DINIKY NY FO

"Misy tsiambaratelon'ny fo, tsy ho azon'ny saina takarina na oviana na oviana" B. Pascal

Mpiandry ondry tsara! ho an'ny Mpiandry ondry

harilova | 07 Mey, 2006 08:26

Hafatra ho an'ny mpiandry ondry  ity e

Ankalazain'ny Katolika androany ny fetin'ny Mpiandry ondry tsara, alahady fahaefatra aorian'ny Paska io. Dia nalahatra hovakiana amin'ny fanompoam-pivavahana androany ny Vaovao mahafaly, na Filazan-tsara nosoratan'i Jaona (10, 11-18) mitantara an'i Jeso mpiandry ondry tsara...

Dia lasa ny eritreritro...

Voalaza ao ireto toetran'ny Mpiandry ondry tsara ireto :

  • Mahafoy ny ainy ho an'ny ondriny,
  • Mialoha ny ondriny ho any amin'ny tanimbilona ny mpiandry ondry, izany hoe mijery mialoha ny toerana misy vilona hitondrana ny ondry...
  • Dia mpiandry ondry mamela ny 99 ao am-bala mba handeha hitady ilay tokana nania io...
  • ...

Ireo ihany aloha no entiko mijery ny zava-misy ka lazaiko amin'ny fo tsy miangatra ...

  • misy ireo "mikarama" mba hiandry ny ondrin'ny Tompo, manao ny asa fitoriana ho asa fivelomana ambonin'ny zavatra rehetra ...
  • mazàna ny Mpandry mandroaka ny ondry avy aty aoriana, ka manery azy indraindray any amin'ny tany tsy misy vilona akory... Dia ho sanatria ho toy ireo fariseo lazain'i Jeso hoe mametraka ny lalàna eo an-tsoroky ny olona nefa ny ratsan-tanany aza tsy atehiny eo akory...

Fa ity no tena manaitra ahy :

  • Ny Mpiandry ondry tia bebe kokoa ny ondry tsy mila ambenana loatra.

Ny lazaiko amin'izany dia ireo mpiandry ondry (ray aman-deny, Mpampianatra, mpitondra fiangonana...) izay milaza fa kristianina, izany hoe mpianatra izay ataon'i Kristy, nefa tsy mahafoy ny 99 ao am-bala ka ny ataony aza dia ny mamela ho very any an-tendrombohitra ny tokana nania...

Ampitapitao amin'ireo Mpitantana sekoly kristianina mandroaka mpianatra maditra ny hafatra, satria raha roahany izy ireny mba hiadanan'ny 99 "hendry" (toa tsy mila fanabeazana akory) dia aiza sy aiza no toerana ametrahana ny hafatr'ilay Mpiandry ondry tsara lazaina fa harahina?

Tsy misy vahaolana mora raisina ny amin'izany anefa satria sarotra izany, nefa mampandinika ihany...

 ... mahatsapa ny habibiana mitranga etsy sy eroa isika, mety mba efa nandalo teny amintsika teny ny sasany tamin'ireny olona ireny fa nahilika satria "ratsy" ka tsy nahazo ny fanabeazana tokony ho azony...

Soa fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ka mihaino ny vavaka ataon'ny Talen-tsekoly Kristianina ho an'ny Mpianatra maditra noroahiny... Enga anie 

hitohy http://harilova.blaogy.com/post/182/868

Hevitra

Re: Mpiandry ondry tsara! ho an'ny Mpiandry ondry

pissoa | 07/05/2006, 09:31

Endrika fitaizana ny fandroahana. Mety maharary (tsy haiko fa izaho tsy mbola tratra), fa porofo io fa misy fitsipika ny sekoly, izany hoe tena mitaiza ny sekoly. Mazava ho azy fa misy fampitandremana amin'ireny fandroahana ireny. Noho izany, tsy nalefa tany amin'ny "tany tsy misy vilona" akory ilay "ondry" voaroaka amiko, fa nomena ny "vilona" sahaza sy mety hampiova azy.

Tsy ny zavatra tsara atao aminy ihany mantsy no mety mahasoa ny olona, fa ny fanasaziana ihany koa. Fitentsika malagasy ny hoe "Tsy misy mamy ohatra ny zanaka, fa rehefa manaiki-nono ahifika."

Tsy anjaran'ny "mpiandry ondry" irery nefa no mampihinana ny "ondry". Miankina amin'ny "ondry" ihany koa io. Raha hiova amin'ny toetra ratsy nahavoaroaka azy ilay "ondry" rehefa nahazo ilay "vilona" , dia arahaba soa, arahaba tsara. Raha hivarilavo kosa no tiany dia tsy tsinin'ny mpiandry velively izany.

Re: Mpiandry ondry tsara! ho an'ny Mpiandry ondry

Harilova | 07/05/2006, 10:37

Efa nolazaiko fa tsy zavatra mora ny momba io, kanefa kosa efa mba nandinika io elaela ihany aho, ka ambony noho ny hasin'ny ondry nania ny voninahitry ny sekoly matetika...
Oviana vao hisy Mpiandry ondry hitady ny very sy ny nania ka hanao azy an-tsoroka?...
Ny Fahendren'olombelona no anao ra Pissoa fa tsy ny an'i Kristy...
Ny maditra tsy saziana fa atao an-tsoroka...
Dia hoy i Lola sy Bodo hoe : "tsy ny kapoka fa fitiavana no fanohitra tena soa...
Ndao mba handramana... tambitamby no atao..."
Sa hira ireny ka irahiraina?
tsia hoy aho fa hira vokatry ny traikefam-pinoana...
Misaotra anao

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb