan'izay niharitra ny mafy noho ny hadalana vitako?
anjarantsika ny mandini-tena...
Harilova | 04/05/2006, 14:19
Misaotra ny "mpandalo", milaza ny heviny. fantatro ianao fa tsy katolika nefa kosa fantaro fa tsy ny katolika ihany no mikonfesy, voalazako fa na ny loterana aza dia manao ny konfesy koa. Aza milaza fa hanaraka ny zanak'ondry ianao raha toa ka tsy hanaraka izay nolazainy. Izy no nilaza (Jaona 20, 22-23) hoe : raiso ny fanahy masina, izay fahotana avelanareo dia voavela...
Aza mitsara koa ianao raha tsy mba mamaky farafahakeliny (mba tsy ilazako hoe farafaharatsiny satria tsy ratsy ilay izy) ahay mamaky ny boky fivavahana katolkika na protestanta(loterana) momba ny konfesy...
Ny teny famelan-keloka tsy amin'ny anaran'i mompera fa amin'ny anaran'ny Trnite Masina ry Mandalo havako...
Manasa anao aho handalina ny finoana sy ny tantara niforonan'ny antokom-pinoana misy anao dia mba amopitao aminay. Dia sanatria an'izany ev tsy misy mpitarika ny fiangoananareo fa Andriamanitra mivantana no mibaiko ao? Manantena ny haheno ny hevitrao.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||
Re: Ilaina ve ny milaza ny fahotana amin'ny pretran'ny Fiangonana?
mandalo | 03/05/2006, 14:59
miala tsiny aho ralahy fa tsy ekeko veively ny fomba fiarovanao ny hevitra hoe:"ilaina ny mikofesy amin'ny mompera"; fantatro ianao fa katolika matoa miaro io hevitra io fa raha ny filazanao no arahina dia toa ny mompera no heverinao fa mamela anao fa tsy i Jesosy Kristy.
Izy anie no maty nohon'ny helontsika, ary olona isika noho izany mpanota satria tsy mahay nanaraka sy manarka ary hanaraka ny didin'Andriamanitra.
izany no antony nahafatesany satria tsy afaka ny hiavo-tena irery ny olombelona; tsy misy fomba hahavotra antsika afa-tsy ny ra'ny zanak'ondry tsy misy kilema mba hanamarina antsika eo anoloan'Andriamanitra.
noho izany diso tanteraka ilay fijerinao hoe: olona no nanaovako fahadisoana; eny diso eo anoloan'iny olona iny ianao raha nanao toetra tsy nety fa tena diso eo anoloan'Andriamanitra tokoa satria ny toetra nataonay tamin'iny olona iny dia fandikana ankitsirano ny didin'Andriamanitra; ka nahoana ianao no hifona ka amin'ny olona fa tsy amin'Andriamanitra nanaovanao ratsy?
sady izay ianao tsy amin'ilay olona nahadiso anao no nandeh