"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal
harilova | 05 Mey, 2006 13:25
Mazàna rehefa anontaniana ny heviny ny olona iray dia milaza ny hevitry ny olona malaza iray hanohanana ny azy...
Fomba ampianarina any ampianarana, indrindra amin'ny sekoly ambony ny manao "référence" amin'ny fanohanan-kevitra. Tsara tokoa ny milaza fa tsy izaho irery no adala manohana ity hevitra ity fa ireto koa efa nilaza izany...
Dia mahatsara ny naoty omen'ny mpampianatra, mahafaly nysofin'ny mpiaino, mambabo ny fon'ny mpamaky raha asiana fehin-kevitr'olo-malaza iray ao anaty lahatsoratra...
Fa fahendrena ampianarina koa ny milaza ny hevitr'olon-kendry mifanohitra amin'ny lazain'ny tena... dia avy eo ra- Mpianatra mazoto manao fehin-kevitra handravonana ny asasoratra ka ny farany, na izy aza tsy mahalala ny tena heviny fa nanao marimaritra iraisana fotsiny...
Raha ny Papa no milaza dia manaiky avy hatrany ny katolika... dia izany no nampamonoana an'i Galilea rehefa nilaza fa tsy anjaran'ny Papa ny mandinika ny momba ny lanitra (habakabaka) fa ny hahatongavana any an-danitra (paradisa) no anjarany, satria nahita i galilea fa ny tany no mihodina fa tsy ny masoandro...
Efajato taona aty aoriana vao mifona ny amin'izany i Joany Paoly II...
Nahalasa saina ahy manko ny nolazain'i Marozevo ao amin'ny [http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m444e6e864eac3] momba ny sarivongana hoe : "Novakiako ny hevitrao... fa tsy misy raisina satria tsy misy sitation na référence..."
Maheno olona miresaka aho matetika dia milaza hoe :"Tena marina izany... satria efa hitako tao anaty boky..."
Fa angaha ny ao anaty boky no marina? tsy izay lazaiko koa anefa ho hiambohoko ho marina, tsy hevitra nipoitra avy amiko manko ny ankamaroan'ny hevitro, fa hevitry ny hafa nampindraminy ahy tamin'ny fampianarana nataony sy ny fianarana nataoko fa narindran'ny fisainako ho tonga "hevitro".
tsy afaka mihambo ho mpamoron-kevitra isika kanefa kosa mila manefy ny hevitra antsika ireny...
Mila tsikeraina mandrakariva anefa ireny hevitra ireny, fa hoy ny ohabolana frantsay hoe "ny adala irery no tsy mety mihova hevitra..." lazain'ny razantsika amin'ny fahendreny hoe "adala nomen-tanan'ondry, na hosoloina hofany aza tsy tia"...
Anjaranao ny mandinika ny antony hanohananao ny hevitrao, sy nya ntony tsy ankasitrahanao ny hevitry ny hafa... tsy noho izy be mpanaraka na noho izy nolazain'ny olomalaza, fa noho izy mifanaraka amin'ny marina sy ny tokony ho izy...
Mbola hitohy
harilova | 06/05/2006, 02:22
misaotra an'i Lapino amin'ny fanitsiana satria marina izany, tsy hoe nadika fa nolazainy, efa novako ny eo ambony eo.
Manamafy izany fa ny zava-misy sy ny fifampikasohana amin'ny hevitra hafa dia manefy tsikelikely ny hevitsika.
raha tianao dia ity no nosoratan'i Marozevo tao :
harilova > Novakiako ilay site, manaitra fa tsy misy ho raisina satria tsy scientifique fa vetsovetso sy sentiment no betsaka ao.
farafaharatsiny mba asiana bibliographie na boky iray ihany aza
Dia hoy aho an'eritreritra hoe : fa angaha mitady zavatra siantifika hoampiasainy amin'ny fanohanany ny heviny ramarozevo sa manakory, nefa tsy haneho zavatra siantifika no tanjoko manoratra ao fa kosa hanampy ny tsirairay hahamatotra ny heviny mba tsy ho hevi-dravina.
Harilova! Misy tsiambaratelon'ny fo izay tsy azon'ny saina takarina na oviana na oviana...
Io fo io no tiako hizara aminao ny tsiambaratelony,
aza miezaka ny hanakatra azy araka ny saina araka izany,
fa miezaha mandinika azy araka ny fo...
dia izay no
DINIKY NY FO...
nohezahana naRINDRA
mba ho zHARY LOVA
| « | Desambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||
Re: Inona ny hevitrao?
lapino | 06/05/2006, 01:23
Miombon-kevitra, tsy manaiky hoe rehefa voasoratra anaty boky dia marina daholo. Fa misy zavatra kely 2:
- Ilay ohabolana "adala nomen-tanan'ondry ...", tsy nadika avy tamin'ny teny vazaha akory io araka ny filazanao azy
- Ilay resak'i marozevo ao amin'ilay forum tsy hitako. Efa lava loatra angamba ilay resaka dia tsy hitako ilay izy, fa raha mba afaka omenao precision kokoa ...
;)